samedi 25 janvier 2020

AVELON' I DADABE SOMBINTANTARA MAMPATAHOTRA

Mipaipaika any amin' ny tafo-trano any ny orana mikija, telo andro anio izay mbola tsy nisy fiafarany foana fa misy andro ratsy hono any hoany ka mitondra orana toy izao. Sabotsy tolakandro anio, andro tsy hiasana ho ahy, variana mipetrapetraka ato an-trano aho fa tsisy atao, mba niantso an' i Koloina olon-tiako ihany aho teo fa tsy afaka makaty hono izy, nefa izao fotoana izao no tena hilaiko azy, hiaraka mba hiresa-dresaka hanala fahanginana. Misento aho, toa misy zavatra tsaroako tampoka miserana ato antsaiko, heritaona lasa tokoa mantsy iny fotoana iny, mitamberina ato antsaiko daholo ny lasa rehetra , indrindra ka amin' ny vanim-potoana fahavaratra izao . Volana janoary toy izao tamin' izay. -Mihomana ialahy Tefy fa hoany ambanivohitra isika . Hoy i dada mantsy ahy teo ampilalaovana finday, nanao facebook tamin' io fotoana io. Somary taitra aho raha nandre an' i dada niteny izany, hoany ambanivohitra hono. Toa dia tampotampoka be. - fa ahoana ry dada? Toa tampotampoka be. - misy zavatra halehantsika lesy any a! - ka izaho aza ity tsy niomana hoany akory, saika hoany any amin' ny namako aho io. - tssss, foano izany, misoloa akonjo malaky dia lasa isika. Aleo miainga izao ihany fa ohatrany ho latsaka io orana io. - fa misy inona ry dada a? Inona no dia maika hataontsika any? Hoy aho maika te hahalala izay zavatra hitondrany ahy. - aleo lazaiko sombiny kely ihany ialahy, ho vidian' i patron-nay lafo be ilay vata vy an' i dada Beza iny. Rabeza moa no fiantso an' i dadabe. 5 mianadahy ry dada no zanany, 3 lahy sy roa vavy. I dada no faralahy. - vata vy koa hatao inona ry dada a? Sao mba patron mitapy ny anareo. - na izaho koa aza lesy gaga, fa izy niangavy be mba hitadiavo dia nilaza aho fa mahita, ireny vata vy nampiasan' ny ntaolo malagasy ireny no ilainy. Mino aho fa zava-dehibe aminy izany mahatoa ho vidiany lafo be. - Hm, mba hafahafa koa izany, dia ho vidiany hoatrinona hono? - efatra tapitrisa ariary , ngah tsy vola be, izay no tena mahamaika ahy, aiza koa ro ahita lesy eeh. Hoy i dada no velotsiky ery. - toa tena vola be tokoa marina. aleo ary fa hihomana vetivety aho dia lasa. Nisolo akanjo vetivety tokoa aho . Tamin' ny 9 ora maraina tamin' io fotoana io. - andao amin' izay lesy e. Hoy i dada efa nibaby kitapo. - andao ary e. Handeha moto moa isika sa taxi brousse. Hoy aho, manana moto mantsy izahay - ie, handeha moto ka. Dia lasa izahay tamin' io fotoana io, nizotra nakany ambanivohitra misy an' i dadabe. Dadabe Rabeza moa tamin' izany dia efa nody mandry fito volana lasa . Raha mahakasika io vata vy io indray dia zavatra isany tena nahasarotiny azy fatratra satria dia tao daholo no nametrahany ny zavatra sarobidy izay nahakasika azy. Ary io vata io tsy niala teo andohampandriany mihitsy mandrapahatapitry ny ainy. Saika nalevina niaraka taminy tany ampasana koa fa noho ny fiangavian' i dadatoa Rasolo no tsy nandevenana izany vata izany niaraka tamin' i dadabe, mba hatao marim-pahatsiarovana hono. Tokony teo amin' 11 ora atoandro teo izahay sy dada no nigadona tany Andoharano, tanana nisy an' i dadabe. Avy hatrany dia nakany amin' ilay trano nitoerany tamin' izany. Ingahy Rakoto nokaramaina hikarakara io trano io no tratranay tao. Niarahaba azy izahay. - dia ahoana Rakoto a! Milamina tsara ve ny tanana hoy i dada . - salama tsara be aloha e. Azo lazaina milamina ihany. Tonga tampotampoka ity ianareo mianaka. - ie, tonga tampoka tokoa... tsy izany mantsy fa misy zavatra ho jerenay kely izay ao an' efitr' i tompokolahy ao . - Hay ve. Andraso ary halaiko ny fanalahidy raha izany e. Nihidy foana moa ny efitra fatorian' i dadabe ka tsy nisy olona afaka niditra izany afa-tsy ry dada zanany ihany. - ity ary ny fanalahidy e, hoy ingahy Rakoto . Noraisin' i dada izany dia lasa izy nanala ny gadana nipetaka teo amin' ny varavarana. Nisokatra izany dia niditra izahay. - maimbo lao be ato izany fa aleo sokafana avy hatrany ny varavarankely rehetra. Hoy i dada. - eny tokoa oa, ary aiza izany vata vy izany ry dada? - ato ambany fandriana ato lesy no napetraka a. Dia niondrika i dada naka izany, nositominy avy ao ka indro tokoa ilay vata vy mainty . Nokapokapohan' i dada fa feno lemoka. - ary inona zao no mbola ato anatin' ity? Hoy aho. - tsy haiko lesy fa andraso sokafana dia jerena . Dia nosokafan' i dada ny vata ka akory ny hagaganay raha nahita ny zavatra tao, karazana ody maro isakarazany, tapa-kazo sy lambalamba mena mainty mifatotra. - fa inona daholo ireto dada a? Hoy aho tafatsangana tampoka nijery izany - Hay mbola notehiriziny tato izany ilay fiaro tena taloha ireny. - Fa fiaro tena ahoana dada? - taloha lesy dia maro ny dahalo nanafika ka tsy maintsy niaro tena tamin' ireto ny olona. Hitan' ialahy? Ireto no antsoina hoe tamango. Afaka mihetsika ireto fa jereon' ialahy tsara nge. Nalain' i dada tao anaty vata ireo karazana ody maro ireo ka napetrany teo ampovoantrano. Notondrahany rano kely tamin' ny zinga . Tena nihetsika tokoa , nandihindihy. - toa tsy mampino ry dada ah. Hay tena afaka mandihy. - eny lesy eh. Mahery nge lesy ireo ody ireo e. - dia hatao ahoana izany io? Ho entina sa hatao aiza? - Aleo angamba lesy ampirimina , ampidirina amin' itsy harona anjoro trano eto ity. - maninona raha dorana e. Andro efa mazava be izao ve mbola hitahiry azy ireo ihany. Hoy aho mantsy an' i dada. - ho dorana a? - eny ka. Ndao ho dorana. Vao avy niteny io teny io aho no toa nisy rivotra nitsoka niditra , narahana feo. " NY FANANAKO, AZA ZIMBAZIMBAINA " Nifampijery izahay sy dada.ankona tanteraka nandre izany feo izany. - Fa iza izany dada? Toa feon' i dadabe. Mbola hitohy.