Torohevitra momba ny gazety
Mazava hoazy fa ilay gazety efa tsy ampiasaina ireny intsony,ka vakio àry sao dia mba mahasoa anao:
"Vacances" izao ny andro,mety betsaka no andeha "voyage". Misy olona tsy mahazaka fiara dia mandoa na malemilemy,ka mba hisoroana an'izany dia makà gazety dia avalony dia hipetrao alohan'ny andehananao mandrapahatonganao fa ho hitanao fa tsy haninona ianao.
Ho fanampin'izany dia aza miondrikondrika mihintsy na dia matory aza ianao fa mitrakà foana dia halaviro ny sakafo mavesatra sy be menaka.
Tsara ho fantatra ihany koa,fa misy vokadratsiny ny gazety raha hifirana foana satria misintona ny tsinay hivoaka,izany hoe " hémorroïdes ".
Iny gazety iny mantsy no mitroka ilay entona(gaz) izay mampadoa rehefa miakatra.
Matetika ny lehilahy mety mikirakira fiara na moto dia misy ilay menaka mainty ne iny ny tanana,ka mba hanalana izany dia kosehana amin'ny gazety aloha ny tanana,atao izay hampiala azy ,zay vao sasàna amin'ny rano sy savony.Ho itanao fa ho mora ny manala azy ireo raha manaraka tsara ny torohevitra.
Toy izany koa ny savoka ,fafana tsara amin'ny gazety vao sasana.
Maketika misy kiraro na dia efa madio aza ny tongotra dia mbola mitàna "from" ian.Raha ts tinao ny hanasa ilay kiraro isaky ny avy anaovana dia makà gazety,ary aforiporeto ,dia hasitrio Ao anatiny isaky ny avy anaovana mandramaraina,fa iny no hisintona ilay fofona tazomin'ilay kiraro Ao.
Ririnina izao ny andro ka mandaitra be ny hatsiaka ka ny gazety no manampy antsika hitazona hafanana,hasitrika anaty akanjo,indrindra raha mitondra moto,na mitondra vary dia fonosina gazety aloha ilay fitoerany vao fonosina lamba
