Roa mianadahy Izahay raha zanakin' ny Dada sy Neny ; I kiady no anarako ary soalala kosa no zokiko vavy,tsisy niditra izay mba sekoly izany izahay, fa tsy voambaka kosa raha resaka vola. I Dada no tena niaritra ny jaly sy nitakosona tamin' ny tsy fisiana sy fahoriana taminay,fa i Neny kosa tsy nazaka modelim- piainana sy rendrarendran' ny tany sy tia hanam- behy dia aleony nisitaka sy niala teo aminay telo mianaka,ka nanaraka vazaha.
I Neny, dia lasa tokoa Ianao ,tsy mba nisaininao akory ny fisianay mianadahy toy ny kamboty velon' dreny izahay izao ; any Ianao milamin' tsaina ,tsara sakafo sy manam- bola satria anilan' ny vazaha; fa Izahay kosa miosom- bovoka ,malotoloto sy rovitra ankanjo sady tsy ampy sakafo satria mivarotra sarombao ny asanay; kanefa raha nilaozanao aza Izahay dia mba mihinana tahaka an' ny olona sasany iany na dia tsy zarizary , soa fa teo i Dada nanao ny ainy tsy ho zavatra namelona sy nikarakara Anay. Na dia maro aza ireo maneso sy manondro molotro ny fiainanay dia tsy nataony i Dada nahakivy Izany ; fa Izy mihitsy aza mampianatra Anay ,mba hahay hiafy sy mitsitsy ary mandrindra amin' izay mba hananana, ary mila mahay mintsinjo lavitra hoy Izy , izay vao mahatakatra sy mahambanjina ny hoavy.
I Dada ,tianay sy maminay loatra ary tsy mahafoy na mahasaraka Anay ,na amin' ny mora na amin' ny sarotra , fa mikiry sy mitady amin' ny mahasoa sy mahatsara Anay i Dada , ka mifanohana sy mifanampy Izahay telo mianaka amin' ny resaka asa.
I Benja ,Izy no mpiantoka ny sarobao an' i Dada ka hatsoinay hoe Dadatoa . Olona misy atao,manakarena koa azo hilazana Azy ,satria manana kamion telo Izy hoentiny miasa ; fetsifetsy loatra raha i Dadatoa satria nanomboka niarahan' Izy sy Dada niasa dia vola tsy complet foana no homeny an' i Dada .Kanefa raha misy mahaporitra an' i Dada ka mila vola maika Izy dia tsy mba mahazo mihitsy toin' ny Izy indray no mindrana; tsy dia fomban' i Dada loatra mantsy mitakitaky tsosa aman' olona ,fa miandry fahatsampaha tena foana Izy.
Tsotra loatra i Dada ,ka lasa hararaotin' ny olona foana Izy ,indrindra fa i Dadatoa toa manao lalan' dririnina hanabotry an' i Dada." Tsy tokiny halemy sy hangina toy izao foana i Dada ka,tsotra loatra nareo dia hararaotin' olona, aiza rangahy ka,efa vola mandeha amanetsiny any amin' olona any dia tsy mba takin' areo mihitsy nefa tsika mila ho fatin' ny doron' andro sy miafy amin' ny hanohanana ,amin' ny fitadiavana vola ihany ,mba saino ihany ry Dada ,isika ihany anie voa mafy eo e!, raha milefitra sy tsy miteny ihany" hoy i Soalala tamin' i Dada, fa niodrika Dada sady nanganohano ny masony." Marina izany ry Soalala a,efa lehibe manatsaina tokoa Ianao ka ,mahalala tsy fisiantsiaka, kanefa sarotra anie ry Soalala amin' ny resaka varotra e!,nefa tsy manao trosa , ary mety hanahirana amin' ny mpanjifa izany , na ny relation aza mety ho rava satria tsisy ny confiance" hoy i Dada namaly an' i Soalala sady nipetraka niakin'drindrina Izy." sssh, tsy hanaiky tsindry hazo lena lava hoatrin' izao foana koa Aho e!, fa angaha raha hoe sahirana sy mavomavo hoatrin' izao isika dia afaka hanaovany ireo zavatra tian' dreo hatao, tsy maintsy ho any amin' i Dadatoa Aho ,haka ny volan' tsika" hoy i Soalala sady niritona nivoaka Izy ,nakany amin' i Dadatoa, fa i Dada kosa tsy nahateny fa niondrika ka nisento.
Tampoka teo anefa dia nifokofoko nitomany i Soalala avy any amin' i Dadatoa sady nanaraka an' Azy avy aoriana Izy .
