-Tsy tia ahy kosa anga Sarika?
-Tena tiko ianao ry Faby, tsy mbola nitia olona aho ary tsy mieritreritra hitia hafa-tsy ianao,saingy...
-Saingy ahoana ry Sariaka ?
-Raha firaisana irery no eritreretinao fa fanehom-pitiava
na eo @ mpifankatia dia hisampana eto ny diantsika,eny fa na dia hamela ratra @ andro hiainako rehetra izany!
-Eo koa ranga ianao a,tsy ampahafirin'iza
y vehivavy tsara sy manja eto an-tanana no miseho mamilafila.Sady
lasa nirintona i Faby.
-Tsy nahateny, tsy nhetsika teo @ toerany i Sarika fa ny ranomaso no nikorina nanaraka ny takolany,rotika
ny fony;voalohany nohon'ny eso natain'i Faby, faharoa voatery hamono ilay afom-pitiavana miredareda ao anatiny izy.
Mpifankatia i Dokotera Fabrice(Faby) sy sariaka, tao Marovoay ny
tantara niseho,tantara tena nisy fa novana kely mba hahakanto azy sy ho
fanajana ny tsiambaratelon'
olona.
Avy any Analalava faritra Sofia no fiavian'i Dr Fabrice;notazai
na tao anatin'ny fahantrana ny tenany.Mpanjono
an-dranomasina no asan-drainy ary mpivarota izay trondro azo no asan-dreniny.Mb
ola niaina toy ny olona rehetra izy ireo tamin'izany,ind
risy
anefa ny aina tsy mifametra,vao 12 taona monja i Faby dia maty ny
rainy,i Ramatoa Leonie irery sisa no namelona ireto telolahy kamboty
ray.I Faby no zandriny indindra, 14 taona i Fabio ary 17 taona i Fabien
zokiny indindra t@ fotoana nahafaty ny rainy, samy mbola nianatra izy
ireo tamin'izany.Nio
va tokoa ny fiainan'izy ireo tamin'zany,saik
a
niala hianatra i Fabien mba hanampy ny reniny hamelona ireto zandriny
saingy tsy nety i Leonie,mbola mianatra hono ny zon'ny ankizy.Manenjik
a ireny mpanjono avy nanarato eny @ sisin-dranomasi
na
miantoka trondro dia avy eo manenjika mivarotra eny an-tsena, izay no
naelomany ireo zanany telo.Tsy nitandro hasasarana fa tsy maintsy
mandeha na mazoto na malaina, ny Alahady tokana no fitsaharany sady
manompo an'Andriamanitr
a
Afaka Bacc i Fabien fony izy feno 19 taona,voatery nijanona t@
fianarana izy fa tsy afaka nanohy fianarana teny @ Anjerimanontolo
na dia nofinofiny izany fony fahazaza;nanamp
y ny reniny nanangona trondro teny @ mpanarato no nataony.Nanombo
ka
mba nihatsaratsara ny fiainan'izy ireo, satria mba maromaro ny trondro
azon'izy mianaka dia mitombo ihany koa ny tombom-barotra.
Herintaona dia nandeha tsara ny tsenan'izy mianaka,i Faby sy Fabio koa nilofo tamin'ny fianarany fatratra.Nandri
tra iny taona iray nanampiany an-dreniny nitady vola iny anefa dia tsy nipetra-potsiny
i Fabien fa nikarakara "dossiers" tamin'izay "concours" na
"recrutement" hidirana @ fanjakana izay henony.Nataony daholo ny
"concours"-na zandary,pôlisy,
penitentiaire,n
ametraka
dossiers t@ "recrutement" fandraisana ho "élève-maitre" koa izy.Ity
farany no naha-voaray azy ka nandao an'Analalava izy hiazo an'Antsohihy
hanao ny fihofanana roa taona tao @ "Ecole normale niveau 1".Niverina i
Ramatoa Leonie irery indray no nitady vola, nahatsiaro sambatra anefa
izy na mafy taminy izany,fa afaka roa taona dia ho mpiasam-panjaka
na ilay lahimatoany.
Nikisaka mormora teny ny andro sy ny alina ka tonga volana,ny
volana maromaro tonga taona;tapitra ny roa taona, vita ny fianaran'i
Fabien ,nivohaka mpampianatra @ ambaratonga voalihany izy.Tao
Befandriana Avaratra no voatedry hiasa izy.Tetsy ankilany kosa dia afaka
bacc i Fabio ka nisafidy ny hanampy an-dreniny hivarotra trondro
izy.Nabomboka maivamaivana i Ramatoa Leonie, i Fabrice irery sisa no
mianatra,nandeh
a tsara
ny varotra trondron'izy mianaka, ny fanampiana isam-bolana ataon'i
Fabien manginy fotsiny.Taty aoriana kely aza dia tsy nitady ireo
mpanarato teny an-tsidin-drano
intsony izy ireo fa ety an-tanana ihany izy ireo no mandray ny vokatra
avy eo mivarotra @ mpanjifa izany hoe lasa mpamingady izy
mianaka.Nandeha
teny
ary ny fotoana afaka bacc soa aman-tsara i Faby teo @ faha 18
taonany,sokajy D;nilaza taminy ary ireo zokiny sy reniny fa afaka
misafidy ny lalam-pihofanan
a
tiany atao izy satria izy sisa no mianatra, fa izy telo mianaka hanao
izy tratry ny heriny @ fanosehana azy.Raikitra ary fa ny sampam-pihofana
na "medecine" no harahiny.Tao @ oniverisiten'i Mahajanga no nandratoany ny fianarany.Nihar
itra
ny mafy tokoa i Faby vao nahavita ny fianarany,teo moa nohon'ny
hamafisan'ny fianarana,teo ihany koa nohon'ny tsy fahampiana.Na dia
nilokaloka ny hanohana azy ireto rahalahiny dia tsy hafa-nanoatra rehefa
nanambady.Nanom
boka
nihena ny vola fanampian'izy ireo ny zandriny, misy ary tsy mandefa
mihintsy izy ireo ao anatin'ny 1 volana fa sahirana ihany koa hono
izy.Tsy homena tsiny anefa izy ireo fa rehefa manambady dia tsy ny
sitraponao irery intsony no atao fa mila marimaritra iraisana.I mama
ilay hany tsy mba mitarain-tana-m
iempaka
sisa no nizaka ny tsy eran'ny ainy nanomboka teo @ taona fahadimin'ny
fianaran'i Faby.Misy fotoana tara na kely ny vola alefan'i mamany dia
namana no mihantra manome sakafo azy.Tsy nahakivy an'i Faby izany fa
vonona ny hiari-pery ny lehilahy.
Feno 27 taona i Faby no nivoaka ho Dokotera;vao vita ny "thèse"-ny dia
niasa t@ "clinique" iray tao Mahajanga izy niandry ny fanendren'ny
fanjakana azy.Feno taona iray sy tapany no niasana tao dia voatendry
hitazona CSB2 iray tany Bealanana izy avy eo.Nanomboka nilamina ny
fiainany.Tsy mbola nieritreritra ny hanambady mihintsy ny tovolahy fa
hampiadana an-dreniny aloha hono mba ho valimbabena sady mbola maro ny
tanjony ka mety tsy ho tanteraka raha manambady izy toy ny zava-niseho
t@ ireo zokiny.Sady mbola tsy nahita fiainana koa izy raha teo @ lafiny
fitiavana fa variana t@ fianarana ka naleony aloha nijanonana tamin'ny
sipasipa fotsiny fa tsy mbola te ho voafatotra.
