jeudi 21 mars 2019

"HERIN'NY FITIAVANA VE SA ODY FITIA?" (Tohiny sady farany)


Tsy nahatsindry ny herim-pitiavana ny lehilahy ka tapa-kevitra fa hitady an'i Sariaka any Antananarivo handeha hifona sy hilela-paladia.Tsy nanano sarotra taminy ny nahita an'i Sariaka satria efa hazony t@ ireny fiarahan'izy roa ireny ny adiresy misy ny fianaran'i Sariaka sy ny fonenany.Tany am-pianarana no nalehany hitadiavana azy;nandrasany teo am-bavahadin'ny Sekoly,tsy fantany izay lera firavany fa nanomboka t@ 9 maraina izy no niandry teo.T@ 12ora atoandro vao iny fa tazany nivoaka ny sekoly miaraka @ namany roa vavy, avy dia nosakanany izy ireo.
-F:Manahoana ianareo?
Taitra tampoka i Sariaka, tsy nampohiziny mihintsy ny zavatra hitan'ny masony,manonofy ve aho hoy izy anakam-po.
-S:Dokotera,fa manao inona aty ianao?
-F:Hitady anao aho!
Nanao veloma an'i Sariaka ireto namany fa fantany t@ fihetsiny fa misy zavatra tsy mazavazava ny azy roa ireto.
-S:Hitady ahy @ ahoana?Fa misy inona?
-F:Hitady anao mba hifonako,mila anao aho ry Sariaka a,babonao tantera ny foko

-S:Faby a,aza helingeleninao intsony ny saiko,efa 2 herinandro sisa dia hanao ny "soutenance "-ko,ka miangavy anao aho raha mba misy fitserana kely ihany ao anatinao ao mba hanalavitra ahy.
-F:Fitiavana no ato anatiko ry Sariaka fa tsy fitserana a;inona no tinao ataoko, andohalika eto anatrehanao dia hikikika sy hivazavaza hilaza ny fitiavako anao mba ho ren'ny tany aman-danitra?
-S:Izao ary, raha tia ahy marina ianao dia iangaviako ianao tsy hanantonanto ahy mihintsy,tsy hanao hitan'ny masoko ny tena marina mandra-pahavitan'ny "soutenance "-ko, ity no daty anaovana azy(nosoratany t@ taratasy kely dia nomeny azy);dia ny ampitson'io @ 10 ora atoandro eto ny fotoanantsika vonona ny hihaino ny resakao aho na ho ronono an-tavy io na ho kobaka am-bava,izao aloha aleo aho handeha fa mbola maro ny pitsopipitson-javatra halamiko.
-F:Misaotra aky Sariaka a,matokisa fa ho tanterahiko an-tsakany sy an-davany izany;izay tia mahandry,mivavaka ho anao aho mba ho vita soa aman-tsara ny soutenance-nao

Nameno fanantenana an'i Dr Faby ny faneken'i Sariaka aminy rehefa vita ny fianarany,matoa hoy izy nanaiky hiresaka amiko indray dia mbola hafaka ny handrombaka ny fitiavany ;vonona ny hambabo azy ihany koa aho mba ahatsapany hoe tena fitiavana izao atolotro azy izay fa tsy ilay fanirian-dtatsiko taloha.Nitodi-doha ho any Marovoay izy mandra-pahatongan'ny fotoana nomen'i Sariaka aminy;ny asa tsy azo atao ambanin-javatra.Niverina t@ laoniny ny fiainan' Ingahy mpadidy,ny sangisangy sy ny tsikitsiky tao am-piasana, ny rendrarendra t@ vehivavy.Nandeha nikopo-tena angamba no nandehanany tany an-tananarivo hoy ny takoritsiky ny mpiara-miasa sasany tao am-piasana.Tena mahery fanafody ilay tovovavin'i Tsaratanana ka,hoy ny hafa;tratran'ny fanainga lavitra ka tsy nahatsindry tsihy i Dr Faby.

Nanisa andro nanisa alina i Dr Faby niandry ny fotoana nomen'i Sariaka azy,hitany ho nikisaka ny lera sy ny andro;nanomana fanomezana izy hatolony ilay mpanjakavavin'ny fony raha vao tonga any Antananarivo izy,raha ny sitrapony dia ny andro namoahana an'i Sariaka mihintsy no tiny hanolorana azy nefa nitazona ny teny nomeny izy dia ny tsy hanelingelenany ity farany raha tsy ampitson'io andro malaza io.Efa vita fono avy aty Marovoay mihintsy ilay fanomezana;tsy mbola nanome fanomezana vehivavy afa-tsy i reniny i Dr Faby raha tsy izao.Ary mino izy fa hahafaly ilay olon-tiny ity fanomezana izay vokatry ny fo fa tsy haitraitra akory.Fitaovana ampiasaina @ fampitetahana(boite d'accouchement) no voafona fonosana mavokely feno sary voninkazo,toa manome taratra sahady fa voninkazo mahafatifaty mila kolokoloina koa no hotolorana azy.
Tonga ary ilay fotoana hihaonana

Tsy tonga dia nandeha teo @ ilay toerana nifanomezana i Dr Faby fa nisintaka alavi-davitra nijery ny fahatongavan'i Sariaka sy ny fihetsiny.Mbola antsasakadiny talohan'ny lera nifanomezana izy dia efa teny;nidobodoboka ny fony ,ho tonga ve sa tsy ho tonga ?Nipaika ny @ 10 ora, tsy mbola nisy olona nieloelo teo @ ilay toerana,lasa ny 5 minitra ...10minitra...15minitra,tsy mbola tonga ihany i Sariaka. Nanomboka kivy ny lehilahy,nitanondrika izy,tena efa hadinon'i Sariaka marina aho.Tsy nety nanaiky mihintsy anefa ny sainy hoe tena vita ny momba azy roa;nitraka kely indray hitazana ilay toerana.Hakory ny hatairany fa io Sariaka mijoro eo,mierikerika angamba mieritreritra koa fa tena tsy tonga ity olona milaza fa hanarina ny fahadisoany.
Nanantona moramora i Dokotera Faby dia nihodina avy any aorian'i Sariaka.
-F:Azafady "mademoiselle",misy olona andrasana anga?
-S:Aiiy,Faby koa manaitra a,angamba raha nanana anaka aho dia ho afa-jaza tampoka teo,ary noheveriko fa tsy ho tonga anie ee ?

-F:Efa elabe ary aho no tonga fa niandry tery lavidavitra tery nijery ny fahatongavanao;manahoana aloha Sariaka e,nanao ahoana ny "soutenance "-nao omaly?
-S:Salama tsara aho ry Faby a,ny "soutenance "vita soamantsara sady nahafinaritra,notronon'ireo havana aman-tsakaiza;falibe aho!
-F:Sambatra aho aky rehefa faly ianao a,sady mahafatifaty be mihintsy ny endrikao rehefa mitsiky;ity no fanomezana ho an-dry zavatra kely izy iny fa vokatry ny fo.
-S:Misaotra,fa inona izy izany ry Faby no toa mavesatra be?
-F:Aleo mba "surprise" ho an-dry kosa ny ao anatiny;inoko kosa fa ho tinao ilay izy,rehefa any an-trano ianao vao mba manokatra azy.
-S:Eny ary e,izaho koa tsy mifidy fa rehefa natao t@ fo ilay izy dia raisiko am-pifaliana.
Nahatsiaro sambatra tokoa i Dr Faby tamin'io fotoana io,tsy mbola nahatsiaro ho latsa-pitiavana toy izany izy teo @ fiainany.Nientanentana aok'izany ny fony,nambabo azy avokoa izay hitany teny @ i Sariaka,ny fitsikiny,ny fiteny malefaka toa tso-drivotra mamelon'aina, izato endrika amam-bika tsy lazaina intsony ao anatin'ilay akanjo tohitena manara-batana nefa lava sy maontina midorehitra mena toa mariky ny fanantenana.Saika very aho hoy izy anakampo,raha lasan'olon-kafa teo Sariaka;izany ka zana-javatra marina!