Taitra i Dada ka nitsangana,sady tsapako nangovitra Izy nahita an' i Soalala nitomany." Fa misy inona ry Soalala a!, inona no mampitomany Anao?" hoy i Dada nanontany Azy, fa nifokofoko nitomany Izy ." Aleo Aho no hamaly Azy ry valy ,rehefa tsy hamaly Izy a!,tsy mahalala fomba ny zanak' areo sady taratra avy Aminy mihitsy hoe tsy nadeha fianarana, aiza koa tsisy fiarabana tsisy endrika fananjana fa avy aviany tonga dia aiza ny volan' i Dadanay ; hieveriny fa mitovy aminy Aho angamba ka nomeko Azy ny anjarany ,sady zaza hiaraha manana io ka tsy ny tsitsiko rotsak' ahazo mihitsy" hoy i Dadatoa ,fa nalahelo an' i Soalala i Dada ka nanganohano ny masony, fa Izaho kosa nanambitamby an' i Soalala mba hangina." Tena mialatsiny ry se a!, fa zaza loatra Izy ,ka indraindray mety tsy mahay izay tokiny hataony, fa i se moa nilaza teo hoe zaza hiaraha manana ireo dia atoroy amin' izay mbola tsy fatany Izy ireo, fa aza latsaina fa mety hamoizany ireo FO izany,satria efa fatatry se tsara moa tantaranay mivady fa rava noho ny tsy fananako sy tsy fisiako ny tokatranonay ary sahiny iany koa nandao an' Izy mianadahy satria mahatra tsy mba mamiratra tahaka an' ny hafa hono" hoy i Dada namaly an' i Dadatoa sady nitetehy nikoriana tamin' ny tavany ny ranomasony." Marina aloha izay fa zavatra tsy tiako fotsiny ry valy dia Izaho takitakiana trosa eo imason' ny vady aman- janako eo ,hotran' olona mpamaly volan' olona ireny ny tenako hanaovan' ilay kiala pitsana iry azy,sady Izao e! mbola ho regleko daholo ireny vola kelin' areo ireny rehefa misokatra tsara ny tsena ,fa ataoko fa hainareo tsara koa fa tsy mbola misy tsena mihitsy amin' izao ,sady andro koa moa ity ririnina ,minainaina tsisy vola ny olona" hoy Dadatoa namaly an' i Dada ." Ny an' ilay rangahy ity izany foana regleko e!, regleko ,nefa tsy hita akory hatramin' izay ,efa firy taona izay Ianao nampanatena an' i Dada hoe homeko ny volan' areo amin' izao ,inona koa ny eo tsy ampamoaka sy lamokan' atody avoakoa ny teninao; mahita an' i Dada tsy miteny Ianareo dia hararaotinareo satria tsotra loatra mantsy Izy, ka dia afaka ataonareo tsinotsinona,sady efa mpamitak' olona Ianao ,mpametsifetsy ary manao tsinotsinona olona ihany koa" hoy i Soalala namaly an' i Dadatoa, fa tsy zakan' i Dadatoa izany ,ka rombotra be Izy.
Mba ataovy moramora sy mba feropero ihany ilay vavanao ry Soalala a!, tsy dadanao Aho akory ka hitsitsy Anao eo,amin' ity vavanao petsipetsina tsisy reglement ity, tena matiko Ianao raha Izaho no hanaovanao handalanao a!" hoy i Dadatoa namaly an' i Soalala sady tezitra sy rombotra be Izy,saika hamaly ihany anefa i Soalala fa nasainy Dada niditra tany an- trano ." Sady izao koa ry valy a!, rehefa samy tsy hifampatoky ihany Isika dia asio olona avy amin' areo mba hanaraka Ahy ,mafy sy henjana anie raha manaramaso sy micontroler ireo volan' sarobao ireo e!, sao mantsy heverin' areo any fa kepohako any foana ny volan' areo ,tsara mantsy raha mazava" hoy i Dadatoa tamin' i Dada sady lasa Izy nadeha , fa i Dada kosa tsy naha teny fa nipetraka teo amin' ny lona sady nisento Izy. Rehefa niheritreritra izay olona alefany hiaraka amin' ny Dadatoa i Dada dia i Soalala no halefany satria i Soalala mantsy mba matomaton- tsaina sy mba fetsifetsy raha amin' ny aram- bola; fa Izaho kosa mivarotra ireo sarobao eny an- tsena ambiny ireo tsy halefa any antanan- dehibe, fa i Dada kosa manamboatra sy madoro any anaty ala any.