Nanomboka teo dia
lasa fahazaran'i Dr Faby ny nisolosolo vehivavy iarahana;hafa ny
androany,hafa koa ny ampitso, ao ireo midofotra ka dia miady sy mifamono
mihintsy indraindray.
4 taona no niasany tao Bealana dia lasa nanohy fianarana tany
Antananarivo i Dr Faby ka ny resaka fandidiana no nohalalininy tany;roa
taona no faharetan'ny fihofanana.Teo @ faha 34 taonany ary dia lasa
dokotera mpandidy i Dr Faby.Vao vita io fianarana nataony io dia tany
Marovoay no toerana nanendren'ny fanjakana azy.Noraisina t@ fomba
manetriketrika mihintsy ny fahatongavany tao Marovoay,ny sefo distrika
mihintsy no nanolotra azy ny vahoaka ;tsy nisy mpandidy afa-tsy izy
irery no tao ka dia notambatambazin
a
sy najajaina mihintsy ingahy Radoko,izy rahateo moa tena nahay
niara-monina t@ olona ary tena nanao t@ fony t@ fanasitranana ny vahoaka
tsy mandady harona.Tetsy an-kilany anefa dia nitohy ihany ny
filalaovam-behi
vavy
nataony,ireo vehivavy mihintsy moa no mifandritaka te hahazo toerana
raha vao nahare fa mbola tsy manambady ingahy mpandidy.Izy tokoa moa ny
tovovavy tsy ho taitra raha vao seranan'i Dr Faby.N'y sasany izany aza
mody misandoka marary @ izay mba tsapain'i Dokotera.Ao indray ireo tena
marary miala any an-trany fa vao mahita an'i Dokotera dia adinony
mbamin'ny aretiny;ity tokoa angamba ilay voalazan'ny mpanakanto iray
manao hoe "masonao mizaha consultation-na
ha"
ary ny tanana mitsapa kosa no Fanafody.Tsy vitsy ihany koa anefa ireo
sorena fa nialan'ny sipany na ny olon-tiany noho i dokotera.Misy
mihintsy ireo nangataka azy mba ho esorina tao fa manadala vehivavy
fotsiny hono no asany;nefa tsy nahavoa azy izany satria mandeha
ara-dalana ny asany.Ny azy tokoa mantsy rehefa miasa dia miasa;tsy
nafangarony mihintsy ny asa sy ny fitiavana.
Toa fialam-boly ny an'i DR Faby ny fiarahana @ vehivavy.Maro noho izany
ny toloko sy tomany ho an'ireo avy niarahany ka voahilika sy tsy
rarahiny fa ataon'ny toy ny olo-tsy fantatra.Tsy nasiany asa aloha anefa
ireny toloko sy tomany ireñy, raha misy namana miteny azy ny @ izañy
dia tsotra ny amaliany azy,tsy noterena na novozonana izy ireo, ary tsy
nisy resaka matotra nifanarahana fa samy nanala azy;ary ny fitiavana koa
tsy azo terena,rehefa tsy tiko dia tsoriko fa tsy iatsarako
ivelatsia.Ny tena marina tsy nisy fo nitempo fitiavana mihintsy ny azy
fa firaisana fotsiny no hilany ireny vehivavy ireny;ka vao lavony indray
mandeha eo ambony fandriña hono dia maharikoriko azy;ny dobo tsy hita
indray no mahamaniña!
Ny zavatra mahatalanjona anefa dia arakaraky ny mampalaza azy @ izany
toetra mampijaly vehivavy izany no mampirodoro ireo tovovavy hanandra
hiantsampy eny an-tratran'i Dokotera.Ny an'ny sasany toa tsy finona
fotsiny izao,Dr tsara faznahy be sy mihantra olona iny ve ahavita
izany;tena mihantra olona sy tsara fanahy rokoa izy raha sehatra asa fa
raha fitiavana kosa izy tsy mpanasitrana fa mila sitranina.Ny hafa
indray dia ilay toetra tia an-drakandra mihintsy no mandrisika azy;ny
an'ny hafa idray dia ilay toetra ratsy nolovantsika t@ ireo
razambentsika no manosika azy.Efa raran'ny ray aman-dreny sy ny namana
dia vao maika misisika,toy ny nataon'i Adama sy Eva nihinana ilay
voankazo nandrarana!Toa aretina raha sainina ny an'i Dr Faby,tsy mahay
mahita tovovavy izy fa izay mifanena aminy dia kôtiny avokoa.
Maro ireo tafiditra tao anaty vela-pandriny;n
y
endrika amam-bika ananany,ny toetra feno fahatsorana arahin'ny
tsikitsiky lalandava,ny fahafoizana vola, ny langolango sy ny tambitamby
ataony,ny fahaizana moa manginy fotsiny ihany;ireo rehetra ireo no
nahadodoka ny tovovavy fa fanamperana ingahy mpandindy.Saing
y indrisy fahasambarana nandalo no hita fa ny ratram-po vokany kosa dia hamela holatra tsy ho voafafa mandrakizay.Nan
amparan'i
Dr faby ny filan-dratsiny avokoa na ny mpiara-miasa, na ny olon-tsotra
mpiara-monina aminy,ireny mpanao "stage" izay nandalo tao @ hõpitaly
indrindra indrindra no tena lasibany.Tamin'
ny
tsy misy sakana tsy iarahany @ tovovavy iray raha tsy hoe manambady
izy;nalaviriny mafy tokoa ny hiaraka @ vadin'olona eny fa na dia
nisarizoro taminy aza ireny dia nandosirany mafy.
Isan'ireo tovovavy nitsiriritra mafy an'i Dr Faby i Sariaka.Tovovav
y vao 21 taona monja izy avy any Tsaratanana no fiaviny,mpianat
ra
ho mpampivelona mianatra @ sekoly tsy miankina mpanofana mpitsabo
mpanampy sy mpampivelona ao Antananarivo izy.Hanao stage no nandehanan'i
Sariaka tany Marovoay ,efa taona fahatelo izy,izany hoe efa hamarana ny
fianarany.Efa hanomana ny "memoire-ny" tokoa i Sariaka izao nakany
Marovoay izao ,misy rahavavin-dreni
ny no nipetrahany tany, izany hoe tsy haitraitra no nandehanany fa nisy tanjona notratrariny.Mb
ola
tsy ampy mantsy ny san'ny fampitetahana vitany la izany no nandehanany
tany Marovoay mba hameno isa izany mba ahafahany miroso @ "mémoire".Izay
no nahatongavany tao @ hôpitaly nisy an'i Dr Faby, telo volana no
eritreretiny ho lanina ao. Telovolana izay nitondra fiovana be teo @
fiainany.Vao hiditra tao izy efa nafatrafaran'il
ay rahavavin-dreni
ny momba an'i Dr Faby ,tandremo anaka fa fianarana no alehanao ao, aoka tsy hanalabaraka anay ray aman -dreninao,ataov
y
tsara ny ahavitana ny fianarana fa ny fitiavana sy ny vady tratra
foana.Nanome toky ny nenitoany i Sariaka fa tsy handraraka an-tany ny
hanatra sy torolalana omen'izy ireo.
Vao nahita an'i Sariaka tonga tao am-piasana i Dr Faby dia efa namelatra
ny fandriny.Ny harivan'ny andro voalohany nanaovan'i Sariaka stage dia
nantsoiny tao @ biraony.
-S:Manahoana dokotera?
-F:Manahoana ndry?Sariaka moa ?
-Eny tompoko!Nampian
tso ahy hono ianao?
-Ie nampiantso an-dry zah,tsy resaka asa akory fa mba te hiresa-dresaka aminao fotsiny aho !
-Dia resaka inona anefa no ho resahiko @ i Dokotera?