-F:Andao @ izay ary hamonjy toerana ahafahana miresaka tsara,izay toerana tin-dry fa anjarako no miantoka ny fandaniana rehetra.
-S:Faby a,aza misahirana @ izany ianao fa izay toera tsotsotra ahafahantsika miresaka milamina fotsiny,ianao izany no manasa dia ianao no mitarika.Izaho tsy mila isahirananabe fa na dia ranom-boakazo iray vera dia ampy ho ahy, ny hiresahantsika no zava-dehibe.
-F:Tsy fahasahiranana ho ahy aky ny mikarakara sy ny manao ny maha-sambatra anao a,zavatra efa tokony nataoko elabe izany fa izaho no tia tena,ankehitriny kosa aho ny segaondra sy minitra maha eo anilako anao tsy ataoko very maina fa hanomezako izay tsara indrindra avy aty amiko!Ka rehefa tsy hisafidy toerana ianao dia andao fa tsy avelavelantsika @ izao fotsiny izany nahazoanao mari-pahaizana "sage-femme diplômée d'État" izany.
Niondrana tao anatin'ny fiaran'i Dokotera izy ireo dia lasa namonjy "restaurant" iray teny Antanimena.Niverina tao an-dohan'i Sariaka avokoa ny zavatra niainany tany Marovoay,dia sanatria ve hoy izy an'eritreritra dia mbola ho toy ireny ihany no hiafaran'ny tantaranay,tena manenina marina ve izy sa fahataitairana miserana fotsiny izao?Ireo no fanontaniana nibosesika tao an-dohany teo am-pisakafoanana;mila mailo ndry ry Sariaka fa tsy misy tandroka ny ratsy.Vita ny sakafo dia nandray ny fitenenana i Sariaka.
-S:Eny ary ry Faby a,inona @ izay ny zavatra tinao resahina amiko fa vonona ny hihaino aho,fa ny angatahiko aminao aza asiana fihatsarambelatsihy,izay tena ao am-ponao lazaina.
-F:Misaotra aky Sariaka a,mbola nanaiky hihaino ahy,raha ny heloka vitako taminao dia tsy mendri-pamelana.Ny resaka tiako tenenina aminao dia te hamerina ny fiarahantsika aho raha sitrakao;mampanantena aho fa Faby vaovao no ho hitanao,Faby vonona hanolotra fitiavana fa tsy mitady tolorana foana toy ny teo aloha.
-S:Faby a,mbola i Sariaka sy ny fitiavany no manoloana anao,efa ny vokatry ny foko no natolotro anao fony isika tany Marovoay ary tsy sangisangy ny ahy raha niteny taminao hoe:tsy mbola nitia olona aho ary tsy mieritreritra hitia olon-kafa hafa-tsy ianao!Tiko ianao ry Faby ary tiko ho ahy mandrakizay.Ka raha manontany ny hevitro ianao @ hamerenana ny lasantsika dia manaiky aho kanefa mbola averiko etoana fa tsy manolotra ny vatako anao aho raha tsy ao anatin'ny tokan-trano ara-dalana eo anatrehan'Andriamanitra sy ny fanjakana.Ka raha tsy mety aminao izay dia aleo tsy atomboka fa tsy ho zakako ny hiaina zavatra fanindroany toy ireny.
-F:Matokisa aky Sariaka,manomboka eto dia tsy hanao izay hampahory an-dry aho ;izay hahasambatra anao no faniriko,eny fa nadia hamoizako ny aiko ka izay no takina mba hahatanteraka izany dia ekeko tsotra izao.
-S:Tsotra no mahasambatra ahy Faby a,dia ny tiavinao @ fo sy fanahy tsy misy fitaka.

-F:Sariaka a,fa maninona raha atao ary ny raharahantsika,@ izay dia ho eo anilako mandrakariva ianao,tsy misy zavatra mankana antsika intsony ,ny fianaranao efa vita,ny fontsika efa mitempo iray!?
-F:Tsy mety izany Faby a,tsy kilalao akory ny fanambafiana ka mila fahavonona tsara.Ny tokantrano tsy mafy fototra dia mora ravan'ny tso-drivotry ny fiainana,aleo aloha hifankahalala tsara isika vao efa-bolana no nifankahitantsika ka sao dia taitatra fotsiny ka rehefa tonga ao vao hanenina.
-F:Tsy matoky ny fitiavako izany ny malako,sa ny fitiavanao ahy no efa nihena ka misalasala ianao?Efa nohenoiko tsara ny foko efa nalaiko ambony nalaiko ambany fa ny eo akaikinao no tiko handaniana ny andro sisa iainako!Ianao sisa no erany ry malala ny ahy efa tsy misy hisalasalana intsony.
-S:Eny e,satriko dia satriko tokoa na androany androany aza dia hivady isika nefa ny fanambadiana mila tso-drano;na izaho nanao fotoana aminao izao aza dia nasitriko ny fianakaviana rehetra satria raha fantan'i nenitoa Rafara izao dia izy mihintsy no hitsangana hanakana ny fiarahantsika sy hanaratsy anao eo imason'i Dada sy Neny. Hitany loatra ny fahoriako tany Marovoay ireny niaraka nalahelo tamiko izy,naratra koa ny fony nahita an-janany torotoro fo.Izany no mahatonga ahy mangataka aminao aleo hifampizaha toetra isika, handresy lahatra ny rehetra fa mpifankatia marina isika.

F:Ao an-trano daholo izany i Nenitoa Rafara sy ny Ray aman-dreninao @ izao fotoana izao?
-S:Ie, ao daholo izy ireo miaraka @ zokiko lahy roa,nanatrika ny famoahana ahy avokoa izy ireo,saika tsy navelan'izy ireo hivoaka mihintsy aza ao raha tsy nandainga kely nilaza fa misy mpampianatra anay tsy salama ka tsy afaka nanatrika ny fivoahako dia mba handeha hamangy sy hanao veloma azy aho satria hanainga hiaraka @ Dada sy i Neny any Tsaratanana aho afakampitso.
-F:Ka maninona ry Sariaka,satria efa eo avokoa ny fianakavianao ka handeha ho any aminareo aho dia atao ny fifamofontsika @ izay mba afaka mifanerasera malalaka isika,mba angatahiko @ izy ireo ianao mba hipetraka kely any amiko.
-S:Tsy mety hoy aho Faby a,tsy hankasitraka ny fiarahantsika mihintsy i Nenitoa Rafara dia hanimba zavatra izany.Aza matahotra ianao fa na mbola tsy misy zavatra mampifamatotra antsika aza dia mafy horina ny fitoavako, tsy misy hafaka handrombaka izany intsony raha tsy ianao.Asa ianao mihintsy anga no manilika ahy @ izay fotoana izay mety homeko izay tena mila azy izy.
-F:Eny ary aky a,izay tia mahandry e,nefa aza atao ela loatra fa sasa-miandry ity fo keliko mila anao.
-S:Efa vita lahatra ny fandahara-potoanako,afakampitso tsy maintsy mandeha mody miaraka @ Dada sy i Neny;iray volana eo ho eo aho no any dia mandeha any Marovoay indray any @ Nenitia dia any indray isika no mihaona.