Teo amin' ny roa herin' andro teo ry Soalala tany amin' ny tanan- dehibe tany ,ary andro sambotsy Izy ireo no tonga teto an- tanana .Gaga izahay fa toa tsy tonga niaraka tamin' ndry Dadatoa i Soalala ,fa i Dadatoa kosa vao tonga dia nanatona Anay sy Dada." Tena loza ry valy a,tena enjana ny hafitsikin' ny zanakao,izany ka miteny zaza tsy nahateraka marina ka manahirana" hoy i Dadatoa taminay sady teran- tsemboka Izy ,no hetitra ery." Fa misy inona ry se a?,manina ny zanako!?" hoy i Dada tsy nahatombona sady nangovitra no nitembiteby fatratra." Izany ka zaza be loha,nahataiza ihany ianareo ,nahataiza an' iny marina e!" hoy i Dadatoa nanohy ny teniny ." Fa inona tena zava misy tany ry se a!, aza manao izay hampitembiteby Ahy sy hanao izay hatampaka lalan- drahako eo se" hoy i Dada namaly an' i Dadatoa sady nivalo- maity noho ny fitebitebena Izy." Asa ry valy raha nitampotampony nahita ankizy lahin' ny ville Iza ka, vao nisarian' ireo lehilahy ho adala dia tsy naharay lamba fa efa lehibe hono e!, efa niala nenina niteny sy nanatra ihany Aho ry valy ,fa ny zanak' areo be mokodoha sy sarotra ahitsy dia izao no nihafarany ,na ny versement n' areo aza nibirideny nitazominy tany ,niezaka sy tsy nanaiky hanome an' ilay vola ihany moa Aho fa ,zanak' areo iny ka sarotra Amiko ny handaha tsy anome Azy" hoy i Dadatoa.
Tafitombona tamin' ny tany moa i Dada vao vita ny resak' i Dadatoa ,sady nifokofoko nitomany Izy." Tena tsy mino Aho ry se a!, i Soalala ve dia havita an' izany , ny zanako..!!" hoy i Dada nivaloharika nitomany naniloana an' i Dadatoa ,fa Izaho kosa naka rano mangatsika mba ho sotroiny." Ampio Aho ry se ,hitady an- janako a!,afaka manampy Ahy ve i se e!?, andao hiverina any Isika hitady Azy" hoy i Dada nanohy ny teniny sady nitalaho an' i Dadatoa ,Izaho kosa nipitrapitra sy honena ny foko sy nanganohano ny masoko nahita an' i Dada mitalaho sy mandoalika ." Izao e!, raha fanampiana hoe hitady an' ny zanakao ho any amin' ny tanan- dehibe Isika ,tsy hitako izay hevitra mba hazoko hanampiana Anao, Izaho efa fatatrao fa vao tonga Aho io ka reraka,sady Izaho anie ry valy efa nanao ny haiko tsy ho zavatra nanatra sy nanitsy an' iny zaza iny ,fa Izy mihitsy no efa manana tarazon' toetra avy amin' ny mamany ka manaonao foana tahaka izao, efa toetran' ny vehivavy ry valy a!" hoy i Dadatoa namaly an' i Dada ." Aza latsaina intsony ry se Izahay a!, fa fanampina no hilaiko amin' ny se ,mba hitady an- janako ; raha toaka ka tsy ho afaka moa i se dia mety ve raha hampindramin' ny se tomobilina sy sofera Izahay mba hiverenanay any antan- dehibe " hoy i Dada tamin' i Dadatoa ,fa nihomehy sy nihifikifindoha Izy. " Otran' ny olona mba mahalala reraka sy vizaka ireny ihany anie ry valy io e!, ka mila fankanaina sa tinao ny hisôfen' ireo motera ireo any an- dalana ; hainao tsara ny halaviran- dalana sy ny haratsiny ,ary fatatrao ihany koa fa tsy mandeha amin' ny rano io akory ka tovozom- potsiny ery dia mandeha ,fa mila gazoale io" hoy i Dadatoa namaly an' i Dada ,fa i Dada kosa niodrika ka nisento,fa nanatona Azy Aho ka nitazomoko ny tanany ,ary mangovitra dia mangovitra Izy noho ny fitebitebena an' i Soalala." Ao fa haloako avokoa ireo lany rehetra ry se a,eny na ny gazoale ,fa hatero Izahay, tia Ahita mafy an' i Zanako Aho" hoy i Dada.
kanjo rehefa nijery tahiry kelin' Aÿ i Dada dia tsy nisy hafa tsy 5000 ariary tao ,nefa saika hatao hiantoana ny gazoale an' i Dadatoa ,ketraketraka Izy ka valoharika nandeha nivoaka ." Fa aona ry valy a!, fa inona foana ity kivikivy sy mitanondrin- dava ity e!" hoy i Dadatoa tamin' i Dada ,naneso sy nihomehy Azy." Loza anie ry se fa tsisy vola intsony ao Aminay ao e!, afa tsy ity vola 5000 ariary ity sisa ,nefa saika hanefaiko ny gazoale an' se" hoy i Dada namaly an' i Dadatoa sady nitetehy nikoriana tamin' ny tavany ny ranomasony." Dia inona no azo ataoko amin' izany !!, rehefa tsisy vola ,omeo sarobao Aho e!" hoy i Dadatoa sady nihanjona Izy nijery an' i Dada ." Dia sarobao firy anefa no hoeritreretin' se " hoy i Dada namaly Azy tamin' ny feo malefaka dia malefaka." Omeny valy sarobao 10 gona eo fotsiny Aho e!, sady fanampina sy fintsonjovan' Anareo ihany izany" hoy Izy namaly an' i Dada ,fa nibanjinin' i Dada Izy ,ka nisento Dada avy eo.