-Mba tiko fantatra ny mombamomba anao,izao aho izao vao niresaka
taminao dia hitako fa sariaka mitovy @ anaranao marina ny toetranao,dia
mbola tiko ho fantatra koa ohatra inona ny zavatra tinao indrindra sy ny
mifanohitra @ ny zavatra halanao indrindra,dia raha mety dia asaiko
hiaraka hisakafo amiko any @ restaurant ianao dia any isika manohy ny
resaka.
-S:Tena miala tsiny aloha Dokotera fa tena tsy afaka aho raha ny androany fa mbola misy zavatra vonjeko any an-trano.
Tsy misy zavatra atao mihintsy i Sariaka,fa matahotra ny vavam-bahoaka
sy ny hafatra natain'i nenitoany azy. Ny tao am-pony anefa dia satriny
dia satriny ny hiaraka t@ i Dokotera,toa mahafinaritra azy ny miresaka
aminy, toa misy hery hafahafa izany avy ao anatiny ao,izany angamba ny
hoe raiki-pitia.Efa
nampahafantarin
a azy anefa ny toetran'ity ankilany ka te hanalavitra azy izy.
-F:Eny ary e,fa rampitso kosa afaka ndry a?
-S:Ao ary fa alaminako ny fotoanako dia rahampitso zany;veloma Dokotera!
-F:Veloma Sariaka,rampits
o!
Nanomboka teo dia tsy niala tao an-dohan'i Sariaka ny endrik'i Dokotera,satrin
y
ahita azy foana,toa tsy andriny indray ary ny ahatongvan'ny ampitso;ny
alina aza tsy nahita tory mivadibadika teo am-pandriana fotsiny,miandry
ny ahatongavan'ny maraina handehanana hanao stage ahitana
an'iDokotera.I Dokotera Faby kosa anefa tsy nisy fo nitempo na 1minitra
ho an'i Sariaka akory,rehefa tsy afaka i Sariaka dia efa niantso
tovovavy iray indray izy niaraka taminy tany @ restaurant.Tami
ny,efa
resaka milamina iny fa tsy maintsy lavony i Sariaka fa fotoana
sisa.Tonga ny fotoana andehanana ho any @ restaurant,iny niditra tao
anatin'ny fiaran'i Dokotera i Sariaka dia lasa izy ireo.
Tonga tao @ restaurant dia natao ny "commade";teo am-piandrasana ny commande dia nanomboka ny tafa i Dokotera.
-Mahafinaritra ny miresaka @-ndry, sariaka marina,feno tsikitsiky foana ent @ endrikao!
-Toetra efa voajanahary ho ahy io Dr a,sady tsy misy tombontsoa azo @ havona anie, fahavalo aza no azonao.
-Ary tsy mbola novalinao ny fanontaniako hoe inona no zavatra tinao indrindra sy ny halanao indrindra!?
-Hatramizao aloha dia tsy misy tiako mihoatra an'i Dada sy NENY;ary ny zavatra hankahalaiko indrindra dia ny fihatsarambelat
sia sy lainga ary fitaka!
-Nga tsy manana olon-tiana i Sariaka ?
-Toa nisy tselatr'afo kely ny tany am-pon'i Sariaka,somary nangina kely izy vao namaly;fa inona no anontanian'i Dr an'izany?
-Ny valinteninao teo la,ny olona iray raha anontaniana dia ny olon-tiany no tonony voalohany .
-Hay ve,mbola tsy nitia olona aho teo @ fiainako!
-F:Hofenoiko telo zany ny zavatra tinao raha sitrakao!
-S:Tsy azoko ny tinao lazaina.
-F:Nilaza ianao mantsy fa zavatra telo no tsy tinao dia ny lainga,fitaka ary fihatsarambelan
tsia,kanefa ny zavatra tinao roa ihany dia ny Ray aman-dreninao,d
ia tiko fenona telo raha sitrakao @ izay mba mifandanja ilay zavatra tinao sy halanao!
-S:Dokotera koa mahita tenenina a,@fomba ahoana anefa?
-F:Izaho ilay hilatsaka ho zavatra tinao fahatelo raha mety ianao.
-S:Tsy mazava tsara amiko ny tianao lazaina,fa feno sariteny loatra la!
-F:Izao ary Sariaka aleo tsoriko aminao fa ny andro voalohany nahitako
anao no efa nitempo fitiavana ho anao ny foko, ary vao maika niredareda
izany rehefa nanomboka niresaka sy nifanerasera taminao aho;ka tsy
zakako kobonina ho irery intsony izany!Tia anao aho aky Sariaka a,babo
tanteraka ary manantena valiny mahafa-po avy any aminao!
Fahanginana kely no nasetrin'i Sariaka ny tenin'i Dokotera,tsy hitany ny
havaly, efa nandrasany ihany ilay izy saingy manahy izy ny @ valinteny
omeny, hanaiky matahotra ny ho lalaovin'i Radoko toy ny fanaony ny
fitiavany,handa
anefa toa matahotra ny hanenina ihany koa ,efa babo tanteraka ny fony ;izay tia marina, adala!
-Nanafintohina anao anga ny teniko no tsy mamaly ianao?Hoy indray i Dokotera nanohy ny teniny.
-Tsy nanafintohina ahy mihintsy ianao,fa tsy nampohiziko ilay resaka
nataonao ka tsy hitako izay havaly ,tsy mbola nieritretitra hitia olona
iray aho hatramin'izao fa fianarana aloha no mibahana ato an-tsaiko!
Tsy misy mahalala ny am-po tsy miloaka marina isika zanak'olombelon
a,raha
mba fantatrao marina mantsy Dokotera fa fahasambarana ho an'i Sariaka
iny segaondra vitsy namborahanao fitiavana taminy iny saingy matahotra
ny holalaovinao ny fitiavany no nahatonga azy tsy namaly hatrany fa
nangina nisaintsaina izay fanapahan-kevit
ra ho raisiny.
-Eny e,tsy manery an-dry aho ,fa milaza ny faniriko sy ny vetsovetsom-po;
ka anjaran-dry ny mieritreritra,h
enoy ny fonao !
-Misaotra Dokotera a,tsy nisoeona nilaza ny tao am-ponao fa miala tsiny
aho aloha fa tsy afaka ny hanome valinteny anao izao dia izao,omeo
fotoana kely aho hisainako,tsy kilalao mantsy izany fitiavana izany
amiko,ary izaho efa niteny t@nao fa mbola fianarana aloha no
vaindohan-draha
rahako izao;mampanante
na anefa aho fa tsy ela akory dia azonao ny valinteniko ho henoiko arak'izay torohevitrao zay ny foko !
Raha sitrapon'i Sariaka dia novalina teo no ho eo ny fangatahan'i Dr
Faby fa mba te hitsapa ny fitiavan'ity olona mahababo azy ity ihany koa
izy.
-Omeo toky anefa aho ry Sariaka fa tsy hampiova ny
finamanatsika izay ho valinteny omenao ahy eo, tiko hijanona ho
mpinamana hatrany isika na tsy ho tia ahy @ fitiavan'olon-d
roa ianao!
Raha ny tena marina tsy nisy avy am-pon'i Dokotera daholo ireo resany
ireo fa eo am-bava fotsiny;efa tetik'ady fambabony vehivavy avokoa
ireny,ny odim-pitiam-beh
ivavy mantsy hono dia tambitamby.Rehe
fa voatambitamby sy voalambolambony
mantsy ireo tovovavy dia mihevi-teny fa ilay tokana ho azy marina,nefa indrisy ....
-Aza manahy Dokotera fa mpinamana foana isika raha tsy hoe ianao anga no anilika ahy!
-Sanatria aky,tsy hisy mintsy izany!