Tsy dia hazohazon'i Dr Faby ny fandahaha-potoana nataon'i Sariaka fa nanaiky tsy satry izy fa efa nihaniana fa hanao ny sitrapon'ity malalany,ny tena koa moa vao avy nanao fahadisoana ka tsy hafaka ny haneno sao dia hanimba zavatra.Hatreto dia i Sariaka no tompon'ny teny farany @ izay hatao nanara-kefa fotsiny ny lehilahy.Nifarana teo ary iny fiarahana iny,afaka 1volana izany vao mety hihaona indray izy ireo raha tonga any Marovoay i Sariaka.Mafy tamin'i Dr Faby io fisarahana io,andro iray monja no mba nahitany fahasambarana teo anilan'ilay malalany dia ho sarahin'ny elanelan-tany sahady.
Isan'andro dia miantso an'i Sariaka @ finday foana i Dokotera Faby,nanokana adiny 1 isan'andro izy iresahana sy ifampizarana vaovao @ ity malalany.Nandritra ny herinandro dia tsy nisy ny olana, teny mamy sy lokalokam-pitia hatrany no votoatin-dresak'izy ireo.
Tampotampoka teo anefa dia tsy tratra antso intsony i Sariaka,1andro ,2andro...3andro,tsy nahita tory i Dokotera fa misy inona ary?Tsy nandry ny sainy ka lasa izy nanantona an'i Ramatoa Rafara,hanontany ny antony tsy azahoana an'i Sariaka @ antso ataony.Nony tonga tany anefa izy dia nolazain'i Ramatoa Rafara fa very tamin'izy niverina avy namonjy ny fivoahan'i Sariaka iny ny findainy ka tsy hary nifandray t@ izy ireo t@ finday;izaho aza hoy izy mbola saika handalo any aminao sao dia mba misy laharany any aminao mba ahafahako miantso azy.Efa nahazo finday aho mantsy fa ny laharan'ny findain'izy ireo very niaraka @ ilay "puce".

Lasa ihany ny fito andro tsy re maty, tsy re velona i Sariaka.Halahelo, hembona,hanina izany no nameno ny tontolom-piainan'i Dr Faby,tsy misy hazony hatao mantsy,fa ny asa nampiandraketin'ny fanjakana tsy maintsy tanterahana;nihomana haka"congé"ary izy dia handeha ho any Tsaratanana hitady an'i Sariaka.Azo ary ny "congé",herinandro no nalainy;eo am-panoronana ny lamba ho entiny handeha izy no naneno ny findainy,hafatra ilay izy. Akory ny hatairany raha nahita fa i Sariaka ilay mpandefa hafatra;namonjy nipetraka haingana hamaky ilay hafatra.Toy izao ny vakin'ilay hafatra:"Antenaiko fa salama tsara ianao eo am-pamakiana ny hafatro,mety gagagaga ianao hoe naninona no tsy azo antso aho nandritra izay herinandro izay;niniako novonoina mihintsy ny findaiko dia nandinika ny fitiavako aho, nihaino ny foko dia izao no vokany, tsy afaka ny hiara-dalana aminao aho;adinoy izaho sy ny fitiavako fa tsy hahasambatra anao,efa nisy olona iray nihezaka nanasitrana ilay ratram-poko fony isika nisaraka ireny ka inoako fa izy no mendrika ny handrombaka ilay tena fitiavako.Mitso-drano anao hahita olona iray hampiadana anao;mamela ahy ianao raha sahalan'ny namitaka anao aho ,izany angamba no lahatra tsy natao hiara-dalana isika hoy i Sariaka ilay tovovavy tsy ampahafirin'ny tsara sy manja akory!"
Tonga dia nivalaketraka tsy nahetsika teo @ toerany izy,nangidy taminy loatra ny valin-kafatra nataon'i Sariaka taminy,sady sosotra izy no nalahelo;taranaka menarana marina hoy izy niteny irery,navelany tafiditra tanteraka aho izay vao nasehony ny rambony sy tandrony.
Nandray ny findainy izy hiantso angataka fanazavava bebe kokoa @ izao fiovana tampoka izao nefa efa novonoin'i Sariaka indray ny findainy;vao may rombotra ny lehilahy nefa tsisy azo atao;izany tokoa angamba ny hoe ny todim-pitia manodiava?

Eo indray ary e,ho antsika mpamaky mety hanao ahoana re ny tohin'ny tantara? Manome tsiny an'i Sariaka ve ianao sa manome rariny azy?
Ho antsika haneho hevitra dia ao @ "commentaire";mankasitraka mialoha!



Toa tsy nino ny zava-nisy i Dr Faby,tsy nety manaiky ny sainy hoe tena vita ny momba azy sy Sariaka;sao dia mba olona misompatra fotsiny te hanimba ny fiarahanay.Nanapa-kevitra izy fa tsy maintsy ho any Tsaratanana mba ahafantarana ny tena marina tsara;raha tsy ny vavan'i Sariaka no miteny ahy eo imasoko fa tsy tia ahy izy dia tsy hihonona aho.Mba hahamoramora ny dia, dia nitondra fiara ny lehilahy niala t@ 8 ora maraina izy,honjohonjony irery no namaky ny lohasaha manginabe iny,tany tsy mbola nodiavin'ny tongony raha i Tsaratanana ,tsy misy olom-pantany ihany koa hafa-tsy i Sariaka izay handeha hotadiaviny.T@ 4ora tolakandro no nigadona tao Tsaratanana ny fiaran'i Dr Faby,nidobodoboka mafy ihany ny fony, inona marina ny zavatra mety hiseho.
Tsy nanahirana loatra ny nitady ny tranon'ny Ray aman-dRenin'i Sariaka satria efa nolazain'ity farany taminy ny mombamomba azy ireo, ny tanana koa kely rahateo.I dadan'i Sariaka no tratran'i Dr Faby tao an-tranon'izy ireo.
-F:Aody ô!
-D:Mandroso tompoko ô!Mandroso dia mahazoa toerana!
-F:Misaotra tompoko,miala tsiny ramose raha manelingelina @ izao andro takariva izao,izaho no Dr Fabrice, miasa any Marovoay any,mpinamanabe izaho sy Sariaka fony izy nanao "stage" tany ka nisy zavatra nataoko taty dia te hanararaotra mba hitsidika azy aho.
-D:Faly mahafantatra Dr,tongasoa aty aminay;fa ny indro kely dia tsy eo i Sariaka fa nisy "dossier" nokarakarainy any Antananarivo avy eo mamantana any Antsohihy izy fa any ny zokiny lahimatoa no miasa dia hakahaka rivotra kely any izy.

