samedi 25 janvier 2020

KAMBOTY FITIAVANA SOMBINTANTARA FIZARANA VOALOHANY

-Efa tsy miasa itony no mbola tsy mahay inon'inona ihany. -Neny a.... -neny a, neny a! ngah' ity zanaka naterako, i Gasto no zanako... -Mifona aho, aza atao an'izao. lelafiko re ny faladianao a! -io lelafo e! raha hendry ndry mandehana mody, tsy hampanambadianako vehivavy toa an-dry io velively ny zanako. -andray kosa e. Noroasin'i dadanay nge aho no nandeha nankaty io ka tsy manana azo iankinana intsony akoatra an'i Gasto olon-tiako aho. Dia mbola ho sahinao ihany ve ny handroaka ahy ? -ray niteraka an'ity aza mahavita mandroaka an'ity ka vao maika izaho. Izao dia raofy ny entakelin-dry dia lasa ndry @ izay mahafaty an-dry any. Leo aho. - avelao kosa aloha ary aho hiandry ny vadiko vao mandeha e. -fa trano ny vadin'ty moa ato? ataovy tsara ao anaty lohakelin-dry io fa tranoko ity ipetrahanareo ity. Ndana ho' aho miala fa tsss. Dia nangorona ny entany ilay tovovavy.Tsy inona moa fa akanjokanjo vitsivitsy tao an-trano, nataony tanatina sakaozy izay efa tota ny ela fitondrany iny. Ny ranomasony amin'izay tsy mitsaha-mikoriana eny @ tavany. takariva mena faravodilanitra tamin'izany. Nijaikojaiko nivoaka ny trano izy. Nanaraka iny lala somary rakotra bozaka miakandrefana iny. Tsy fantatra hoe hakaiza fa entin'ny tongony fotsiny. Tsy ela dia niletika ny masoandro... Mbola mamindra malaky tsy mianto hatrany anefa izy. Niditra kirihitr'ala. Tsy tao anatiny intsony ny tahotra. Ny hiala lavitra no masaka tao antsainy. Raha izy tsy nanampo inon'inona iny akory no iny nisy lehilahy niseho tampoka . Avy hatrany dia nanarona ny lohany ary nibata azy ankerisetra. Tsy nahatohitra intsony razazavavy fa toy ny valala voasambotr'ankizy. Efa aty an-tany tsy fantatra aty vao napetrak'ity olona nitondra azy. Napetrany teo ambony fandriany... Tsy namoaka feo mihitsy ilay lehilahy... Sarah no anaran'ny tovovavy , 20 taona mahery izy izao , azo lazaina ho manam-bika ihany. Mpianatra eny @ lisea izy no nanomboka niaraka t@ Gasto , tovolahy isany tena nahay tao andakilasy. Nifankatia be izy roa kely ,tsy nisy tsy nahalala azy ny ankizy. Rehefa ela anefa ny ela dia fantan'i Dadan'i Sarah fa misary adala amin-jazazalahy any ambadika any ity zanany izay efa nifoforany andro aman'alina @ fiantohana azy . Olona mafimafy ady mantsy i Rambelo rainy. Efa nodimandry ny reny niteraka. Rambelo noho izany no reny no sady ray nikarakara an'i Sarah. Karazan'ireny ray masiaka be ireny @ fitaizana an-janany Rambelo, tsy mba nanam-pahafahana teo @ fianana mihitsy i Sarah fa dia voafehifehy foana. Tezitra mafy aok'izany ingahy Rambelo raha nahalala an-janany manao sipasipa sahady. Nanaovany teny mahery ity zanany. Nanohitra anefa i Sarah. Hany ka taty aoriana dia noroasiny hiala azy ilay menaky ny ainy rehefa nifandona matetika tao izy mianaka. izao nakany @ Gasto izao(...) Ramatoa renin'i Gasto koa anefa vehivavy ratsy saina be tsisy hoatr'izany no mpamingavinga olona be. Efitrano somary maizina no indro tazan'i Sarah vao noesorin'ilay olona ny zavatra nanarona ny lohany. - Fa iza ianao? hoy avy hatrany izy vao nahasokatra ny vavany. Tsy namaly anefa ilay lehilahy , misaro-tava raha teo koa ka tsy fantatra ho iza. Nodinihan'i Sarah tsara ity olona manoloan azy. Lehilahy tokony 30 taona mahery eo, lava no sady ranjanana . Nanatona azy teo ilay lehilahy, nandray ny tanany , ary dia nofatorany tamina scotch matevina be ireny mbamin'ny vavany. Nikofokofoka teo sisa nataon'ity tovovavy. Tsy afaka ny hanao inona intsony. Nitolefika teo @ toerana nasiana azy i Sarah nony ela ny ela raha avy nivavaka mangina tany ampony tany mba tsy hovonoin'iny olona naka azy ankeriny iny. Famindrana nivezivezy tany ambadika tany no reny vao niniratra ny masony izy ny maraina. Niandry izay olona ho tonga hamonjy azy ato . Nanongilatsina tsara izy...ka injany tokoa fa misy famindran'olona manatona makeo ambaravarana , iny fa nisokatra. Tonga dia nivandraka teny @ ilay endrika misaro-tava i Sarah... -Manahoana ramatoa kely... hoy ilay rangahy no nitsiky maneso izato tovovavy . tsy afaka ny namaly anefa ity noharabaina fa mitampina ny vavany. Nikonaina izy , dia nohatonin'ity olona teo anilany. Indro fa nositomina hiala ny scotch nanampina ny vavany. -Fa hataonareo inona ato aho??? avelao aho hody .... hoy izy no nanomboka mando ny dobo keliny roa. -Tsy hanao inona anao izaho ka... misy fanampiana kely ilaiko avy aminao fotsiny. hoy