jeudi 29 juin 2017

FOMBA HAFANTARANA FA VEHIVAVY MENDRIKA NY HO RENIM-PIANAKAVIANA IANAO !



1- TSY FOTSY VARAVARANA : ny vehivavy tia mitsofotsofoka antranon 'olona tsy mba tamana mijanona ao antranony no atao hoe fotsy varavarana ary tena ratsy io satria sady manakorotana ny tokatranonao no manakorotana ny tokatranon ny hafa !!!!
👉 2- TSY BE RESAKA : tsy miditra amin ny fiainan ny olona , tsy mifosafosa etsy sy eroa , tsy be tatara ny olana ao antrano , sns .....
👉 3- TSY BE NAMANA : arakaraky ny hamaroan ny namana no mahatonga ilay fotsy varavarana sy maha be resaka !!!! Tsarovy fa ny namana foana no mamadika fa tsy misy olona hafa tsy mahalala anao akory nefa hiady aminao sy hanaratsy anao !! Fa raha vao be loatra ny namana dia ianao ihany no manome bala hitifirana ny tenanao !!! Izany tsy midika hoe mitokana monina fa kosa ny maro namana matetika hidiran angano ( rehefa tsy miaraka amin vadinao dia mitatara ny fiainanao etsy sy eroa sns ... )
👉 4- TSY BE TARAINA : fadio ny mitaraina lava am olona ny olanao ao antrano indrindra amin ny Ray Amandreninao !!! Ny vahaolana tokana dia ianareo mivady ihany no tokony hifandamina sy hahay hiresaka fa ny tokatrano raha vao itsabahan ny RAD lava izao dia tsy maintsy mikorotana ambony ambany satria samy te hibaiko ilay tokatranonao nefa tokana ihany no lohan ankohonana dia ny Raimpianakaviana !!!
👉 5- MAHAY MITANTANA : tsy tia rendrarendra , tsy mandany vola amin ny zavatra tsisy dikany , mahay mitsinjo ny vody andro merika sns ....
6- MADIO : madio amin ny lafiny rehetra na vatana na saina na fo na fanahy !!!!
👉 7- TSY MANGALA-TETY : fadio ny mamoaka vola ao antranonao omena olona eny fa na ny RADninao aza nefa AFENINA tsy atao fatatry ny vadinao !! Izay no hoe mangalatety ho an izay tsy mahalala !! Tadidio fa ny vola no fototry ny ota sy ny korotana nefa ny vola koa no hahafahana mampiodina fiainana ara batana noho izany dia mila mitandrina amin ny resaka VOLA ao antokantrano !!!!
👉 8- TSY MANAO HAVAN NY LAHY SY NY VAVY : Tsy hoe rehefa havanao dia hajaina sy handaniana izao rehetra izao sy hamoronanao ny tsy misy mihitsy aza fa rehefa havambady dia jerena fotsiny sy atao izay hialàny haingana ao antranonao !!!
👉 9- TSY KAMO : tsy hoe rehefa miasa dia tsy hanao na inona na inona ao antrano fa na manana mpanampy aza ianao dia tadidio fa tsy ny mpanampinao no tompon ny tokatrano fa ianao !!! Ary raha tsy miasa ianao dia ataovy ampitiavana ny raharaha ao antrano sy ny fikarakarana ny vady amanjanaka fa aza heverina ho asa fanompoana na asa tsy fidiny tsy maintsy atao !!! Mahafinaritra ny mijery vehivavy mavitrika lalandava !!!
👉 10- MIVAVAHA : Hafa ny tokatrano manana an Andriamanitra ary hafa ny tokatrano lavitra an Andriamanitra !!! Andriamanitra dia FITIAVANA ary rehefa mivavaka dia manana Fitiavana amby ampy izay miteraka ny fanajana , fandeferana , fahatokisana , filaminana , fiadanana , fahasambarana , fitoniana , fahatsorampo , fahaizana mihaino , fahaizana mamela heloka , fahaizana mitaiza sns ......
copyright : raha toa ka faly ianao de ........