Nahafinaritra iny fiaraha-misakaf
o indray hariva iny,samy velomboly ny roa tonta,ny an'i Sariaka toa sambatra sahady izy na mbola tsy nanome ny valinteniny,efa
talihan'io no efa henony ny fony tiny i Dr Faby ary tiny ho azy irery mandrakizay;tet
sy andanin'izay dia efa feno fanantenana i Dr Faby fa tsy maintsy ho azony i Sariaka ary izy no ho voaloham-pitiav
any saingy tsy iriny ho azy mandrakizay.Toa
fitia diso fiantefa ny an'i Sariaka raha ny tena marina,ny an'i
Dokotera fitiavana hanimba ny fahadiovany fotsiny no mahamay azy.
Zary fahazaran'izy roa ny mandeha miara-misakafo tany @ restaurant,in-d
roa isan-kerinandro
fara fahakeliny,nano
mboka nandeha ny resaka tao am-piasana fa mpifankatia izy roa.Ary izany marina no tena izy,nitia mangina tao am-pony i Sariaka.
Efa iray volana mahery izay no namborahan'i Dokotera Faby ny fitiavany an'i Sariaka,iray volana tsy nahitam-baliny;
eo am-pisakafoanan
a @ restaurant toy ny mahazatra izy ireo no namoha ilay resaka nifanaovana ny andro voalohany niarahana nisakafo.
-F:Sariaka a,omenao tsiny ve aho raha hampatsiahy anao fa misy fampanantenana nomenao ahy,dia ny hmalianao ny vetsovetsom-pok
o maniry ny ho tiavinao?
-S:Eny ary Dokotera a,atolotro anao ny foko sy ny fitiavako,haina
o ny nambabo azy;raiso ka anjakao!
Natohok'i Dr Faby teo @ molotr'i Sariaka ny molony dia nifanoroka izy
roa.Iny no oroka voalohany nataon'i Sariaka;oroka vokatry ny fo ;fotoana
mamy indrindra teo @ fianany ka voarakitra tao anatiny diary ho zary
tantara tsy azo kosehina.
Tsy nitovy fomba fijery anefa izy ireo teo @ fanehoana ny fitiavana,ny an'i Dokotera ny filana ara-nofo no nimatimatesany;
i Sariaka kosa nitandro fatratra ny fahadiovany, aminy tsy tokony hisy firaisana raha tsy ao anatin'ny tokantrano.Nana
o
izay ho hafany ingahy mpandidy t@ tambitamby sy ny fandrika handavona
an'i Sariaka saingy tsy nilavo lefona izy na dia mafy taminy aza
niaritra ireo fakam-panahy.Ni
teraka
disadisa ho azy ireo izany taty aoriana kely ,samy niziriziry t@
heviny.I Sariaka no nijaly sy horihory tamin'izany satria nanantena
fitiavana hitondra hasambarana nefa hazo boboka ity iankinany.Ny an'i
Dokotera kosa,tsy alahelo ny azy fa hasosorana @ fandavana ataon'ity
voatavo tsy mifandraka kely ity;tsy nampohiziny mihintsy hoe tovovavy
toa an'i Sariaka no mba hampifilafila azy, ny mitady toerana aza
sakanana fotsiny eo an-tanana.Tsy nanaiky mihintsy koa anefa ny lehilahy
fa hanohy ny tolona hatrany, fahafaham-barak
a ho azy ny hiaraka @ tovovavy iray ka fiarahana madio fotsiny.
Raha mahaliana anao ny tantara dia araho tsara ny tohiny manomboka
eto ary mampanantena aho fa hataoko lavalva @ izay manomboka hariva!
Nanokana fotoana maro tokoa i Dokotera Faby niarahana t@ i
Sariaka, entiny hamaboana azy ka hatratrarany ny tanjony.Ny fiarahana
misakafo any @ restaurant,famo
njena alim-pandihizan
a,fijerena rindran-kira,fa
monjena sy fanaovana "karaoke". Alina avokoa no ankamaroan'ireo
fotoana ireo;ninian'i Dokotera natao izany mba hahatratra alinabe azy
ireo any ka tsy afaka ny hody any an-tranony intsony i Sariaka ka tsy
maintsy any aminy no matory ary dia ho mora aminy handresy lahatra azy
hanaiky ny filan-dratsiny.
Tetsy
an-danin'izany dia nanaraka tsy satry ny sitrapon'i Dokotera i Sariaka
nohon'ny fitiavany azy;te haneho ny fitiavany @ ity malalany izy ka
nanjary nanao ny tsy fanao. Tsy mbola namonjy lanona izany i Sariaka teo
@ fiainany talohan'ny nihaonany t@ i Dr Faby indrindra fa andro alina
raha tsy lanonam-pianaka
viana angamba.Nataony
daholo izany na dia tsy vokatry ny fony satria fantany fa rehefa
miaraka @ olona iray dia tsy ny sitraponao irery intsony no atao fa tsy
maintsy manome fahafaham-po ilay malalanao ianao mba hampilamina ny
fiarahana.Nanov
a ny fiainany
tanteraka tokoa ny fiarahany tamin'i Dr Faby;lasa mandainga matetika t@
i nenitoany izy @ ity fivoahana alina matetika ity;rehefa handeha
hamonjy lanonana hiaraka @ Dokotera dia milaza fa hanao garde any @
hôpitaly.
Nahomby tokoa ny tetik'i Dokotera, tsy maintsy tany aminy i
Sariaka no natory rehefa tratra alina avy any @ lanonana novonjen'izy
roa;nefa kosa tsy tratrany ny tanjona,tsy nety niara-natory taminy i
Sariaka nitokana fandrina foana.Adihevitr
a sy fifandresen-dah
atra
lava ny azy ireo isaky ny tonga ao an-trano.I Dokotera mandresy lahatra
hatrany fa isan'ny hanehoan'ny mpifankatia ny fitiavany ny firaisana
fandriana sy ny fanaovana firaisana ara-nofo.I Sariaka kosa anefa manda
izany hatrany,ekeko ny teninao hoy izy mantsy an'i Dokotera raha ohatra
ka efa mpivady ara-dalana isika, amin'izay fotoana izay ary hoy izy dia
adidiko mihintsy ny miray fandriana sy ny manolotra ny vatako ho anao.
Tsy jerena @ maha fanaka malemy azy i Sariaka fa sahy mijoro @ heviny
hatramin'ny ny farany na dia mafy taminy izany satria olombelona nofo
aman-dra ihany ny tenany ka mba manana filana.
-F:Fa maninona kosa i Sariaka no miady hitokana fandrina foana rehefa tonga ato an-trano e?
-S:Mba hisoroako antsika ho tafifitra @ fahalotona aky izany malala a!
-F:Tsy matoky ny fitiavako anga ndry ?
-S:Matoky ny fitiavanao tokoa aho fa tiko rehefa vita ny mariazy vao
atolotro anao ny fahadiovako tsy misy pentina ka dia ho anao irery
mandrakizay!
-F:Sariaka a,imehezan'olon
a
@ izany ianao raha henon'olona izany;efa lamaody fahagola izany
mitondra fahadiovana ao anatin'ny tonkantrano izany,na ny tovovavy
namanao aza hanaraby anao hoe"olona t@ taonjato raha firy koa ity?".Mila
manala azy aloha izay vao miditra @ fanambadiana sao dia ataon'olona
tsy ampy "la vie" eo.
-S:Izay fomba fijerin'olona aky malala tsy
raharahiko a,fa izay eken'ny saiko no tanterahiko ka mangataka anao raha
azo atao mba hanaja ny safidiko!
-F:Eritrereto ihany aloha fa raha maningana ny ataon'ny fiaraha-monina anie ka lazaina adala na sampona e!!!
