samedi 25 janvier 2020

KAMBOTY FITIAVANA- Sombintantara fizarana farany

Dia niditra nangorona izay azony nentiny tany antrano i Doda sy ireo namany telo lahy. I Sarah sy Robin kosa nakaty @ fiara. -Fa nataonao inona tao i Zoary... toa nandre azy niantsoantso mafy aho hoy i Sarah -Hahaha... nohaniko lery e... -Tsy azoko... nohaninao ahoana ? -nofaiziko e..... fay angamba izay raha mahatsiaro tena eo. Naholako ho folaka mihitsy mantsy ny an'lery ka mety tsy hihenjana intsony intsony mandrakizay. -tsisy zavatra azoko izay ambaranao ? mba marina moa. -avalao rehefa tsy azo e... sarotra be manazava izany...velomy amin'izay lesy ny fiara ry velomana a. efa iny ry jalahy fa tamy. Lasalasa ny sain'i Sarah, inona loatra ity asa ataon'izy ireo ity.. toa hafahafa aminy. Fanafaizana olona tsy mahay miaina hono? dia inona moa no misakana azy tsy hitantatara ny nanjo azy ka hanafaizana an'ilay ramatoa renin'iny olon-tiany iny. Tsy zakany loatra izay vava ratsy natao azy izay mantsy, mbola tsy afaka antsainy foana izy nalikalikana sy noroasina t@ indray andro iny. Fety be ny tato antrano ny ampitson'iny. Nanasa ireo tapaka sy namana i Robin. Fisotrosotroana mandrapody masoandro. Tsy inona no anton'izany fa ny nahavitana iny asa omaly alina iny. Efa elaela ihany mantsy hono no nikatsahana hanafaizana an'i Zoary izao ka izao tontoso soa aman-tsara izao. Finaritra tsara ery ireo ekipan'i Robin indrindra fa izy tenany. Nivoaka teo @ fipetrapetrahana teo antokotany izaho sy Velomana ka tafaresaka . -ndry ity aloha tena manja e! marina moa. Aiza no tsy ho voajono malaky i Zoary. hoy i Velomana no mipololotra sigara eny @ molony. -aiza kosa lesy a. Fa izy mihitsy no efa matim-behivavy ka mora roboka. - tsy izany ! fa ndry no kanto loatra ! -misaotra ary e! .... -f'indry ve mbola manantena an'ilay vadin-dry izay ihany? -manantena kely ihany....de izao hoa... hitan'ialahy... Notapahiko aloha ny teniko.... haborako aminy ve ny tiako hatao, hilaiko fanampiana amin'i Velomana. Nilaozako nihodikodina fotsiny. -Teneno akia aa... inona izany? -Afaka manampy ahy ve ialahy? -ka teneno aloha eee... -te hanafay ilay rafozako aho fa mafy tamiko loatra izay ngidy nampitondrany ahy izay. -dia inona no hataontsika ? -Ka izay ange no hilaiko fanampiana aminao e. -ndraso fa mahita aho, atoroy ahy fotsiny aloha ny misy azy . -ho ataonao irery ve? -tsia ka! isika sy ianao fa miankina @ zava-misy any no hanatanterahina azy. -Hay ve. dia mba ataovy haingana . dia mbola mila fahazoana alalana @ Robin ve isika vao afaka manao izany sa? -ie. mazava be akia izany a. Isika ange eo ambany fifehezany e. -Eny ary e. Andao hiditra amin'izay fa sao gaga zareo ao antrano hoe nakaiza isika. -Aza mbola mandeha aloha e. -fa misy inona ndray lesy Velomana a? Tsy niteny anefa ity izy fa nibanjina ahy fotsiny. saika handroso aho no voatazony. -tia an-dry aho... eny e... efa haiko fa efa lasan 'olona ny fondry ka nefa ... tsy aritro ny tsy hiteny izany. -tsy mety lesy izany a... tampoka be tamiko koa... aleo aloha amin'izao...dia ho hita eo ihany izay tohiny. -tiako fantatrao fotsiny fa tia anao aho Sarah ... - andao aloha hiditra ho aho e... Tsapako ho tena tia ahy tokoa i Velomana , hataoko ahoana anefa? mbola manantena an'i Gasto aho . Mbola izy hatrany no mameno foko izay mahatonga ahy hiady ho an'ny fitiavanay izao. Tsy fahadisoan'i Gasto velively no nahatonga ahy niala tao aminy fa noho ny reniny .Na ny nialako tao aza tsy mba fantany akory. Mbola tsy tonga mantsy izy tamin'izany. Roaka alika no natao ahy. Ny ampitson'iny resaka nifanoavanay sy Velomana iny dia natoroko azy ny toerana misy an'i Gasto mianaka... Lasa tokoa moa izy nitady ilay toerana. Tsy