Ranomaso foana sy halahelo no nihainan' i Dada satria nalahelo mafy an' i soalala Izy ; dia sanatria ve ka dia tena vitan' i soalala avokoa ireny nambaran' i Dadatoa ireny e!, a,a .. Toa tsy mino an' izany Izahay sy Dada ,zaza efa tonga saina i soalala ,ka mahalala tsy fisianay sy ny fahorianay izay mian- jady amin' ny fiainanay isan' andro,ka tsy hanaonao foana mihitsy Izy . fa baraingo mipetraka mahavaky sy mahalasa saina Anay sy Dada dia aiza i Soalala !? Dia manao inona Izy!?.
Niroso ny diahanay ho any amin' ny tanan- dehibe ,hijery an' i Soalala ,tsy nitendry na nihinana sakafo mihitsy Izahay sy Dada fa rano mangatsiaka natao tamin' ny tavoangy no mba nosotroinay teny an- dalana .
Rehefa tonga Izahay dia nasain' ilay soferan' i Dadatoa niala amin' izay Izahay mianaka fa maika hiverina hono mantsy Izy, fa i Dada kosa gaga." O ry se a!, tsy izao anie no nifanarahanay sy patron an' se e!" hoy i Dada tamin' ilay sofera .
" Ny Ahy Ramose dia baiko a!, ary manana patron Aho ,Izy ihany afaka mandidy sy manapaka Anay ; saody manimba be amin' ny asako izany, fa miresaha tsara aminy Ianao aloha" hoy ilay sofera tamin' i Dada ." fa misy telefaonina ary ve any amin' ny se ,mba hiatsoako Azy" hoy i Dada namaly Azy ; ary nomen' ilay sofera finday moa Izy ." Aona ry se a!, salam tsara , fa Aona ary se no mivadibadika amin' ny fifanarahana i se a!" hoy i Dada tamin' i Dadatoa amin' ny telefaonina." Aona,aona e!?, dia mivadibadika ahoana koa?" hoy i Dadatoa namaly an' i Dada." fa tsy efa nomena sarobao 10 gona ve se amin' ilay gazoale e!; hitady an- janako anie ry se no hadianako ety e!, fa tsy hitsangatsangana akory, dia raha hiverina izany Izahay , inona no hiverenany ?, Izahay anie ry se efa tsisy vola intsony e!, mba ampio moa ry se a!, vonjeo Izahay fa mijaly" hoy i Dada nitalaho tamin' i Dadatoa ." Tomobilina miasa anie iny ry valy e!, fa raha mbola hieritreritra hiverina hiaraka amin' ny tomobilina iny valy dia omeo sarobao 9 gona indray Aho e!, sady efa nahenako mba hintsinjovako Anareo koa izany , mba Isika samy mpiray tanana ihany no hanaovako an' izany a!" hoy i Dadatoa namaly an' i Dada ,notapahin' i Dada moa ilay telefaonina sady nisento Izy ,ary nanganohano ny masony ." Misaotra ry se dia tongava soa any amin' ny tanana " hoy i Dada tamin' ilay sofera sady noraisin' ny tanany,ary nandeha Izahay.
Nivenjivenjy teny Izahay sy Dada satria tsy mba misy olona fatatray na fianakaviana tety an- tanadehibe ; Izahay anefa ity reraka sy nona ( mosary) ,ary ny trano hivantanana koa moa tsisy ,fa tsy maintsy teny amin' ny sisiny lalana Izahay natory, ary rehefa tena mangatsiaka ny andro dia tsy maintsy mitady zoron- drindrin' olona Izahay mba hatoriana , i Soalala ihany koa moa ity mbola tsy ahenoinay vaovao. Fa bongony ny alahelo sy ranomaso ny tarehin' i Dada , efa manahy sy mataotra ihany koa moa Aho sao ka harary ny Raiko satria na ny sakafo hoaninay aza efa tsy zarizary ,fa ilay volakelinay 5000 ariary iny ihany no mba tsinjirainay hividianana sakafo, i Dada koa moa tsy mitsahatra mikohaka maina foana, mijaly Izahay.
Teo amin'ny tampam- bolana teo Izahay sy Dada nitady an' i Soalala ; fa hisaorana Andriamanitra fa nandrenesam- baovao ihany Izy ,na dia ao anatin' ny fitebitebena aza Izahay sy Dada satria any amin' ny hopitaly hono i Soalala. Nandalo haingana tany amin' ny hopitaly Izahay sy Dada nitady Azy ,na dia efa reraka sy torovana ary mosary aza Izahay mianaka dia nikiry ka nangoninay mihitsy ny hery mba hatongavanay any. Kinajo rehefa tonga teo amin' ny hopitaly Izahay sy Dada dia saika norohasin- dreo satria hieverin' Izy ireo fa olona adala Izahay mianaka ,fa malotoloto sy somary efa rovitra mantsy ny lambanay.