Vaky ny lohan'i Dr Faby, inona ary no tena zava-misy marina hoy izy nametra-pnontaniana t@ tenany sa kosa efa tetika iraisan'izy mianakavy mba hamaliana faty ahy;misy zavatra tsy mazavazava mantsy.Aleo hametrahako fanontaniana hatrany sao dia mba hampivoaka ny marina izany.
-F:Ary sao dia mba misy laharana ahazoana azy fa very mantsy ny findaiko nisy ilay laharany nananako.
Nanome laharana i Dadan'i Sariaka tampoka nojeren'i Dr Faby dia ilay laharana efa anahany fa tsy azo antso io nomena azy io.Lany fanahy mbola velona ny lehilahy,ny henatra sy ny maha-olon-dehibe azy no tsy nahalatsaka ny tomaniny.
-F:Ary henoko fa efa manana fofom-dady hono izy, izany no henoko noresahan'ireo mpiara-miasa aminay fony niresaka ny fahavitan'ny fianarany izahay;tena tsy foin'ny mpiasa tany avokoa mantsy izy iny fa olona tsotra sy mitsikitsiky lava ary manaja olona!?
-D:Tena tsy mbola nampahafantariny anay izany anaka raha misy,tsy mbola nisy olona iray mba nampahafantariny anay na indray mandeha aza;fianarana hatrany no resany ato an-trano rehefa tonga aty aminay aty izy,mino aho raha misy izany mbola zavatra tsy matotra,tsy manitri-javatra aminay raha iny vavitokanay iny.Eny e,mety misy olona miaraka aminy any efa olon-dehibe koa izy ka tsy maintsy mba mieritreritra ny hoaviny fa ny hoe fofom-bady tsy maintsy efa fantatray Ray aman-dReny raha nisy izany.
Nangata-dalana ary i Dr Faby fa any @ hôtely izy no natory iny alina iny;mba maivamaivana anefa ny adin-tsainy raha nahare fa tsy mbola manana fofom-bady ity tovovavy tiny ho ravaky ny tokantranony.Tena mba ohatran'ny olona matotrabe mantsy ny fahitany ity Dadan'i Sariaka ka mety tsy handainga @ toe-javatra toy izany.

Nandry alina iray tao Tsaratanana i Dr Faby dia nanainga marainabe ho any Analalava hamangy fianakaviana no hany hevitra nitsiry tao an-tsainy handaniany ilay "congé" herinandro,mbola any mantsy Reniny sy ilay zokiny narahiny miaraka @ vady aman-janany.Tsy tonga dia nivantana tany Analalava anefa izy fa nandry 2 alina teo Antsohihy hijerijery an'i Sariaka .Tsy nisy vokany anefa ny hezaka natao hatreto.
Faha 4andron'ny "congé"-ny no nigadona tao Analalava izy;gagagaga ny Reniny sy ny zokiny fa tampotampoka ny fahatongavany,hatramin'izay mbola herinandro tsy ahatongavany dia efa miantso izy;fa misy inona ary hoy izy ireo nifanontany!?
-R:Faby a,fa misy inona no tonga tampotampoka;hatramin'izay ianao mampilaza mialoha foana rehefa hamangy anay?
-F:Tsy misy n'inoninona Mama a,fa nahazo andro vitsivitsy tsy hiasana fotsiny aho dia nanapa-kevitra namangy anareo;sa tsy mahafaly an'i Mama izany?
-R:Tena faly dia faly tokoa aho anaka fa manahy fotsiny sao dia misy olana ianao any @ fiasanao any sady ianao ity toa mahia tsy ohatran'ny nahitako anao farany;teneno amiko anaka fa na bado sy mahantra Reninao dia manankarem-pitiavana;zarao amiko ny olanao fa vonona ny hiaino ny zanako aho!Ianao anie Faby no faralahiko e,sady mbola tsy manambady,ireo zokinao efa manana ny vadiny afaka ifampizarany ny fifaliany sy ny fahoriany fa ianao mbola tokana;zarao @ Mama raha misy ny manahirana!
Ontsa ny fon'i Faby nandre ny tambitamby sy teny mamy nataon'ity kitapo nifonosana.Hafa ihany mantsy i Neny, eo foana izy na mamy na ngidy;ny tanjony dia ny hahasambatra ny zanany.

Tsy te hampalahelo an-dreniny i Dr Faby dia nanitrika ny alahelony,nolazainy fa ny asa no mafy ka mampahia azy,ary ny antony tsy nilazany ny fanatongavany dia mba te hanao "surprise" hono izy.Ny fihetsik'i Dr Faby anefa dia nampiahiahy an-dReniny,tsy mahinan-kanina firy,varimbariana lava,tsy ahitan-teny firy.Zaza notazainy sy nokolokoloiny i Faby ka fantany ny fiasan-doha tsotra sy ny ny halahelo eny @ endriny.
-R:Faby a,reninao aho aza anitrianao izay mahazo anao,marary ve ianao sa misy inona,lazao amiko ny marina fa ny fanafenanao izany ahy no mety hamparary ahy.
-F:Mama a,tsy marary vatana aho,fa voadona ara-tsaina;nilaozan'ny olon-tiako aho,tsy fantatra hoe aiza no misy azy!?
-R:Faby a,fa olon-tinao ahoana a,ireny ary ny vehivavy no miady saritaka aminao fony izaho nandeha tany aminao ireny,ka nilaozany ahoana fa olona avy aiza?
An-dranomaso no nitantaran'i Dr Faby ny fizotry ny tantara t@n-dreniny.
-R:Antray anaka,tena voam-panafody ianao;rehefa hitany fa tsy tia azy ianao dia nataony izay naha-adala anao aminy.
-F:Tsy izany kosa ry Mama a,fitiavana madio no natolony ahy ary izaho tia azy @ foko manontolo fa tsy misy ambadika.
-R:Aza manao izany ianao anaka fa io fitiavana io no anisan'ny fototra ahavitan'ny zanak'olombelona zava-dratsy indrindra eto ambonin'ny tany.Naharary azy loatra ny nataonao ka mamalifaty izany izy.Mila mitandrina ianao anaka fa tsy azo antoka izany tovovavy izany.
-F:Mama koa dia efa mieritreritra zavatra lavitra mihintsy.
-R:Eritrereto ihany anaka, tsy hanolo-bato mafana anao aho ; adinoy any izy fa be dia be ny tovovavy tsara sy manja ary manam-pahaizana sy fahendrena mendrika anao.
Dia nirava teo iny resaka iny tsy te hamaly an-dreniny intsony i Dr Faby nefa ny sainy sy ny fony tsy mbola hafaka ny hanadino an'i Sariaka.

Alina iray sisa, dia hitodi-doha ho any Marovoay indray ingahy mpandidy.Avy nisakafo izy mianaka mikoran-drana alohan'ny hamonjena torimaso;ny an-dreniny moa dia ny hanadinoan-janany an'i Sariaka no ventesiny hatrany;ho avy any mihintsy aho hikarakara anao fa sao dia hanaonao foana,lasa herinandro ianao dia manaraka aho fa mbola misy zavatra karakaraiko kely no tsy hiarahako aminao avy hatrany.Mbola anatin'ny mafana dia mafana ny resak'izy mianaka no naharay hafatra t@ findainy i Dr Faby;i Sariaka indray no mpandefa.Toy izao indray no voalaza tao:"Any i Faby malalako, voalohany indrindra mangataka famelana aminao aho nohon'ny nanapahako ny fiarahantsika,faharoa dia miangavy anao aho mba hamerina ny fitiavantsika indray fa ilay olona natakaloko anao dia ny fahadiovako ihany no nilainy tamiko ka rehefa voalotony aho dia nahilikiliny,izao vao tsapako fa mitovy avokoa ny lehilahy ;aty @ i Nenitoa aty Marovoay izaho izao, efa nandalo tao an-tranonao sy ny fiasanao aho fa tsisy olona.Manantena ny famindram-ponao aho, eny tsy maninona na dia fitserana sisa no iarahanao amiko;avelao aho mba hitampifimpify eo an-tsisin'ny fonao hoy Sariaka mahantra fitiavana!"
Tsy nampahafantarin' Dr an-dreniny io hafatr'i Sariaka io, fantany fa halahelo mafy azy izy.
Indrisy ry Sariaka hoy Dokotera niteny irery tany am-pandriana,efa lavon'olon-kafa avy any ianao vao hiantsampy aty amiko!Sady sosotra izy no nalahelo,nirotsaka moramora nanorika ny takolany ny ranomasony.Raha ny sainy tsy te handray an'i Sariaka intsony nefa ny fo mbola tia.Mbola niroro saina izy @ izay fanapahan-kevitra horaisiny.