Tsy afa-nanoatra i Dokotera nanoloana ity zaza bodo kely nefa mafy
hatoka;naniry manitra teo am-pitoerana fotsiny izy fa tsy
afa-nanendry,na
hatsiaro
ho nangetaheta teo ambony lakana ny lehilahy.Very hevitra tsy hita ny
atao,ho faranana ny fiarahana tsy mety ny sainy, hotohizana anefa
amin'ny fomba ahoana?Nanohina
ny hambom-pony mafy ny filafilan'i Sariaka,tsy mbola nisy vehivavy
niaraka taminy ka nandingana ny herinandro vao hanao firaisana
aminy;izao anefa efa iray volana sy tapany mbola hatreo @ horoka ihany
no azo.Tsy te hiala maina ny lehilahy ka nitady paikady vaovao;tsapany
tsara ny fitiavan'i Sariaka azy,efa maro ny tovovavy nolalaoviny ka
hainy ny manavaka ny setroka sy tomany. Fantany fa harary fo sy halahelo
i Sariaka raha hisarahany ka io no fitaovana entina hanerena azy
ankolaka.Izany hoe rehefa tsy azony t@ tambitamby i Sariaka dia ho
tereny hanao firaisana aminy fa raha tsy manaiky dia isarahany.Nanom
ana fotoana ary izy ilazany io tetik'adiny io tamin'i Sariaka.Asabots
y alina tamin'izay nasainy nisakafo tamin'ilay restaurant fandehanan'izy ireo i Sariaka.
Vita ny sakafo, noraisin'i Dokotera Faby ny tanan'i Sariaka dia norohany ,avy eo nitarika ny resaka izy.
-F:Malala ô,misy zavatra angatahiko @-ndry!!!
-S:Inona aky izay ry malala, fa raha azoko atao sy tanterahina dia omeko tsotra izao!
-F:Azonao tantetahina mihintsy izany,izaho akory tsy mpila voa tsy hary
ka hangataka zavatra tsy misy.Izao akia, any amiko ndry matory androany
alina dia tsy misaraka fandrina intsony,ny andro koa izao mangatsika
dia mba mila mifanafana koa isika.
-S:Tsy mety izany malala a,efa
niteny an'ela foana aho fa mbola hanjaka @ io vatako io foana ela fa
miaritra kely,izay maharitra anie lesy no vadin'andriana e!
Hatreto dia mbola teny mamy sy tambitamby hatrany no naloaky ny vavan'izy roa ,samy te hampiseho fa tia tokoa.
-F:Tsy tia ahy kosa anga Sariaka?
-S:Tiko tokoa ianao ry Faby;tsy mbola nitia olona aho ary tsy mbola mieritreritra hitia afa-tsy ianao,saingy...
-F:Saingy ahoana Sariaka a?
-S:Raha fanaovana firaisana foana no heverinao fa fanehoam-pitiav
ana eo @ olon-droa dia voatery hisampana ny lalantsika,eny fa na dia hamela ratra @ andro sisa hiainako rehetra.
F:Eo koa ranga ianao a, tsy ampahafirin'ny sipa tsara sy manja eto an-tanana koa ianao no miseho mamilafila.Sady
lasa nirintona i Faby.
Tsy nahateny sy tsy nahetsika teo @ toerany i Sariaka fa ny ranomasony
no nikorina nanorika ny tavany,rotika ny fo ;ny voalohany dia nohon'ny
latsa nataon'i Faby, ny faharoa dia voatery hamono ilay afom-pitiavana
niredareda tao am-pony izy.
Tsy takona afenina ny tao an-trano intsony ny fahorian'i
Sariaka;vao niditra ny trano izy dia akory ny hatairan'i Nenitoany
nahita ny tavany vonton-dranomas
o.
-N:Nanino ianao anaka;misy inona?
-S:Tsy misy n'inona n'inona ry nenitoa a!Sady lasa izy namonjy ny efi-trano fandriany.
Tsy nandry ny sain'i nenitoany ,fa zavatra tsy fataon-janany fa misy antony lehibe izao fa manafina aminy fotsiny i Sariaka.
-N:Sariaka,Sari
aka,vohay aho fa misy resaka kely resahiko aminao!
-S:Mandroso nenitoa!Sady namafa ny ranomaso teny @ tavany izy, te hampiseho @ ity solon-dreniny fa tsy manahy izy.
-N:Anaka, fantatro fa misy zavatra mampalahelo mafy ny fonao;ny
vahaolana @ ireny anaka dia ny fizarana azy @ hafa mba hanamaivamaivan
a
anao,aza kobonina irery fa izany no mahatonga ny olona sasany manaonao
foana.Eto izaho vonona ny hiaino sy hanampy ny zanako, aza matahotra fa
tsy hibedy na handatsa an-dry akory aho fa hankahery!
-S:Misaotra
nenitoa a;ny voalohateniko dia mifona aminao aho satria tsy nisorona
tokoa ianao ny nanatra sy nanorotoro izay lalana tokony hizorako raha
vao tonga teto aminao aho.Toa rora lany sy fotoana very fotsiny ny anao
fa tsy nohenoiko;izao aho efa solafaka izao vao mitemberina ato
an-dohako ireny,indrisy mantsy ry nenitoa raha mba nanaraka ny hanatrao
aho tsy hijaly sy hory toy izao.
-N:Sariaka a,aza manamelo-tena ianao fa mpahazo ny olombelona tsirairay
ny solafaka,ny zava-dehibe tokony hatao dia fanarenana izay tsy nety ;ka
tantarao mazava amiko izay nanjo anao mba ahafahantsika mitady
vahaolana miaraka.
Niahotra ihany Sariaka ny hitantara ny marina nadia hitany fa nalefaka sy nitambitamby azy nenitoany;natah
otra satria efa nampahatarina azy ny lazaratsin'ity olona nitiaviny.
-S:nisarahan'ny
olon-tiko aho nenitoa a,nisarahany fa tsy nanaraka ny sitrapony.
-N:Fa dia inona hono retsy ny sitrapony tsy notanterahanao ka dia nahatonga izao fisarahana izao?
-S:Tsy nanaiky ny hanaovany firaisana aho ka tezitra izy dia lasa sady
nanao teny mandratra fo.Sady nifokofoko nitomany indray ilay tovovavy
kely resim-pitia.
-N:Mangina izy anaka,avelao any izy,tsy tia anao
izy raha izany no handaozany anao.Ny fitiavana tsy azo terena vaimanta
toy izany, fa tambitamby sy teny ierana hatrany ny fiainan'ny
mpifankatia.
-S:Ka izaho anie mbola tia azy nenitoa e,tsy mety
manaiky mihintsy ny saiko hoe nisaraka izahay ary ny foko tsy mety
fefena fa mila azy.
-N:Eny anaka tsy mora tokoa ny manadino olona iray notiavina,kanef
a izay no lalan'ny fiainana fifandimbiasan'
ny fahasambarana sy ny fahoriana!Hijal
y
tokoa ianao @ voalohany fa ho fafan'ny fotoana tsikelikely izany dia
ahita fahasambarana indray any aoriana kely.Ary mino aho fa raha tena
fitiavana no nitiavany anao dia mbola ho avy hifona aminao izy.