Fa nampisehoan' i Dada an' ireo toponan' draikitra tao amin' ny hopitaly ireo mobamoba an' i Soalala ,fa mitady an- janany Izy; rehefa tonga amin' ny hefitra nisy an' i Soalala Izahay mianaka dia Indrisy fa mangamangana sy feno serume ny vatany. Fa honena sy tsy nahetsika Izahay sy Dada nahita an' i Soalala ; dia izao ve niafarany.
Vao nihiratra anefa ny Mason' i Soalala nahita Anay mianaka dia latsaka ny ranomasony." I Dadatoa ry dada.." hoy Izy saika hiteny taminay fa mbola tsy avelan' ireo mpitsambo hiteny zavatra maro sy tsy tokiny mbola hietsika mafy Izy , ary nitsondromon' Izy ireo tamin' ny fampatoriana Izy dia natory indray. Fa lasa ny sain' i Dada hoe manina i Dadatoa !?, nataon' i Dadatoa inona Izy ?; fa nisy Ramatoa mananotena iray no nikarakara an' i Soalala nadrintra izay tapam- bolana izay . Izy no nitondra an' i Soalala tety amin' ny hopitaly ,ary mbola io Ramatoa io ihany koa no niantoka ny lany rehetra amin' ny fanafodin' Soalala ." Misaotra betsaka tompoko , tena misaotra Anao , fa raha tsy teo Ianao tsy haiko izay mba niafarahan' ny zanako, ho tahin' Andriamanitra Ianao tompoko; ary honeran' Andriamanitra Aminao anie izay rehetra laninao tamin' ity zanako ity" hoy i Dada nadohaloka nitomany teo amin' ilay Ramatoa sady nisaotra Azy , fa Izaho kosa teo anilan' i Soalala nipetraka ka noraisoko ny tanany ; fa honena ny foko ka nijinika moramora latsaka teo amin' ny tavako ny ranomasoko.
Teo amin' ny Hérin' andro teo no ninjanonay tany amin' ny hopitaly dia navoakan' ireo doctera Izahay, ka tany amin' ilay Ramatoa aloha Izahay nialokaloka alohan' ny hidinanay any ambani- vohitra , ka nanoboka nitantara ny nahazo Azy i Soalala." I Dadatoa ry Dada no fototra an' izao rehetrarehetra izao " hoy i Soalala sady latsaka ny ranomasony; " Naholany Aho,novetavetainy ary tsy vitain' izay fa nokaisany hiala mihitsy ny fofon' aiko ,ka nokedainy ary rehefa fatany tsy nahetsika Aho dia nariany ka navalany tany anaty rano ; soa fa nisy an' ity Madame ity nahita Ahy ka nitondra Ahy ho any amin' ny hopitaly, ka Izy nikarakara Ahy , raha tsy Izy angamba dia tsy haiko izay mba hiafarahako ary mety tsy hahita salovan- tavako intsony Ianareo mianaka" hoy i Soalala nanohy ny teniny sady nigogogogo nitomany Izy , i Dada kosa vao naheno izany dia ketraketra Izy tafa- dohalika tamin' ny tany ka latsaka ny ranomasony sady norovitiny koa ny lambany ary nigogogogo nitomany ihany koa Izy , ka nifamihana mafy Izy mianaka; fa Izaho kosa nadrotra mila tsy ho zakako ny fendrofendron' ny foko ka lasa niodina nitokana Aho nitomany , tia hamalifaty tanteraka Aho ,hanindritra ny tanako amin' i Dadatoa ." Atao ahoana Anaka ,fa mahatra loatra Isika ka hataon' olona tsinotsinona, hiady tsy haharesy ,hitory tsy hanabola ary toy ny atody miady amam- bato izao Isika ka tsy ahita sitraka sy rariny eo amin' ny manam- bola" hoy i Dada napahery an' i Soalala; fa Izaho kosa nitsangana ka niditra sady tezitra mafy." Na hampitovizin' olona tahaka an' ny biby aza ve Isika izany ry Dada dia mbola handefitra Iany, anabaviko anie io ry Dada e! ary zokiko ihany koa ,izay marary an' io makarary Ahy " hoy Aho sady romotra tia hamaly faty an' i Dadatoa." Marina izany anaka ,ekeko fa anabavin' ny se Izy , ary Ianareo miana- dahy koa zanako, tena fatatro fa efa miotra ny fefy ny vitan' ny dadatoan' areo amintsika indrindra tamin' ny Soalala , fa tsy mahafaty antoka an- tsika izany, aleho Andriamanitra hamaly Azy anaka" hoy i Dada tamin' ny teny malefaka.