ela izy dia tafaverina fa nitondra fiarakodia fitondrany iny... -nanahoana lesy a? hoy aho vao nigadona taty antrano izy ...efa te ahafantatra ny vaovao momba ahy izay ela izay izaho. -ndry koa maika be... mba avelao aloha aho hipetraka e... dia hakao rano kely sotroiko... -eisiii... ialahy ko! efa mba tiako fantatra lesy a. ity ny ranon'ialahy -misaotra... dia izao ary... -mba mampitaitaina koa izany raha olona ka...tenenoo -rehefa izaho niala teto iny dia nizotra nanaraka iny lalana natoro ndry iny. rehefa nanakaiky tany aho dia najanoko alavitra ny fiara. Nanatona ilay trano aho ka ilay ramatoa renin'i Gasto-ndry mihitsy no hitako voalohany. Noharabaiko izy ... namaly ka nony farany dia nanontaniako sao mba mahalala an'i Sarah ...mahalala an-dry izany e... dia ahoana hozizy ndry... zay avonavon'olona izany... lazainy fa efa maty hono ndry. andana tadiavo any akoatra raha mitady azy hoy izy dia iny no niala. Rehefa lasa izy dia nahita an'i Gasto aho... nanontaniako sao mba mahalala an-dry ihany koa .Nirotsaka avy hatrany anefa ny ranomasony vao naheno ny anaran- dry... lazainy fa efa maty hono ndry. tena kotsa ilay bandy e. Nalahelo mafy. -izany ve lesy! mampalahelo kosa izy... dia ahoana ny tohiny? hoy aho mba nalahelo.Malahelo ny tenako ihany koa. -Rehefa avy niresaka izahay dia nody aho ! fa tena miavona tokoa kia ilay reniny. saika tsy navelany hiresaka t@ Gasto nge izaho e. -efa fombany mihitsy lesy io a. io no ilaiko fanampiana amin'ialahy. -eny e. efa matiko paika ny tetika rehetra . Mila an'i Mino ihany koa isika. -Teneno ary hoe inona...? -antsovy tany fotsiny i Mino dia ampamboariko ny endriky ndry. Tsy nahalala izay tian'i Velomana ahatongavana aho fa nantsoiko fotsiny i Mino... -inona no ilain'ialahy azy amin'izay Velomana? efa io izy izao? -eny tokoa ... maimaika mantsy izaho hoy i Mino -hamboarina ho toy ny hoe matotoa ny endrik'i Sarah... Taitra daholo izaho sy Mino nandre izany. -inona a? matotoa ahoana ? hoy aho -hamboarina ho toy ny matotoa mampatahotra ndry. -satria nahoana ka? -hanafaizana ny Rafozandry fa tsy inona ka.... sa tsy mila ny fanampiako indray? -eny e. fa azavao tsara. -vao niresaka isika omaly dia efa nampoiziko fa maty no fiheveran'ireo olona ireo an-dry. ka ho any isika anio alina hiseho amin'ny zareo. Amin'izany dia hihorohoro fatratra ramatoa iny. Ny endriky ndry no atao milamina tsara. Izay vao nazava tamiko ny tian'i Velomana hatongavana . Nomeny sary iray tao anaty boky i Mino ka namboarina nampitoviana ho toy ilay tao anaty sary ny endriko. -hahaha... tena mampatahotra izao e... mety tsara mihitsy... asiana ba kiraro lava be fotsiny dia amin'izay toy ny hoe mitsingevana ndry. Ilay tarehy koa asehoy tsara mba ahafatarana fa i Sarah tsara io alohany io .hoy i Velomana. -dia hataon'ialahy torana mitsangana izany ramatoa izany . hihi ... hoy i Mino. -ka mafy ange akia izay nampitondrany ahy izay e.hoy aho, mitady ho latsaka ny ranomasoko, mamerina ireo lasako. Tokony teo @ 8 ora alina teo izahay no niala ny trano hamonjy ny fonenan' ilay renin'i Gasto . Olon-tiako iny izy na dia efa heveriny ho maty aza aho ankehitriny. Izaho sy Velomana ary koa i Mino no nanainga rehefa avy nilaza tamin'i Robin izahay fa misy zavatra ho ataonay vetivety. Tsy sarotiny raha teo moa ity farany. Efa manakaiky ilay trano fonenan'i Gasto indrindra izahay. Io indrindra ny trano nilaozako nitondrako ny mangidy indray takariva iny. -aleo ajanona eto ny fiara sao misy mahatsikaritra hoy i Velomana no nampijanona ny fiara . -marina izany... hoy aho -dia izaho koa ve hoany sa? hoy i Mino -aleo ndry mijanona eto mitsikilo , antsovy zahay vao misy zavatra hafahafa.... -eny ara moa