Tsy nampisinda ny alahelon'i Sariaka ny fampaherezana nataon'i
Nenitoany azy;tsy nipizin-tory izy iny alina iny fa nivadibadika teo
am-pandriana fotsiny.Nitambe
rina tao an-tsainy avokoa ny lasan'izy roa,ny horokoroka, ny teny mamy,ny lokalokam-pitia
;tafatsiky
tsy nahy izy raha mahatsiaro ireny fotoana ireny,nefa vetivety eo
mivadika ranomaso izany rehefa mitamberina ao an-tsainy tampoka ny
latsalatsa sy teny maharary nataon'i Faby azy.Izany angamba no mahatonga
ireny olona lasa adala nohon'ny "déception".Mif
angaro
voraka ny zavatra tonga ao an-tsain'ilay olona, toa tsy tompin'ny
tenany intsony.Marary i Sariaka,tsy marary ara-batana anefa fa ny fo
amam-panahy no mila fanasitranana.
Mba nanao ahoana kosa anefa i Dr Faby t@ iny andro iny?
Vinitra dia vinitra tokoa ny lehilahy raha nandao an'i Sariaka teo @
restaurant;tsy nody tany an-trano izy fa avy dia namantana tany
an-tranon'i Dr Johnny izay hany tena namany ilazany ny tsiambaratelony
.Mbola mipetrapetraka eo an-davarangana maka rivo-drivotra alohan'ny hatory i Dr Johnny no tonga i Dr Faby.
-J:De ahôna baina,fa misy inona no tonga aty alin-dalina ela?
-F:Tsisy n'inona n'inona lesy a, fa sorosorena fotsiny aho dia mila namana mba iresa-dresahana
.
-J:Fa inona no nanorisory an'ela tampoka teo e?Niala tany am-piasana
ela anikeo falifaly sy miramirana ery fa inona nitranga tany?Zarao
hanamaivana an'ela fa izay izao no dianareo eto.
-F:Tsssy,sipa miseho milay.
-j:Fa sipa iza lety e,de miseho milay @ ahoana?
-F:Le Sariakan-doza ty e,sipa bôrbônezy kely ôtran'iny sady tsy bika tsy tarehy no miseho mamilafila.
-J:Ka maninona no tsy isarahana,sipa be dia be eto no mitomany an'ela, adaboy any izy dia vita !
-F:Ka zaho mbola tsy tany anie lesy no tena tsy zakan'ny saiko e.
-J:Ny an'ela izany aretintsaina mihintsy kay. Dia ahoana, inona no fanapaha-kevitr
'ela izany?
-F:Za anie efa nisaraka taminy,fa mandreraka ny saiko fotsiny ny
mieritreritra azy.Avelao eo lesy ny @ izany fa andao ho any @ "boite"
isika sy ela mba hanala azy kely.
Dia lasa izy roa lahy nandeha ;tena nanala azy marina,nisotro,
nandihy ary tsy nody raha tsy t@ 4 maraina sady mamo. Mbola samy mpitovo moa izy roa lahy ka dia tsy nisy nanakan-tsakana
fa nanao izay tiany nataony.
Tsy nivoaka ny trano i Sariaka ny ampitso alahady, hadinony mbamin'ny fiderana ilay nahary,nanjombo
na
ny tontolony, toa nankahala ny fisiany izy,naninona ary aho hoy izy
anakam-po no hary raha hijaly toy izao.Na izany aza anefa dia mbola
nahatsiaro niantso ilay Ray mangina tao am-pony ihany izany;notazainy
t@ fivavahana fony fahazaza izy,ary manaiky ny fandaharan'Andr
iamanitra.Toy
izao ny vavaka mangina nataony tao an-trano:"raha sitrakao Ray ô,esory
amiko ity kapoaka mangidy ity, nefa aoka tsy ny sitrapoko no tanterahina
fa ny sitraponao ;ianao no mahalala izay ahasoa ahy ka apetrako eo
ambany fiahianao ny fianako ankehitriny sy ny hoavy ;amen!"
Rehefa avy nametraka ny fiainany teo am-pelatanan'An
driamanitra i Sariaka dia nandray ny findainy nandefa hafatra:"Antena
iko
fa salama vatana sy fanahy ianao eo am-pandraisana ity hafatro ity ary
izay ihany koa no faniriako ho anao hatrany,miala tsiny aho raha
niteraka fahasorenana ho anao ny fiarahana tamiko,fomba fijery tsy
nitovy ny antsika;mbola averiko aminao anefa fa tiko ianao;na izany aza
anefa tsy manery anao hiverina amiko aho satria ny fitiavana tsy azo
terena fa ny angatahiko aminao, aza iavonana aho eny e raha azonao atao
aoka tsy ho ravana ny finamana;veloma
mandra-pihaona ry malala tsy foiko nefa tsy ho ahy hoy ilay fo torotoro iray!"
I Dokotera Faby koa tsy nahavoaka ny trano iny alahady maraina
iny,tsy noho ny alahelo an'i Sariaka anefa fa nohon'ny harerahana ny
alina,"makafoka
" no
fitenin-jatovo ilazana azy.Tsy niala teo am-pandriana izy iny tapany
maraina iny ;ny feon'ny findainy naneno no nampisokatra kely ny
masony,tsy antso ilay izy fa hafatra.Nojeren
y
ny findainy vao hitany fa Sariaka no mpandefa ilay hafatra dia tsy
novakiny fa novonoiny ny findainy.Afaka 10minitra anefa dia
nieritraritra kely indray izy saody anefa mba hanaiky indray izy fa aleo
aloha vakina ihany izay lazainy ao fa sao hanenena eo, lasan-dry zalahy
eo ny entana raha vao ratsy tantana(ny entana koa mbola d'origine).
Nosokafana ny finday, novakiny ny hafatra,vao maika lagy i Dr Faby;ty
ve sipa mitapy e,namana a namana ,lety e sssh;sady novonoiny indray ny
findainy sao dia miantso eo iny kiala ratsy iny hoy izy an'eritreritra.
I Sariaka kosa ary maminanavina izay ho mety fihetsik'ity malalany
nandray ny hafany,ho faly ve izy sa ho tezitra. Niandriandry ihany izy
iny tontolo andro iny sao dia hisy valiny ny hafatra nalefany na koa mba
hiantso azy ity malalany tsy foiny nefa tsy nitempo fitiavana ho azy
mihintsy na dia 1 segaondra aza.
Ny alatsinainy dia tsy tonga nanao "stage" i Sariaka narary azy
mafy ny lohany nohon'ny torimaso tsy nisy efa in-droa alina sady tsy
mbola te ahita ny tavan'i Dr Faby izy. Te hankahala azy izy ,mety ny
sainy fa ny fony kosa manda fa tsy afaka kosehina fa efa voasoratra ao
anatin'ny diarim-pony i Faby.Tany am-piasana dia nanontany tena ihany i
Dokotera Faby ny anton'ny tsy nahatongavan'i Sariaka tany
am-piasana;mara
ry ve sa tsy
te ahita ny tavako?Raha marary anefa, tsy ho aty ve anefa no
andehanany?Toa mba niasa saina ingahy mpandidy;misy fo mitempo ve sa mba
vinany lasalasa fotsiny?
Lasa ny alatsinainy,tal
ata,
efa alarobia ny andro tsy mbola tonga nanao "stage" ihany i
Sariaka;gaga i Dr Faby fa misy inona ary hoy izy.Noraisiny ny findainy,
nantsoiny i Sariaka,tsy nisy nandray anefa ny antsony.Naverin
y fanindroany,fan
itelony vao nisy nandray.
-S:Allô!
-F:Allô,manahoa
na i Sariaka?
-S:Salama tompoko!
-F:Nanomboka oviana indray ity tompoko tompoko ity?
-S:Nanomboka ny nandaozanao ahy teny @ restaurant!
-F:Fa maninona ianao no tsy hary nanao "stage" efa telo andro androany izay?