Noho ny entim- po mafana taty anatiko dia lasa voakasiko tamin' ny tanana i Dada ,natosiko mafy Izy tsy fananiko anefa izany fa noho ny hatezerana mivaivay tato anatiko ka vaky râ ny vavany sady nitsirara teo amin' ny tany Izy. " Ooay, fa inona ary ity ataon' ialahy ry kiady " hoy i Soalala sady nanarina an' i Dada Izy sy ilay Ramatoa ,fa Izaho kosa nihenahena tsy nahateny sady nangovitra nanenina mafy nahita an' i Dada naratra vaky vava, ka nandohalika Aho ary latsaka ny ranomasoko ,honena ny foko nahita an' i Dada." Mifona Aho ry Dada a! ,tsy fananiko iny " hoy Aho nifona tamin' i Dada sady nigogogogo nitomany Aho ." Mialatsiny Aho fa entim- po mafana loatra , misavorivory tia hamaly faty ny foko ,ka lasa nahakasin- tanana an' i Dada " hoy Aho nanohy ny teniko sady nifokofoko nitomany Aho." Avy anaka , avy eto anilan' i Dada n' areo mianadahy tsy manome tsiny Anao Aho ry Kiady ,maha olom- belona daholo izany ka tsy maintsy misy ny fahatezerana ,ary tsy maintsy voaforona ao anaty ihany koa valifaty ; kanefa eo amin' ny fiainana dia mila etina am- pisainana ny zavatra rehetra atao, fa aza etina amin' ny fo mihitsy fa mety haniba zavatra izany; omeo lalana hiala ao anatinao foana ny fahatezerana ; ary averoko foana fa tsy mahafaty hantoka Antsika ny mandefitra ; mba fatatr' areo mianadahy moa fa toy kidiara- ntsarety ny fiainana , mivadibadika" hoy i Dada taminay sady nisafoiny ny lohako; ontsa dia ontsa ihany koa fony ilay madama ,nahita an' ilay fahatsoram- pon' i Dada,ka niéry Izy niala teo aminay sady latsaka ny ranomasony.
Hiverina ho any ambanivohitra Izahay telo mianaka ,ka niala tamin' ny telo maraina be Izahay ; tsisy vola intsony anefa Izahay mba hataonay saran- dalana , afa tsy ilay vola kely mba nomeny ilay Ramatoa iny Anay no mba hividiananay hanina eny an- dalana , ka tsy maintsy dian- tongotra izany no hatao. Teo amin' ny tapam- bolana teo Izahay nizohy sy nivikiviky tamin' ny dian- tongotra , ka nifandimbiasanay babena i Soalala satria mbola marefo loatra Izy ; soa ihany koa anefa fa nisy sarety mba nitsetra Anay teny akinedaneda an- dalana ka nitondra Anay telo mianaka jusque tany an- tanana. Vao nanagasanga nahita an' ilay tranon' i Dadatoa i Soalala dia latsaka ny ranomasony , fa i Dada kosa honena ka nisento Izy .
Rehefa hikiasa hivarotra anefa Izahay dia loza fa niberiden' ireo manam- bola ny tsena fifarotanay sarobao dia tsy Iza izany fa i Dadatoa indray ." Fa inona loatra ry se ny ratsy vitako tamin' se no dia ampahorian' se sy ampitondrain' se faisana oatrin' izao Izahay a!" hoy i Dada latsan- dranomaso niteny teo amin' i Dadatoa ." inona moa izany no tinao hatongavana amin' izany resaka Izany ?" hoy i Dadatoa sady tsy taitra Izy no ilaozany mamelatra entany ihany , ary ataony tsisy vidiny akory i Dada miresaka aminy." Tsy ho maro resaka amin' se Aho ,fa ahoana moa ny tsena mba hitadiavanay vola no dongin' se ho alaina koa, ataoko fa efa manana tsena ho an' se manokana se" hoy i Dada tamin' ny teny malefaka sy tamin' ny halahelo fa tsy nitabataba Izy." Tsisy placen' olona tsy madoa patante lety ety a!, tanin' ny commune ity rehefa tsy mahaloha hetra ialahy dia miala" hoy i Dadatoa tamin' i Dada ,sady nirabirabiny nataony ialahy i Dada ,nataony tsinotsinona mihitsy." O! Ry se a, raha resaka patante anie ry se ,ataoko efa voalohako haradalana Izany e!, ary tokiny commune ihany koa no afaka manala Ahy eto , fa tsy i se mihitsy akory" hoy i Dada valaketraka sy teratsemboka teo amin' i Dadatoa." Henoy izany ry hozan- damosiko..sady Izaho efa nahazo alalana " hoy i Dadatoa tamin' i Dada sady nihanjona naka seza Izy no nifoka sigara; i Dada kosa kotsan- dranomaso nadohalika sy nitalaho teo anatrehan' i Dadatoa fa tsy nasiny vidiny akory izany,fa hiomehezany fotsiny aza; Tsy zakoko anefa izany fa niodina Aho niazakazaka naka Antsy tany an- trano ,hamonoako an' i Dadatoa; fa nigogogogo nitomany mafy i Soalala." Kiady a!..tsarovy ny tenin' i Dada tamintsika" hoy i Soalala nanakana Ahy niangavy mba tsy hiady." Efa fanetri- ben' ny firenena io ry Soalala a!, ka manabotrin' ny madinika, avelao Aho hiady ,sahiko tsara io " hoy Aho sady tezitra mafy amin' i Dadatoa ." Kiady ,zanako ..Tsy tsara izany miady izany" hoy i Dada nijery Ahy sady kotsan' dranomaso ny tavany sady naloto noho ny hatseboana ny lambany , fa honena Azy loatra Aho ka vao maika niakatra ny hatezerako ." Ekeko izany ry Dada a!, mila ho faizina koa ny ratsy ,avelao Aho ry Soalala ,avotsory ny tanako aza tazomina Akory Aho,tsy maitsy ho alatsiko eto ny ran' ilay tsivanona io,ka hotsatotsatohiko amin' ity Antsy ity" hoy Aho romotra tia hamono an' i Dadatoa." Alefaso ny andro ratsin' ialahy ,raha tia hinana vary tsy vidina any am- ponja ialahy" hoy i Dadatoa sady nitelefaonina Izy.