Eo indray ary e,ho antsika mpamaky, raha ianao no teo @ toeran'i Dr Faby mbola handray ny fifonan'i Sariaka ve ianao?Hiangaviana mba ao @ "commentaire" isika no maneho hevitra;misaotra mialoha!



Teny an-dalana hody taty Marovoay,dia ny famisavisany ny fanapahan-kevitra ho raisiny no nanalany ny lalana.
Raha vao tonga tao Marovoay ary izy dia ny nanaporofo ny maha teo an-toerana marina an'i Sariaka no nataony.Nasainy nankany an-tranony i Sariaka,satria mbola tsy tena nino ny zava-misy izy fa sao dia zavatra entina handrebireby ahy fotsiny izao.Vao nantsoiny anefa dia avy hatrany dia tonga tany marina i Sariaka;te hamihina mafy an'ity olon-tiny izy nefa raha vao mieritreritra ny zavatra vitany izy dia mangaroharo.T@ io andro io ary no nanotaniany tsara raha marina avokoa ny zavatra voasoratra nalefan'i Sariaka Taminy.Tsy misy lainga ireny hoy i Sariaka fa ireny voalazako ireny no zavatra niainako;famindram-po avy aminao sisa no andrasako, efa rano raraka mantsy ireny ka tsy azoko ampody intsony,efa nafoiko mandrakizay ilay fahadiovako izay nezahiko notandrovana fatratra saingy toa nitovy taminao foana koa no nataon'ilay olona nasoloko anao.Tsy nahatohitra azy aho ny farany ka lavony;natahotra ny hilaozany aho no tena marina dia notanterahiko izay notadiaviny raha izay no ijanonany eo anilako!Saingy indrisy,rehefa azony ny mamy dia nahilikiliny sy nitsakitsahiny.Tsy nanambotra "dossier" akory no nalehako tany Antananarivo fa nanaraka azy;dia tsy tahotra sy henatra mihintsy izy mitondra vehivavy eo imasoko.Izay sy izay ry Faby ny fiainana nodiaviko a,solafaka aho ary manantena anao mba hanarina azy.Nitanondriko i Dr Faby,tena diso fanantenana izy;vao iray volana izay raha nisy izy no nilokaloka tamiko fa any anatin'ny tokantrano vao miditra @ firaisana ara-nofo;izao anefa dia toa moramora fotsiny no nahazoan'izany bandy izany azy.
Tamin'io fotoana io ihany dia niteny t@ Sariaka i Dr Faby fa tsy hafaka ny hiara-dalana intsony izy roa,aleo mifampitso-drano fa fiarahana hiteraka disasadisa ka tsy ahasambatra ny an-danina sy ny ankilany.

Teo am-panaovana veloma dia hita fa samy mbola tsy mahafoy ny tsirairay.Samy nanganohano ilay dobokely roa;ny tahotra ny fitsaran'ny eritretitra ny an'i Dr Faby no nanamafy ny hambom-pony hamoy ity malalany am-po fa fahavalony am-panahy.Ny an'i Sariaka moa dia tsy tanany intsony fa nitraotrao ilay herik'alahelo hampiseho teo imason'ity malalany fa nanenina ny zavatra vitany izy.
-S:Faby a,fantatro fa mbola mafana ny fonao,tsy manome tsiny anao koa aho;nefa tsarovy fa tia anao foana aho ary miandry anao hatrany.Mbola eto Marovoay aho mandritry ny roa tokombolana,ary ny laharan'ny findaiko tsy mbola miova.Tsarovy fa tsy misy olona tonga lafatra raha mbola eto an-tany ary sarotra ny miaina;fa ny olona vonona hanarina ny tsy mety nataony no lazaina fa mahay miaina.

Tsy nahateny intsony i Dr Faby feno loatra ny kapoaka nampitondrain'ity taranak'i Eva ho azy.I Sariaka kosa an-dranomaso no nanaovany ny veloma farany ity malalany, ohatry ny hoe tsy hifankahita mandrakizay intsony izy roa.Ny alin'iny dia samy tsy nimpizin-tora izy roa,toa samy nanameloka ny tenany,ho fototr'ilay fisarahana;raha tsy nanilikilika azy aho hoy i Dr dia tsy hiantsampy teny an-tanan'olonkafa izy fa ho ahy irery ary ho ahy mandrakizay.
Ny an'i Sariaka kosa dia ny tetika nataony hanaporofoana ny fitiavan'i Dr Faby azy no nampanenina azy.Tsy mbola nitia olon-kafa akory izy fa tetika niraisan'izy sy nenitoany ireny mba handrefesana ny fitiavan'i Dr azy.Nandrora niatsilany anefa izy izao,nifototra aty aminy izao ny voka-dratsiny;fiarahana aharitra no tanjona nefa lasa fisarahana no setriny. Vaky ny lohany,ahoana no fomba hamerenana ny fitiavan'i Dr aminy.Manameloka azy ny eritreriny ;manongo tena izy;te hankahala ny tenany mihintsy ny tena marina;aleo marina henjehin'ny omby masiaka toy izay henjehin'ny eritreritra!Nangataka torohevitra t@ Ramatoa Rafara izy.
-S:Nenitoa a,inona no atao fa tena lasa nankahala ahy i Faby,fantatrao tsara fa tena tia azy aho ary noho izany no nahatonga antsika hanao ireny tetika ireny mba tsy hampijaly ahy nefa izao ary aho izao vao tena voa!?
-N:Aza mikorapaka aloha anaka fa avelao aloha hangatsika kely ny fony fa holazaintsika azy ny marina rehetra.
-S:Ka raha tsy mino izay teny lazaintsika azy izy?Izay aho vao tena very ry Nenitoa a!
-N:ah ah,aza manary toky izany ndriko, aleo fa izaho no handamina ny zava-drehetra.
Nahazohazo toky kely i Sariaka nahare ity Nenitoany fa vonona ny hanampy azy mba hiverenany @ malalany.