-S:Ho inonao moa aho raha tsy anao "stage",angamba
efa samy manana ny lalantsika isika izao ka tsy hitako izay idiranao @
fiainako,izay tiko ihany io!?Izay fa maika hanao zavatra, veloma
ianao!Dia notapahiny ny antso.
Namerina niantso indray i Dokotera Faby.
-S:Fa mbola misy inona?Masiaka dia masiaka ny fiteniny.
-F:Mba te hanontany ny fahasalamano,sa
dy hamaly ny hafatrao t@ alahady iny dia ny mba hijanonantsika ho mpinamana foana na dia teo aza ny fisarahana.
-S:Voalohany indrindra dia salama tsara aho raha tinao ho fantatra;faharo
a
raha mikasika ny finamanana dia aleo faranana ihany koa,efa niezaka ny
nanadino anao aho ka efa sitrana ny foko,tsy te hikasikasika ny momba
anao intsony aho na ny anaranao aza efa nofafako tato anatin'ny
findaiko.
Teo imolotra fotsiny io tenin'i Sariaka io fa ny avy am-pony mila
tanteraka an'i Dokotera Faby izy.I Faby no izao tontolo izao aminy.Vao
avy nanapaka ny antso nataon'i Dr Faby izy dia namonjy teo ambony
fandriana sady nigogogo nitomany.Raha mba fantatra mantsy ry Faby fa
mila anao tokoa aho kanefa tsy maintsy tapahiko ny fifandraisana aminao
fa mety hahela sitrana ilay ratra ato anatiko.Tsy maintsy manadinono
anao aho ry Faby malala na dia tsy sitrako aza.
Tsy niala tao an-dohan'i Dr Faby indray i Sariaka,fitiava
na sa fitserana;tsy hay intsony, fa na izy tompony aza tsy mahafantatra izay tena ao am-pony.
Tsy nielingelina tany @ hôpitaly intsony i Sariaka,efa ho
herinandro izay,tsy te hifanena @ Dr Faby,tsy te hamoa fota-mandry
intsony, nifantoka tanteraka @ fanomanana ny "soutenance"-ny
izy;efa tratrany rahateo ny isan'ny fampiterahana notakina taminy mba ahafahany miroso @ "mémoire".Nanon
tany azy ny Nenitoany @ izao tsy fandehanany any @ "stage" izao sao dia hisy fiantraikany @ naotiny;nazavai
ny tsara fa tsy stage toy ny mahazatra intsony ny azy "fa stage de performance".Iz
any
hoe misy zavatra tina halalinina kely fotsiny ao,ka tsy misy fotoana
voafaritra be fa miankina @ fahatratrarana ny tanjona kendrena,efa azoko
anefa io hoy izy t@ i nenitoany fa tsy misy atahorana.Sady raha ny
marina dia herinandro sisa dia tapitra koa ilay telovolana nokasainy
hanaovana ny "stage" tao Marovoay.Nitodi
-doha
any Antananarivo tanteraka ny tovovavy;tsy tamana tao Marovoay intsony
izy fa noho i Nenitoany fotsiny sisa no hamitany ilay telovolana efa
napetraka tany amboalohany.Te hiova rivotra vaovao sy pejy vaovao
mihintsy izy,nefa zary diary tsy hay rovitina ao am-pony iny fandalovana
tany Marovoay iny.Tany no nampifoha ny fitiavany,tao ihany koa no
nahatsapany tena fahasambarany nefa nigohany ihany koa ny farany mangidy
tsy laitra atelina rehefa diso fiantefa ny fitiavany.
Nihezaka niantso an'i Sariaka foana i Dr Faby isan'andro nandritra
io fotoana tsy nahitana an'ity voalohany tany @ hôpitaly.Izay antso
natao tsy nisy nahazo azy.Nindrana findain'olona hafa izy fa sao dia dia
izaho no nataony "liste noire" hoy ingahy mpandidy anankam-po;nefa
i Kotozafy ihany no Alexis, tsy nisy nahazo ireny antso rehetra natao ireny.Tapa-kevi
tra
ny lehilahy fa hitsidika an'i Sariaka any an-trano fa te ahita azy, te
hiresaka aminy ny tena marina.Vao nanao haody izy dia i Nenitoan'i
Sariaka no nitsena azy teo am-bavahady.
-N:Ahoana ny anao izay Ramose ?
-F:Salama tompoko,i Dr Faby saika mba hitady an'i Ramatoakely Sariaka tompoko!
-N:Tsy eo izy Dr a, vao lasa novoaka any izy fa tsy haiko izay nalehany.
-F:Ary tsy misy laharana ahazoana azy ve fa ilay laharan'ny findainy nomeny anay iny toa tsy mandeha mihintsy.
-N:Tsisy tompoko fa iny ihany no fantatray.
-F:Eny ary tompoko fa hangata-dalana aho,mba lazao azy fa nitady azy
teto aho ary mba azony atao mba asaivo miantso ahy raha mba azony atao,
ity ny kaharako indraindray tsy misy any aminy...Misaotr
a mialoha tompoko!
-N:Matokisa ianao fa ataoko tsara lazaina any aminy izany.
Voatery nandainga i Nenitoan'i Sariaka,tao an-trano mihintsy i Sariaka
t@ io fotoana io ary henony mbamin'ny resaka nifanavan'izy roa fa resaka
vita lamina ny azy mianaka.Nalahel
o an-janany loatra i Nenitoa Rafara ka notanterahiny ny sitrapony sy izay rehetra nilainy raha izay no mba hanamaivamaivan
a ny fahorian-janany
.Efa
namohy ny olin-tiany i Ramatoa Rafara ka mahatsapa ny halehiben'ny
fahorian'i Sariaka saingy fitia lamban'akoho ny azy ireo ka faty no
nisarahany.Nano
mboka ny nahafaty ny vadiny dia namohy fo tantetaka ramatoa Rafara,ireo zanany roa sisa no anto-pivelomany
.Niontana
iray ihany ny fon'i Sariaka nahare ny feon'i Dr Faby;nony lasa ity
tiany nefa tsy tiany ho hita intsony dia tsy nahitan-teny izy tao
an-trano;lasala
sa indray ny vinaniny,mba inona ary hoy izy an'eritreritra .Efa fantan'i Ramatoa Rafara ny fahorin-janany,
ka nanao resaka mampomehy sy mahatsikaky izy tao an-trano dia nisinda
kely indray ny raho-mainty nanaloka an'ity tovovavy resim-pitiavana
.
Nosimbatin'i Sariaka tanteraka mihintsy ny "puce"-ny misy ny
laharana finday ahanfantaran'i Dr Faby azy, izany no tsy nazahoana antso
azy intsony.I Dr Faby kosa mbola niandry sy nanantena fa tsy maintsy
mbola hiantso i Sariaka satria efa nanome laharana an'i Ramatoa Rafara
izy;mbola entin'ny fo ranomafana fotsiny iny hoy izy an'eritreritra fa
tsy maintsy mbola hitady ahy eo rehefa tonitony ny alahelony;tsapa
ny loatra mantsy ny fitiavan'i Sariaka azy.
Nandeha ihany anefa ny fotoana efa ho 2 herinandro no lasa, tsy hary niantso, tsy hary hita i Sariaka;nanombo
ka
niahiahy an'eritreritra i Dr Faby mety misy "bandy" hafa mahavarina azy
kosa angamba any?Nefa dia ho vitany ve ny hanadino ahy ao anatin'ny
fotoana fohy;raha zavatra nataoko azy kosa ve tsy ampy hanamora ny
fanadinony ahy? Ireo indray no fanontaniana nipetraka tao
an-tsainy,nanap
a-kevitra
ary ingahy mpandidy fa hitsidika an' Sariaka any an-trano indray ny
alahady hariva ho avy fa izay izy no manana fotoana malalaka
ahafantarany izay zava-misy marina.Mbola alakamisy anefa ny andro @ izao
fotoana mampanembonembo
na azy izao;toa nahatsapa nisy fitiavana kely an'i Sariaka ny tenany,nanenina
ny fihetsika nataony izy.