e... Nivoaka ny fiara izahay sy Velomana, efa milamina tsara ny endriko hilalao matotoa. Amin"ny 10 ora alina izao. Maizim-bolana tsara ny alina. Namonjy teo @ vavahady izahay... io mihidy tsara io. -aleo mihoatra tamboho fa tsy afaka ity. hoy i Velomana. Nihoatra tamboho izahay, tsy dia avo be rahateo moa izany... Tonga eto antokotany zahay. -aiza ny efitra fatoriany? - @ io efitra ankavia misy jiro mazavazava io lesy. -andao ary ndry manaraka avy ato aoriako... Efa manana fanalahidy maro i Velomana, vetivety monja namahany ny varavarana. Niditra izahay. Nijaikojaiko nanaraka lalatsara lavalava. manoloana ilay efitra misy an-dramatoa indrindra izahay izao. -ito... vao misokatra ity dia mitsaitsaika miditra ndry a. tairo raha ohatra mbola matory. -ok! iny fa nisokatra. Niditra aho... io mbola matory io ihany izy.... Nijanona niafina tao andalatsara i velomana. Aleo tairina ... iny fa mikofokofoka , io fa maniratra ny masony dia mandinika tsara ahy. -Ah??? toa i Sarah... vonjeo eee. hoy izy nikikiaka mafy aok'izany mila ho maty ny tahotra. Vao maika anefa nohatoniko akaiky. - aza manatona ahy ianao e... fa mataotra aho. Inona no mbola ataonao aty @ velona aty. -tsy maintsy tonga haka anao aho ramatoa ity a. hoy aho -ho entinao aiza aho? -ho entiko hanaraka ahy. -mifona re. aza vonoina aho... avelao aho. -Tsy maintsy fongorina hiala @ ity tany ity ianao fa feno avonavona loatra ny fo-nao ramatoa ity a. Mba fantatrao moa ny nanjo ahy t@ andro nandroahanao ahy hiala t@ ity trano ity iny.... Tsy maintsy alaiko ianao. Hoy aho nampataotra azy hatrany... -aoka re ... ao fa tsy ataoko intsony. mifona aho. -mendrika anao koa ny fahafatesana ramatoa ity a. niaraka t@ iny dia mody nasafoko teny @ tendany ny tanako roa hanakenda azy . -mba fantatrao moa fa hivaly aminao avokoa izay ratsy ataonao @ olona io? izao dia efa havaliko ny anjarako. Nipatrapatraka ny ranomason'ilay ramatoa, nivalo sy nandohalika teo alohako. Toa nampalahelo ahy indray izy. Hita mihitsy hoe tena t@ fony manontolo no nanao izany. -aza vonoina aho, avelao aho ho velona. Fa hiova @ toetrako izany...hoy izy nitalaho. -hay... raha izany...dia avelako ianao. Fa tandremo...mbola hitako foana ianao . Nivoaka aho taorian'izany. Fa nakaiza koa ary i Velomana tsy eto intsony. Nivoaka aho rehefa tsy nahita azy teo. Efa taty ivelanay vao iny koa izy nivoaka -Fa taiza ialahy e? -ka taitra i Gasto e. dia nanosika ny varavarana mba tsy ho afany aho. -dia nataon'ialahy ahoana rehefa niala ? -rehefa hitako fa vita ny nataondry dia niala aho ko... -de tsy hitany ve? -tsy hitany ka... tonga dia namantana tany @ reniny izy. -hay ve... Nitsambikina teo @ vavahady indray izahay. namonjy ny fiara. -nanahoana ny lalao nataondry tao akia ? hoy i Mino -nilamina ka. Nataoko nandraingiraingy izy. Saika ho toran'ny tahotra vao navelako . -haha. izany ve.... -fa tsy nifanehitra t@ Gasto aloha izaho na izany e. -mbola hifanena aminy ndry fa aza maika e. -Aleo miainga amin'izay isika e.... hoy i Velomana. Dia nitodi-doha niverina izahay. Rehefa nahavita 3 kilaometatra teo anefa ny fiara dia nahita olona milafika matory teo antsisin'arabe izahay. Saika voahitsakin'ny fiaranay. -tena olona io Velomana hoy aho -tsssss... inona koa ary no ataony eo. -ka mety mamo e. hoy i Mino. -aleo vonjena izy, sao mba olom-pantatra ihany. Ny andro koa ity efa hisasak'alina. Dia namonjy sisiny aloha ny fiara. Nivoaka izahay sy velomana. -hmm tena maratra izy zany! jereo anie... aleo bataina ho any anaty fiara. -sao mba efa maty kosa lesy? -tsia ka.. mbola mitempo tsara ny fony. eo ndry eo @ tongony fa izaho eto @ lohany. -eo ary eee... isa roa telo Nobatainay ho anaty fiara ilay