Notantarain'i Dr Faby an'i Dr Johnny ny fandehan-javatra rehetra. Nalahelo ity namany i Dr Johnny, tsapany fa tena raiki-pitia ity namany fa tsy haitraitra araky ny niheverany azy teo aloha.
Mahereza lesy a,aza kivy @ izany matoa tsy tanteraka ny anareo roa dia tsy anjara;mbola ho avy any ho any ny anjaranao ;izay no teny nampaherezan'i Dr Johnny ity namany hitany mitolefika nahatsiaro fa resy.
Lasa matotrabe i Dr Faby tao am-piasana, tsy nasiaka izy fa lasa hafa mihintsy ny fomba fijeriny ny fiainana;tsy te hanararaotra ireny tovovavy potiky sy tara aminy intsony izy,tsapany izao ny fahoriana niainan'ireny efa nanaovany izany.
Ny herinandro nahatongavany tao Marovoay dia tonga marina reniny.
-R:Faby a,araka ny resantsika tany Analalava ireny dia misy tovovavy tsara sady hendry no manam-pahaizana efa noresahiko fa milaza fa tia anao izy.Mpampianatra @ CEG ao an-tanana ao ihany izy,sady zanak'olona eo akaikintsika eo ihany,efa hitako toetra sy fanahy.
-F:Mama a,nga ny fitiavana azo teren-ko masaka ohatran'ny
voalobo-jaza toy izany;efa nilaozan'ny toetr'andro izany vady atolotra izany.
-R:Tsy manery anao anie anaka e,fa manoro anao,efa noentiko ao ny sariny omeko anao ao koa ny laharan'ny findainy,dia anjaranao no manapa-kevitra ;fa tiko ho tsapanao fotsiny fa tsy hanolo-bato mafana anao aho.Izy moa efa nahita anao fony anao nandalo tany ireny.Tsy voatery tonga dia hifanambady anie ianareo e fa mifamofo aloha @ izay ianareo hifankahalala toetra.
-F:Misaotra anao Mama @ fikarakarana fa mbola tsy any mihintsy aloha ny saiko,aleo aloha haka rereaka kely ny foko.

Lasa ny roa herinandro ,neritreretina fa ho fafan'ny fotoana tsikelikely ny sorisory sy ny alahelo nefa vao maika nampiredareda ilay afom-pitiavana tsy maty vonoina tao am-pon'ny tsirairay.Nalain-komana i Sariaka nandritra izay tapa-bolana namohizany an'i Dr Faby izay;mihinana mba ho velona sisa no nataony.Honenana an'ity zanany i Ramatoa Rafara,tsy maintsy mitady hevitra aingana aho hoy izy fa tena tratran'ny aretim-pitia i Sariaka.Tsy miala eo am-pandriana izy isan'andro ary sarin'i Dr no tsy miala eny an-tananany sy horokorofany.
-Toc, toc,toc
-F:Ramatoa Rafara,salama tompoko,mandroso ianao; fa misy inona no tonga harivariva aty aminay?
-R:Vonjeo ny zanako Dr a,nanomboka ny nisarahanareo dia tsy mahatelin-kanina izy;izao izy efa ho roa andro izay dia lasa mafana hoditra, tsy mety hinan-kanina mihintsy na dia sotro iray.
-F:Taitra mafy i Dr,andao vonjena malaky hoy izy sao hanenenana eo.
Nony tonga tany i Dr , akory ny hagagany nahita ity malalany taloha fotsy hatsatra sy mahia.

-F:Fa maninona ianao Sariaka a?
-S:Aza manahy ianao, fa efa haiko ny aretiko,voalohany dia ny tsy fihinanan-kanina no mampahia ahy,faharoa ny tsy fivoahana an-trano no maha-fotsy hatsatra ahy;izaho mihintsy no naniraka an'i Nenitoa hiantso anao,tsy mila fanafody akory aho fa hamoraka izay mavesatra rehetra ato anatiko ato!Mino aho rehefa voavoako ny marina rehetra nokoboniko tato dia hiala ny fitsarana anaty izay nanagadra ahy ka nahatonga ahy harary toy izao.Faby a tsy mbola niaraka tamin'olon-kafa izany aho mbola i Sariaka madio tsy misy pentina no manoloana anao?
-F:Tsy azoko mihintsy, ny tinao ahatongavana @ izany resakao izany?
-N:Izany no marina anaka, tsy hary nisy olon-kafa teo @ fiainan'i Sariaka fa lainga daholo ireny,te handrefy ny tena fitiavanao azy izy dia namorona ireny rehetra ireny ary izaho no mpiray tetika taminy.
-F:Izay izy ry Faby a,ka anjaranao no manapa-kevitra;tsy nitsahatra nitempo ho anao ny foko na dia teo aza ireny disadisantsika ireny.
-F:Sariaka a,misaotra anao nilaza an'izany nefa omeo fotoana aho hisainako,tsapako izao fa tsisy fifampitokisana teo @ fiarahantsika izay hany fototra voalohany maha mafy ny fifankatiavana.Ianao ihany no nilaza tamiko fa tsy misy olona tonga lafatra,kanefa ny fahadisoako indray mandeha no nampijalinao ny fitiavako toy izao!

Very hevitra indray ingahy mpandidy teto;hamerina ny fiarahana ,matahotra ny ho tohin'ny tantara,hamalona tanteraka ny tantara toa tsy mahafoy.Nila hevitra t@ Dr Johnny namany izy,amin'izay fanampahankevitra ho raisiny.Tsotra no navalin'ity namany azy;"henoy ny fonao,ampandefero ny ambom-po sy ny lonilony".I Sariaka kosa tsy nisy azo natao intsony fa niandry izay higadonany fotsiny toy ny rafotsibe very laona,any @ i Dr Faby no tompon'ny teny farany.Telo andro ,telo alina no namadibadihany izay fanapahankevitra ho raisiny.
Tapaka ary ny heviny, nanantona an'i Sariaka tany an-trano izy.Nidobodoboka ny fon'i Sariaka,inona hoy izy no ahatongavan'i Faby aty an-trano @ izay tampotampoka tsy nampilaza.
-F:Sariaka a,nihezaka ny hanadino anao aho,nihezaka ny hankahala anao,nihezaka ny ho fahavalonao;ny saiko manaiky fa ny foko kosa manda!Ka noho izany tonga eto aho hilaza aminao fa tiko ianao,tsy mahafoy anao aho ary tiko eo anilanao no handaniako ny andro sisa rehetra.Ny angatahiko aminao dia ny mba hananao fahatokisana amiko eny na dia tsy ho zato isan-jato fa ataovy tsapako fa tokinao aho.
-S:Misaotra malala a,matokisa fa ho tia anao @ foko manontolo aho ary ho tokinao koa!Ny angatahiko anefa,efa saika amohizako ny fitiavako ny fanajako ny tenako mba ho madio tafiditra ao an-tokatrano dia avelao aho hitazona izany hatramin'ny farany.
Efa rafotsibe leom-boanana izy roa ireto ka nifamarafara;ny mpifankatia tsy mifamarafara mantsy hono ady no hisarahana.

Ho antsika mpamaky ary hanao ahoana araky ny hevitrao no hiafaran'ny fiarahan'izy roa ireto?
Ao @ commentaire isika no maneho hevitra!



Samy nihezaka nitana ny teny nomeny ny tsirairay,fiarahana madio no niainan'izy ireo;tsymbola nampahafantarina ny Ray aman-dreny ihany koa anefa fa azy roa kely sy Ramatoa Rafara ihany no nahalala ny fiarahan'izy ireo tao anatin'ny fianakaviana.
Nandeha ny andro sy ny volana, feno telo volana namitranam-pitiavana i Dr Faby sy i Sariaka;nanomboka nisy disadisa nanozongozona indray ilay mandam-pitiavan'izy ireo.Niverina t@ fahazarany i Dr Faby,najainy ny Safidin'i Sariaka ny tsy isian'ny firaisana raha tsy ao an-tokantrano ka tany @ tovovavy hafa no namenony izay tsy ampy teo @ fitiavany.
Nampalahelo an'i Sariaka izany fiantsapazan'ity malalany ho eny an-tratran'olonkafa.Nitaraina t@ Dr Faby izy ny @ izany kanefa tsotra no navaliny azy;efa nanaja ny safidanao aho dia aoka mba hanaja ny safodiko koa ianao.Tanana efa zatra nitsotra ny an'i Dr Faby;2 taona be izao no fe-potoana nomen'i Sariaka mba hitsapany ny halalin'ny fitiavan'ity marary.Lasa kizintina i Sariaka,sorosorena lalandava sady lasa saro-piarobe.

