lundi 18 mars 2019

Ratsimbason Mattania (TANIA)


Fandraharahana : Ratsimbason Mattania antsoina hoe #Tania. Tanora vao 26 taona monina any Moramanga nisafidy ny handraharaha amin'ny sehatry ny fampianarana. Nanokatra sekoly tany izy efa-bolana lasa izay (izany hoe tamin'ity taom-pianarana ity) ary dia vetivety dia feno ny toerana, nahatratra 350 sahady ny isan'ny mpianatra. 9000 ar ny saram-pianarana sady misy "activités" hafa azo atao, raha ny tiany aza dia hatao maimaimpoana ny fampianarana saingy noho ny fandaniana avy amin'ny hofan-trano sy ny karaman'ny mpampianatra dia tsy maintsy nasiana sarany.
Nianatra teny anglisy sy fahaiza-mitarika no tena fianarana nifantohany ka nataony lohalaharana ny fianarana ny teny anglisy ao amin'ny sekoliny. Ary ny tsy hoan'ny ankizy ihany fa na ny ray aman-dreny koa aza dia omeny fampiofanana teny anglisy sy teny frantsay maimaimpoana.
Nandalo fahasahiranana mafy izy tamin'ny fahakeliny, vao maika nampihezaka azy nefa izany, nisy fotoana sady mianatra izy no miasa mba andoavany ny saram-pianarany. Noho izany zavatra niainany izany dia tena tiany ny mizara sy manampy ny hafa. Amin'ireo mpianatra ao aminy moa dia misy ireo iantohany ny momba ny fianarany. Nahazo voalohany ny mpianatra tao aminy tamin'ny fifaninanana soratononina nokarakarain'ny Alliance française ary faharoa tamin'ny carnaval.
Manampy azy betsaka ny ray aman-dreniny amin'ny toro-hevitra ary ireo tampo amin'ny asa. Rehefa ny fitiavana no mibaiko dia nihoatra ny tokony natao ny ezaka vita ary rehefa ao anaty ny fitiavana hanabe dia tsy ny tombontsoa manokana intsony no mibaiko hanao ny asa fa ny tombontsoan'ny mpianatra. Tohizo ny lalana #Tania.