Afaka kelikely teo dia tonga ny gendarme , ka avy hatrany dia nisambotra Ahy ka nidin' ireo minoty ny tanako,satria mbola tratran' Izy ireo teny amin' ny tanako ilay Antsy hamonoako an' i Dadatoa ,ka netin' Izy ireo Aho,ka nigadra teny amin' ny zaza maditra no nisy Ahy satria mbola tsy ampy taona Aho mantsy; fa nifona sy nitalaho tamin' i Dadatoa sy ireo manam- pahefana i Dada mba hamototra( hanajanona) Ahy, fa tsisy mpihaino akory Izy fa natosin' Izy ireo Izy satria maloto ka lavo sy nitsirara teo amin' ny tany i Dada , i Soalala kosa vao nahita Ahy netin' ireo manam- pahefana dia safotra torana Izy ka ireo olona teo amin' ny fiaraha monina no mba nikarakara Azy mianaka ,fa Izaho kosa higadra noho ny fidiavako ny rariny , fa resy sy tsy mahery akory izany noho ny manam- bola; maty ny hasina sy ilay zo fahafahana noho ny besandry sy ny vola .Diso ve Aho raha misy ny fitsarana!? saingy tsy nadalo fitsarana Aho fa tonga nidoboka tany am- ponja 3 volana be Izao , miaina mafy indrindra sy mafaika ny fiainanay telo mianaka ..misy ve ilay antsoina hoe anjara masoandro?, raha misy izany ,aiza izy?.
Afaka roa tokom- bolana taty aoriana dia nitsidika sy namangy Ahy ilay Raiko sy i Soalala zokiko , sady nivatsy sakafo tamin' ny tavoangy mba hoaniko; honena ery ny foko vao nahita an' i Dada lasa mahia kely sy lasa fotsy mila hisasaka tanteraka ny volony eny an- dohany tsapako fa miadin- tsaina noho ny fiainanay telo mianaka Izy , i Soalala kosa malotoloto manao an' ilay lamba tsy dia misolo loatra firy fa amin' iny akodiny iny ihany; latsaka ny ranomasoko ka niodrika Aho ary nisento." Mahereza Anaka , ary aza mitsahatra mivavaka, fa vavaka no manova zavatra ; na ho ory Isika na ho manana dia tsarovy fa iray ihany mbola hiafarahin- tsika ,fa tsisy tompony izao tontolo izao; fa Andriamanitra no tompony teny farany ; izay ilay hoe Izy no hiady ho Antsika fa Isika kosa hangina " hoy i Dada tamiko nampahery Ahy ,ka nifamihana Izahay telo mianaka ary latsaka ny ranomasonay." Ity sakafonao Anaka, mazoto homana ,fa andeha Izahay sy Soalala zokin' se , fa manapetra ihany mantsy ny famangina ato, fa rahapintso tahak' izao Izahay mianaka makaty indray ; ary amin' ny sakafon' se ao misy taratasy nosoratan' i Dada ho an' se ; Izay fa andeha izahay" hoy i Dada ary nohoroan' i Soalala ny takolako ka lasa Izy ireo ,fa Izaho kosa latsan- tokana noho ny halahelo ka nigogogogo nitomany Aho.