lehilahy. Akory anefa ny hatairako raha nahita ny endriny. -andriamanitro... tena izy io hoy aho -Fa misy inona? izy io ahoana? hoy i Mino -i dada io e... tena ny raiko niteraka ahy. Novenjeko malaky teo , nofafako ireo ratra, sy ireo vovoka. - azavao aminay tsara e -dadanay hoa ity... fa tsy fantatro izay nanjo azy. Tonga taty antrano soa aman-tsara izahay. gaga i Robin raha nahita ity olona hafa nentinay -fa iza io e? hoy izy. -olona hitany tany ity e. lazain'i Sarah fa rainy hono hoy i Velomana -izany vee... fa tena rainao ve io? -ie.. tena ny raiko ity . aleo ampidirina any antrano izy fa tena noana angamba dia tsy afaka ny nandeha intsony. moa izy efa mba mahatsiaro tena ihany. dia nentinay taty antrano i dada , nanaovana la soupe mafana aloha hampitamberina tsara ny ainy. Torovan'ny hatsiaka mantsy izy. -ity aloha hano e... hoy aho. Nihinana izy.. rehefa lany izany vao mba nahasokatra hiloam-peo izy. -fa iza anga ianao, dia aiza aho izany? hoy izy -tena tsy fantatrao tokoa ve izaho e? -tsy fantatro. Naniratra ny masony tsara i dada nandinika ahy. -jereo tsara e. Efa naveriko t@ fombany moa ny endriko . -i Sarah??? tena ny zanako. Hitako ihany ianao anaka. hay tsy maty izany ianao. -ie ny zanakao ity dada a. Tsy maty zany aho ka. Nifamihina ela be teo izahay ka nila tsy hisaraka mihitsy. -aiza ny tany tsy nitadiavako anao anaka. Vao avy nitady anao indrindra aho no tsy nanana hery handehanana intsony noho ny harerahana, ary noana ihany koa ka nianjera teny andalana teny. Efa ho herinandro mahery izay, nitady anao foana aho isanandro tsy nitsahatra. hitako ihany ianao anaka. Mifona aho , mifona aho raha nandroaka anao . nentin'ny fo mafana loatra aho t@ iny. -Izaho koa mifona aminao dada a. tsy nanaraka ny teninao. Efa hadiva haraina vao natory izahay mianaka. Nitoetra tato aloha izahay sy dada nandritra ny herinandro. Rehefa tapitra izany vao nangata-dalana hiala. -misy resaka tianay ho atao anao Robin a! hoy i dada. Efa nifandray tsara moa izy roa lahy, nifampitondra toy ny efa mpinamana be ireny. -hoe ahoana izay? hoy Robin -efa herinandro izay no nahatongavako tato aminao ka maninona moa raha avelanao mody amin'izay izahay mianaka? -afaka mitoetra aty mihitsy ange ianareo mianaka e. fa raha izay moa no mety @ nareo dia tsy maninona? -aleo izahay hamonjy ny tranonay Robin a! hoy aho. -eny e.. fa aleo homeko ny tambi-karamanao t@ efa nanampinao ahy. Rehefa nandinika tsara koa aho dia tsy hanohy intsony ny asako, homeko ny karamany daholo ianareo. Raha mbola misy mazoto hiaraka amiko ato ihany moa tsy maninona. Nanolotra valonam-bola misimisy ho ahy Robin... -tena misaotra betsaka tompoko. Misy ho entinay sy dada miaina mandritra ny fotoana lava ity. -karamanao ange ity oa e. tsisy isaorana. Dia omena fiara iray koa ianao Sarah a -tena marina ve? -ie... homena ianao. afaka misafidy @ ireo antokotany ireo. -dia misaotra betsaka hatrany tompoko. Andriamanitra manakarem-pahasoavana anie homba anao. Ny andron'iny no niala izahay sy dada , feno hafaliana tanteraka aho. Azo ny vola, ny fiara . Misy ho entina miary mandritra ny fianako. Hapetrako any @ banky ity dia any no maka tsikelikely @ izay ilaina. Andro nahatsapako hafaliana indrindra teo @ fianako izany. Satria mahatsapa aho ho tsy kamboty fitiavana intsony... tian'ny dadako loatra aho , tiako ihany koa izy... tsy ambakan'izany ireo olona niarahako niaina nandritra ny 2 volana latsaka kely izay. i Gasto indray no tsy fantatro... inoako fa mbola tsy foana ny fitiavany ahy. Mbola miredareda hoazy ny fitiavako. Hatreo aloha no azoko notantaraina anareo teo @ tantaram-piainako. TAPITRA Alok Tefson Misaotra naharitra namaky hatramin'ny farany tompoko.