Zary tsy nahita fahasambarana teo @ fiarahan'izy roa i Sariaka;raha mitohy izao hoy izy an'eritreritra dia ho rava ihany ilay dinam-pitiavana nilokalokavina fa faty no hisarahaha.
-S:Faby a,efa tsy tia ahy intsony anga ianao?
-F:Tsy mbola misy nanombinana aky fitiavako a!
-S:ka maninona ary aho no ampirafesinao e?
-F:Sariaka,olombelona aho manana fahalemena,roa taona kosa ve no ampiandrasinao ahy,ianao tsy mety miroso @ soratra.
-S:Eny ary e,mafy marina ny herin'ny filana angamba;tsy hanakana anao aho fa ny iangaviako dia aza atao hitan'ny masoko ary aza atao henon'ny sofiko.

Lasa nangatsitsika ny fiarahan'izy roa;i Dr Faby variana @ ireo tovovavy kely ataony fanalana azy;i Sariaka kosa toa te hanalavitra azy sao dia hahita ireo rafiny.Zara raha in-droa isan-kerinandro no mihaona izy ireo.Tsy tamana firy tao Marovoay intsony i Sariaka fa matetika miakatra any Andrenivohitra nitady asa.Feno enimbolana no niarahan'izy ireo dia nahita asa tao @ tobim-pahasalamana iray tsy miankina i Sariaka;nanomboka teto dia finday indray sisa no nampifandray azy roa fa zarain'ny elanelan-tany.
Nanamaivamaivana ny fahorian'i Sariaka ny fiasany,afak'andro izy @ fikarakarana ireo reny sy zaza tao @ toeram-piasany.Tsy nivaky loha niantso an'i Dr Faby isan'andro intsony izy.Nanomboka nampiahiahy an'i Dr Faby izany fihetsik'i Sariaka izay ,satria isan'andro izy dia tsy maitsy miantso,nefa izao na dia antsoina aza tsy tratra.

Tsy familafilana akory na tsy fitiavana handray an'i Dr Faby fotsiny no tsy hatratrarana antso an'i Sariaka fa ny asany mihintsy no tsy mamela azy. Mandray zazakely any @ "bloc opératoire" no asany,ka rehefa misy vehivavy bevoka didiana dia tsy maintsy miditra "bloc",ka rehefa tonga ao izy dia tsy afaka mandray finday intsony n'iza n'iza miantso ;noho izany dia matetika vonony ny findainy na apetrany @ olon-kafa afaka mandray azy raha misy antony tena maika ilana ilay finday.Fantatr'i Dr Faby tsara ny asan'ity malalany saingy ny ahiahy hono tsy ihavanana.Manahy izy fa sao dia entin'i Sariaka anafenana ny ataony foana ity asa ao @ "bloc" matetika ity.
Indray andro ary, dia nampitazomin'i Sariaka an'i SOLOFO "infirmier de bloc" tao @ toera-piasany ny findainy fa mety hiantso azy ny Rainy fa tsy novonoiny toy ny mahazatra.Naneno ary ny findain'i Sariaka, noraisin'i SOLOFO:
- S:Allô,salama tompoko ô?
-F:Salama tompoko ô;iza zao azafady?
-S:Mr SOLOFO tompoko!
-F:Fa aiza Sariaka ary inona no mahatonga ny telephone-ny any aminao?
-S:Sariaka miasa, izaho kosa mpiara-miasa aminy de napetrany amiko izy ity fa mety hiantso azy ny Rainy hono;inona ny hafatra ?
-S:Teneno izy fa niantso anao hoe ny vadinao.
Dia tapaka ilay antso.Tsy azoazon'i Dr Faby ny ainy, nanelingelina ny sainy ny hoe lehilahy no mandray ny findain'i Sariaka,sorosorena izy iny alina iny;i Sariaka koa moa tsy tafahantso intsony fa efa alinabe vao vita ny asa nataon'izy ireo.

Ny ampitson'iny dia niantso an'i Dr Faby i Sariaka.
-S:Manahoana ny MALALAKO?
-F:Manahoana?
-S:Ary toa maneronabe,fa misy inona?
-F:Leo be izaho Sariaka,raha tsy tsy tratra antso dia eny an-tananan'ny lehilahy ny finday;ajanony any io asanao io fa tsy tsara ka.
-S:Faby a,fa azon'inona ianao e,vao tapa-bolana ve no niasako dia tadiavinao hiala @ asako;telovolana ny "contract "-ko tsy maintsy vitaiko izay vao afaka miala aho.Sady ny asako tiko fa inona no tena tsy azoazonao ka anerenao ahy hiala?
-F:Ianao manalavitra ahy no tsy tiko;tiko ho eto anilako foana ianao,raha vola no iasanao dia afaka manome izay ilainao aho,ka raha sitrakao dia vitao ny telovolana dia ajanony .
-S:Satriko ny ho eo anilanao foana saingy tsy te harary fo aho @ vehivavinao ka raha sitrakao marina ny handehanako hiverina any Marovoay dia izao no fepetra, hiara hipetraka isika fa tsy iray fandrina ary tsy ilaiko hilomano @ filan-dratsinao intsony ianao,manaiky an'izay ianao dia milamina isika.
-F:Sariaka a,Tiko ianao,vonona ny hanao izay sitrakao aho!
Dia nilamina teo ary iny resaka iny,novitain'i Sariaka ny telovolana dia lasa niverina tany Marovoay izy ary niara-nipetraka t@ Faby.
Nanara-maso fatratra ny fiainan'i Dr Faby i Sariaka nandritry ny iray volana sy tapany, tsy nahitany fihetsika hafahafa mihintsy fa nanaraka an-tsakany sy an-davany ireo fepetra napetrak'ity mpanjakavavin'ny fony.Ireo manodidina indray aza no toa tsy faly nahita ny fahendren'i Dr Faby,voan' ody angamba hoy ny sasany,resim-bavy hoy ny hafa,tsy manana hazon-damosina hoy ny heson-tenin'ireo tsy nahazo toerana.Tsy nampidirin'i Dr Faby tao an-doha daholo ireny tsikera sy fanaratsiana nataon'ny mpiara-monina ireny;tokana ny azy ny tanjony dia ny hahasambatra ity malalany eny fa na dia mafy taminy ny nampandefitra ny fahazarana.

Feno roa volana ary no niarahan'izy ireo nitoetra,niteny tamin'ity olon-tiany i Sariaka fa atao @ izay ny fifamofon'izy roa;fifamofoana ho azy roa foana mantsy hatreto fa mbola tsy nisy nahagantatra ny fianakavian'ny an-daniny sy ankilany.Haravoana tsy roa aman-tany ny an'i Dr Faby,tsapany izao fa tia azy marina i Sariaka fa tsy nilalao ny fitiavany araky ny fijerin'ny sasany.Nifanaiky ary ireto mpifankatia fa any Tsaratanana any @ Ray aman-drenin'i Sariaka no anaovana ny fifamofona na fisehoana no mahalaza marimarina kokoa.Nandeha aloha i Sariaka sy i Nenitoany nampilaza ny tany an-tanana sy nanao ny fihomanana ilaina rehetra.Andro iray toa zato ho an'i Sariaka tokoa io andro iray io,ka noeritreretiny hasaina avokoa ireo fianakaviana sy ny namana aman-tsakaiza;izy rahateo vavitokana sady farany.
I Dr Faby kosa nikarakara ny antotan-taratasy tsy hiasany sady niandry ny Reniny sy ny Zokiny lahimatoa izay noetitreretiny ho entina hanao ny fisehoana.
Faly aoka izany Reniny raha nahare fa hanao fisehoana ny zanany, efa t@ odin'ilay tovovavy tany Tsaratanana ihany ny zanako lahy hoy izy anakam-po.Nivadika ho halahelo sy hatezerana anefa raha nahare fa ilay olona halany izay tsy iriny ho hita akory na mbola tsy fantany aza no ho vinantony.