Rehefa voky Aho dia naka sisindridrina ka namaky an' ilay taratasy nosoratin' i Dada ho Ahy ; indrisy fa latsaka ny ranomasoko honena dia honena ny foko nahita an' ilay asa soratran' i Dada satria noho ny Amiko sy hanafahana Ahy ety am- ponja dia namidin' i Dada ny tanindrazanay ,namidiny avokoa ireo ala kininina izay fanaovany sarobao. I Dada ,tena nitotototo Ianareo mianaka , nitady hevitra ,mba hanafahana Ahy ety am- ponja , menatra Anareo mianaka Aho noho ny adalako , nitondra vesatra ho Antsika Aho.
Afaka 10 minitra teo dia avy avany ilay piandry varavaran' ny fonja ; hamoaka Ahy fa efa vita androany hono ny fonjako ,ny fianakaviako koa efa miandry Ahy ao ivelany ao dia ry Dada sy Soalala zokiko izany. Endrika sarika sy faly no tazako teny amin' ny Dada , bitaka sy haravoana kosa ny an' i Soalala vao nahita Ahy Izy mianaka ; fa nihazakazaka mafy Aho niatsampy tamin' Izy ireo ka nifamihana Izahay telo mianaka ary samy latsaka ny ranomasoko.
"Misaotra Dada a!" hoy Aho taminy sady nifendrofendron' ny ranomaso Aho."Anaka ,zanako Ianareo tsisy nasiako tombo sy hala ,fa tiko ary izay marary Anareo dahy dia marary Ahy; ary tsy maintsy hialan- tsika ity toerana ity fa nahitan- tsika mangidy sy nampitondra faisana loatra ,ka handeha any amin' ny tanan- dehibe any Isika honina sy hivelina indray" hoy i Dada mantsy anay mianan- dahy .Ka niakatra tany antanan- dehibe Izahay telo mianaka ; ary teny amin' sisiny lala- behy no nialikalofanay sy nanaovanay kitranotrano ary samy niara nitady nanary fakon' olona teny Izahay telo mianaka ; Rehefa nandeha teny ny andro dia indro fa nifanena tamin' ilay madame nitsetra sy nitsabo an' i Soalala Izahay telo mianaka . Faly ery ilay madame ,ka tonga dia netiny tany antrano Izahay ; ka namonoiny akoho ary tsy navelany hirenireny sy hatory an- dalana intsony Izahay fa nasainy hiara hipetraka Aminy . Nitombina tafapetraka i Dada ary niodrika ka nisento ; fa Izahay sy Soalala kosa velom- panatenana sy velovelom- bolo ary midera manokana amin' ny soa vitan' ilay Ramatoa ity taminay .
Teo amin' ny iray volana teo dia nifanohana sy nifanampy an' ilay Madame Izahay telo mianaka ; i Dada dia miaraka amin' ilay madame manjaitra fa Izahay mianan- dahy kosa mikarakara ny ato antrano sy manatitra hanina any am- piasana. Tsy mahafoy Anay mianan- dahy mihitsy ilay madame ary mandray Anay ho toy ny zanany naterany ; satrinay mianadahy aza izany satria Izy no afaka mameno fitiavan- dreny izay tsy hary hazonay nandritra tsy nahateo
:Nandritra tsy nahateo an' i Neny izay nandao Anay telo mianaka tao anatin' ny sarotra sy tsy fisina dia nitolona irery hiady ho Anay mianadahy i Dada; i Dada , raha teo amin' ny fiainanay dia afa mihitsy Izy; tsotra ,be herim- po ary tsy mba kivy fa manana fanatenana foana ; na dia maro pandantsa ,maneso, indrindra ireo mikasa hisopatra tsy nahakivy Azy izany. Tsapanay fa miasa sy mintsinjo eo amin' ny fiainanay Andriamanitra ,ka nanokatra masoandrom- piainanay ho amin' ny tsara indray ; lasa mpivady ihany koa ilay Ramatoa sy Dada taty aoriana ,satrinay sy sitrakay mianadahy tokoa izany satria lasa nisy Reny indray Izahay ;Izay Reny tsy mba nanananay hatramin'izay .
Izay tokoa angamba ilay antsoina hoe ny soa atao levenam- bola; ary ratsy atao loza mihantona, fa ny marina an- tany tsy mba maty .
I Dadatoa ilay mpanao tsindry hazo lena ,mana- botr' ny madinika dia faly sy ravo tokoa satria resy teo amin' ny fiainana Izahay satria nivarotra tanindrazana i Dada ; Tsy afaka nahamaly Azy i Dada na dia efa nampitoviny saranga tahaka an' ny biby Izahay telo mianaka satria atody tsy afaka hiady amam- bato ,ary tsy mba nanozina Azy ary Izy ,fa fisaorana aza no setriny ireny ratsy nataony taminay ireny . i Dada ilay tsy ananay roa eto an- tany ,ka sambatra Izahay mianadahy manana Azy.
Vita tompoko.
Hisaorana manokana Ianareo izay manaraka ny asa soratro hatramin' ny farany; indrindra Ianareo izay nanampy sy nanitsy ho amin' ny kanto MALAGASY
#Aina patrik