Ny ampitson'iny dia tsy nampohizin'i Dr Faby ny zavatra niseho,tonga tany am-piasana i Sariaka t@ 3ora tolakandro,akor
y
ny hafaliany raha nahatazana azy;efa nisinda angamba ny alahelony ka
handeha hiresaka amiko @ izay izy.Nandroso tao @ biraony tokoa i
Sariaka.
-S:Manahoana Dokotera?
-F:Salama tsara fa i Sariaka no manao ahoana;voaraina
o ve ny hafatra napetrako t@ nenitoanao,nian
tso anao foana aho mantsy fa tsy tratra antso ianao!?
-S:Azafady Dr fa resaka asa no ahatongavako eto, miangavy anao aho tsy
hanisy resaka ny momba antsika;hanao veloma anao aho toy ireo mpiasa
rehetra t@ fandraisanareo ahy sy ny fanampiana t@ "stage" nataoko;efa
hody rahampitso ka izay no nahatongavako aty hanao veloma anareo
rehetra!
-S:Sariaka a,dia ahoana ny amintsika?
-S:Efa nofarananao iny Faby a,aza fohazina intsony ny fota-mandry;fit
ia diso fiantefa ny ahy ka nampihononoko miandry izay tena mila azy indray izy vao fohaziko!
-F:Sariaka a ,mifona aminao aho, tena tsy nety ny nataoko, teneno izay tinao ataoko fa ho tanterahiko,mil
a anao aho ;izao vao tsapako fa tia anao aho!
-S:Voaray ny fifonanao Andriamatoa, tsy manana alahelo na kely aminao
aho, ny fitiavana tsy raikitra tsy atao haharatsy fihavanana ;kanefa
raha tena tia ahy marina ianao dia aza alainao fanahy intsony, efa
manomboka manakom-pery ilay ratram-poko noho ianao dia aza tohininy
indray fa mety ratsy kokoa nohon'ny teo aloha no ho vokany;fantatra
o tsara fa tia anao fa ny fitiavanao kosa no tsy mendrika ahy,ka noho izany avelao aho sy ratram-poko.Ino
ako
fa ho sitrana tsikelikely eny ihany aho rehefa mandeha ny
fotoana;veloma ianao ry tsy foiko nefa tsy natao ho ahy!Sady nilatsaka
ny ranomasony no nitsangana handeha izy.
Nosintonin'i Faby haingana ny tanany.
-F:Sariaka a,ifonana aky a,izaho no tsy mendrika ny fitiavanao;nent
in'ny
fitiavantena aho ka nanao tsinontsinona ilay fitiavana sarobidy
natolotrao ahy,raha sitrakao dia mamela ahy ianao hanonitra ny
fahadisoako ka hanome izay tsara indrindra ato amiko ihany koa!
-S:Efa tsy mety ry Faby a,efa nidinao ny varavaran'ny foko,fitiavana tsy misy pentina no natolotro fa nolavinao,ankeh
itriny efa mibanjina ny hoaviko aho ka aza helingeleninao intsony ny saiko.
-F:Eny e,ekeko fa mbola marary ny fonao,omeko fotoana ianao hisainana;tsaro
vy fa misy fo iray mitempo ho anao aty,ny angatahiko aminao mba omeo ny laharan'ny findainao aho mba ahafahako miresaka aminao.
-S:Tsy manana laharana omena anao aho,sady adinoy aho sy ny fitiavako fa tsy hahasoa anao.Dia lasa izy nivoaka ny varavarana.
Nanjombona ho azy roa iny faran'ny herinandro iny.Nanaingy ho any
Antananarivo ny fiara nitondra an'i Sariaka,natao veloma i Marovoay ilay
tanana nametraka fahatsiarovana ho azy teo @ sehatry ny fitiavana;teny
an-dalana dia tsiahy ny fiarahan'izy sy Dr Faby no sary nameno ny
lohany.
I Dr Faby kosa toa nalain-daina,ts
y nisy nanjary ny zavatra nataony,nahatsi
aro ho nisy banga ny fiainany.Na ny mpiara-miasa aza nifampitakorots
ika fa niovabe ny fihetsik'ingahy
mpandidy,tsy nahitan-teny firy, tsy hita intsony ilay tsikitsiky sy
sangisangy fanaony;nisy inona ary hoy izy ireo nifanontany?Tsy
nisy nahalala ny fiainany moa raha tsy i Dr Johnny ;nontantarainy
an'ity namany ity indray ny resaka nifanaovany t@ i Sariaka sy ny
alahelony an'ity ondry botry natositosiny teo aloha.Eh,raiki-
pitia
ela zany hoy i Dr Johnny nanaraby azy,ka iny ve tsy efa lasan'ny bandy
vao tonga tany;raha fitiavana no nandratra azy dia tsy maintsy fitiavana
koa no hahasitrana azy.Aza mandatsa letsy a,teny fampihononana no
ilaina amin'ela izao @ maha namana fa tsy hamendrofendro indray.Eny ary
Rafaby a,mahaiza mihonona e,raha sipa iray no tsy tia, mihinana varin'i
Marovoay hatavy!Tssssh lety e,mbola hanihany ihany ve lesy no
ataon'ela,tena efa resaka matotra anie no resahiko an'ela;tsy mbola
nahatsiaro nitempo fitiavana t@ vehivavy aho raha tsy indray mitoraka
ity.Tsy tena nampino an'i Dr Johnny ny rediredin'ity namany satria maro
loatra ny vehivavy tsara sy manja nolalaoviny nefa tsisy nasiany sira
;ka ity Sariaka izay tsy dia mankaiza ity ve no hampivadika ati-doha
azy?Ny dobo tsy hita ihany anga no maha manina azy,na dia izaho tsy
mahazaka sipa ity aza tsy mba tara @ i Sariaka hoy i Dr Johnny
an'eritreritra
Nikisaka teny ny andro sy ny alina,feno iray volana no nandaozan'i
Sariaka ny tananan'i Marovoay,efa nisindasinda kely ny fahoriany;varia
na tamin'ny fanomanana ny bokiny koa izy ka verivery dia.
I Dokotera Faby no nanjary nanembonembona isan'andro;tsy niala tao
ambany ondany ny sarin'i Sariaka fa nisy sary nomen'ity farany fony izy
ireo mbola nilamina.Io sary io no maty horoka sy iresahany irery tao
an-trano.Indrai
ndray
dia mihezaka hanadino an'i Sariaka ka te hiverina @ maha Faby mpilalao
vehivavy nefa tsy nahatsiaro sambatra izy fa vao mipetra-drery dia lasa
ilay vinany tsy hay fefena hamoha ny fahatsiarovana an'i Sariaka.Nanjary
fantan'ny mpiara-miasa rehetra io fitiavan'i Dr Faby an'ity zanak'i
Tsaratanana ity satria tsy tahotra sy henatra mihintsy izy no milaza @
izy ireo fa ngôma an'i Sariaka izy. Tsy nampino ny be sy ny maro izany
t@ voalohany kanefa raha nahita ny fihetsiny izy ireo taty aoriana kely
dia resy lahatra saingy betsaka no nieritreritra fa hazon'ody i Dr Faby
fa tsy tena nahim-pony izany.
Izany tokoa ve ny tena marina?Mba lazao ao @ commentaire ny vinavinantsika mpamaky.Mankasitrak
a mialoha!
MBOLA HITOHY.....