-R:Faby a,eritrereto tsara aloha anaka fa tsy kilalao akory ny fanambadiana fa iankinan'ny hoavinao rehetra.
-F:Izay mihintsy no marina ry MAMA,efa nofakafaiko lalina ka resy lahatra aho fa i Sariaka no hanome fahazavana ny hoaviko.
-R:Faby a,mbola tsy mpivady ary ianareo ireny jereo ny zava-bitany taminao,ka raha maika mpivady eo tsy taritiny @ sanganao ianao?
-S:Mama a,tsy misy resaka fampijaliana zany eo samy tia izahay ary ireny resaka teo aloha ireny zavatra tsy nisy fa noforonony mba handrefesany ny fitiavako azy.
-R:Faby a,tsy manakana anao @ izay tinao aho fa manala ny adidiko @ maha reninao ahy;tsarovy hatrany fa ny hasambatra anao no imasoako.Sambatra aho rehefa sambatra ianareo zanako.
Nanaiky tsy fidiny ary ity reny be fitiavana nentanin'ny fitiavan-janaka.

Raha tiana ny vady hono ny rafozana no tsinjovi-mandeha.Voatery nizaka zavatra maro i Sariaka, na nanaiky ny fifamofoan'izy roa aza ny rafoeam-baviny dia tsy nanana fatokisana taminy.Nandao an'Analalava i maman'i Dr ary niaraka nipetraka t@ izy roa.Hiaro an-janany no tanjony;taminy mantsy hatreto dia fangoloka ity vinantovaviny.
Nataon'ity rafozam-bavy avokoa ireo toeran-tsy zaka rehetra mba hitsapany hoe hatraiza marina ny fitiavany an-janany.
Tsy sahy nitaraina t@ i Faby ny fahoriana nozakainy i Sariaka;manahy izy sao hanimba ny fifankatiavan'izy roa izany.Ny nahitana masoandro tsy azo soloina na oviana na oviana fa ny vady kosa toy ny tseroka azo sasana ,azo ialana.Tsy mora ny mitia olona iray indrindra fa hiditra ao anatin'ny fanambadiana,tsy maintsy mizaka ireo fianakaviany ianao ary izany no ilana ny fifamofona mba hifankahalalan'ny tsirairay ao anatin'ny fianakaviana roa tonta mba tsy hanenenana rehefa tafiditra ao.
Nahatsiaro sambatra tanteraka i Dr Faby nanoloana izany,teo anilany mandrakariva ireo olon-tiany indrindra teto an-tany.Teo imasony koa moa tsy nisy soritra disadisa teo @ izy roa vavy mianaka;hain'ilay rafozam-bavy ny nihatsaravelatsia rehefa teo imason'ny zanany.

Enim-bolana izay no lasa niarahan'izy telo mianaka nipetraka,enim-bolana niaretan'i Sariaka hirifiry fa nambolen'i maman'i Dr Faby ny fahatokisana ity vinantovaviny.Resy lahatra izy fa tsy haitraitra na misy ambadika ny fiarahan'i Sariaka tamin-janany ary tsy diso ny safidin'i Faby.
Naneho ny fialantsiny teo imason'izy roa kely izy t@ fihetsika sy ny toeran-tsy zaka nataony an'i Sariaka.Avy nisakafo alina indrindra izy ireo t@ izay.
-R:Faby a,misy resaka ataoko @ reo roa alohan'ny hatory.
-F:Eny ary ento ny tenin'i Mama!
-R;Ny voalohan'ny teniko dia mifona aminao aho ry Sariaka a,nankahala anao be fahatany fotsiny aho;tsoriko aminao anefa fa nohon'ny fitiavan-janaka no nahatonga ahy ho rafoza nalaim-binanto toy ireny.Ny faharoa dia mifona aminao koa ry Faby fa tsy natoky anao,fantatrao tsara ny anton'izany ;@ maha reny ahy dia adidiko ny manoro anao na dia efa lehibe aza ianao.Ny fahatelo dia mitso-drano anareo roa kely aho ,aza atao ela intsony ny mariazy, izaho koa efa te hahita ny zafikeliko!Ary ny fahefatra farany dia milaza aminareo aho fa hiverina hamonjy ny tananako;efa vita izay ny adidiko ;ny havan-tiana koa tsy iaraha-monina,ny mifamangy ihany no tsara.
-F:Tsy misy ifonanao ny amiko Mama,faly aho raha ankasitrahanao ny safidiko;ary ny zavatra nataonao tamin'i Sariaka izany tsy lalako akory,tsy hary niteny na nitaraina tamiko izy.Ary ny fodinao indray raha ny tiko no lazaiko dia ianao mijanona eto aminay nefa tsy manery anao aho.
-S:Tsy manana alahelo aminao aho Mama,nohon'ny nataoko ihany no nankahalanao ahy dia ny fitsapana nataoko t@ i Faby.Tsy manome tsiny anao aho fa n'iza n'iza teo @ toeranao mety hanao toy ireny avokoa.Ary mangataka aho mba hipetraka hiaraka aminay foana ianao.Ary eto ihany koa no ilazako amin'i Faby fa manaiky ny ampiankariny ho ravaky ny tokantranony @ izay aho raha vonona izy!

Haravoana tsy homby tratra ny an'i Dr Faby raha nahare ny tenin'i Sariaka,raha ny fotoana nomen'i Sariaka azy dia tokony mbola hisy enim-bolana ny fe-potoana ifampizahana toetra.Teo no ho eo ihany ary dia nanapa-kevitra ny daty hanaovana ny mariazy izy telo mianaka.Tapaka ary fa afaka telovolana no hanaovana ny soratra sy ny mariazy ary eo Marovoay ihany mba ahafahan'ireo mpiara-miasa manatrika.Ny fianakavian'ny an-daniny sy ny an-kilany kosa dia i Dr Faby no hiantoka ny saran-dalan'izy ireo mandroso sy miverina.
Nakotrokotroka tokoa ny lanona nandritry ny mariazy samy hafa-po ny mpanotorona,ny sakofo hanim-pitoloha, ny zava-pisotra ny dakan'ny alika fotsiny hoy ny fitenin-jatovo,ny mozika ampy nandihizana.
Vita soa aman-tsara tsy hazon-tsampona iny andro iray nalaza eo @ tantaram-piainan'izy roa mpifankatia ireto.Samy nahatsiaro sambatra izy roa,satria tanteraka izao ny faniriny dia ny olona tiany sy tia azy no andefo-mandriny.
Ankehitriny dia tokantrano feno fahasambarana,anjakan'ny fitiavana,fifanajana,fifampitokisana no iainan'izy reo miaraka amin'ireo zanany roa mianadahy.

VITA TOMPOKO!