ilay olona. -Fanampiana inona izany? -Raha vonona hiara miasa amiko ianao dia tsy hanao inona anao aho . Aza matahotra. -ka tsy azoko ange hoe inona izany e... -Ho fantatrao miandalana ihany ka.... fa vonona ve aloha ianao e? Nieritreritra lalina aloha i Sarah vao nanatoka ny lohany ho marim-panekena. -ok! tsara! Robin aloha no anarako , ary mba azoko fantarina ve izay momba anao. -Tsy feno ange ny anao izany e? Robin iza tsara ...sns... feno ireo vao milaza ny ahy aho. -izay ihany aloha no azoko omena anao izao. Ny sisa kosa ho fantatrao miandalana.hoy i Robin no nitsiky vilana ity tovovavy manoloana azy. -i Sarah koa izany no azoko omena... io no fiantso ahy -Faly mahalala anao ramatoa kely Sarah... ao fa omena fahafahana amin'izay ianao... fa kosa tsy afaka mivoaka ity trano ity a... efa misy izay ilainao rehetra mantsy ato. Novahan'i Robin teo izy, ary nanala ny saro-tavany koa ny lehilahy . Trano miezonezona voafefy tamboho avo dia avo no itazomana an'i Sarah ato. Tsy iza no tompony sy monina ato fa i Robin . i Robin moa dia lehilahy isan'ny voatositosika teny @ fiarahamonina nisy azy teny, natao tsinotsinona , noho ny tsy fananana angamba dia nohamavomaivoina ny zo maha olona . Raha averina ny tantara ,10 taona lasa mahery tany, efa nanambady aman-janaka izy tamin'izany fotoana. Zanak'olona mpanefoefo be i Sonia vadiny, isan'irony olona manakatao be ireny, nifankatia be anefa zareo ka tsy voasakan' ny elanelana nisy teo amin'ireo tonta . Rehefa nandeha ny fotoana,niova nanaraka ny zava-nisy i Sonia, leo ny tsy fisiana angamba, eny nihaino ireo ray aman-dreny nahitany masoandro. Impiry moa ireo ray aman-dreniny no nandrisika azy hiala an'i Robin fa saingy natosiky ny fitiavana dia niaritra tao foana. Raha mba nitalaho fanampiana tany @ rafozany i Robin , eso sy teny mahery no setriny. Ny ray aman-dreny tokony hianteherana efa nody mandry. Kamboty izy, tsy nanana an'iza an'izy teo @ fianana , na ny havana aza moa nanary azy vao nody mandry ny ray niteraka , tsy ampy firy taona taorian'izany koa dia nandao azy ny reny nitondra akibo 9 volana. Hany ka kamboty izy, kamboty tsy nisy mpiahy. Ny vady mba saika andry hiankinana koa ity lasa nikopa-kelatra tsy tamana . Nandao ny ankany trano bongo nisy ronono. Nahita akanga tsara soratra ka nanary ny akoho taman-trano. Nohentiny nanaraka azy any ilay zanak'izy roa.Honjohonjon'i Robin samy irery sisa niatrika ny fiainana. 2 taona nisarahany tamin'ny vadiny dia niova fakahalana tanteraka iny fo be fitiavana tao anatin'i Robin iny. Halany maiziny ireny mpanankarena ireny, niova fo vato ny fony.Nitsiry tao anatiny ny sain-dratsy, namory ireo namany mitovy fijery aminy izy izy ka nanangana vondron-jiolahy. Ny asa atao amin'izany moa dia mandroba ny haren'ireo mpanakarena malaza ho mpanao tsinotsinona ny madinika irony .Tsy nifidy hasiana izy fa izay fantany dia lasibatra tamin'ny asa ratsiny avokoa. Eny hatrany ambanivohitra aza. Ny ray aman-drenin'i Sonia vadiny taloha indrindra no nataony nahita faisana voalohany . Nanakatao mba nitovy @ olona i Robin nanomboka teo. Mbola tsy sirika tamin'ny asa ratsiny izy hatreto. Raha i Sarah indray efa ela no fantany fa mody gisa fotsiny ny anao lahy. Hainy ny toerana mahazo ity tovovavy nalainy ankeriny ity . Manomboka eto dia ho namana akaiky azy i Sarah, ho isan'ireo vondrona mpandroba ireo mpanao tsinotsinona ny mavomavo. Ho vitany ve izany??? Monamonaina i Sarah amin'ity trano misy azy ity , toy ny olona voagadra ihany na dia miadam-belona tsy miasa aza fa tolorana sakafo mafilotra fotsiny isanandro. Afaka mivezivezy ato amin'izay tiany izy hatrany antokontany. Misy mpiambina anefa ny vavahady ka tsy afaka mivoaka. Manana mpanampy maro i Robin, ao ny mahandro, ny mpanadio, ny mpiambina, ny mpikarakara jaridaina . i Velomana no isan'ny olona nakekezin'i Sarah, tovolahy tokony 22 taona eo. Mpamilin'ingahy Robin izy. Matetika no tafaresaka izy roa rehefa tsy mitondra an'ny patron mivoaka. -Fa inona mihitsy no tena asan'i Robin ? ary ilainy fanampiana amiko izany Velomana a? hoy i Sarah raha nahita an'ity farany nifoka sigara teo @ jaridaina. -F' angah mbola tsy nolazainy anao? hoy i Velomana -mbola baraingo be amiko lesy a! - hmmm. Aoka ihany ary aloha sao manimba ny asako izany, mahatoa mbola tsy nanambarany anao dia tsy tokony mbola fantatrao izany -ialahy koa... lazao moa e. Ao fa tsy hiteny amin'iza na amin'iza aho -ah ah ho'aho akia a. mety rahariva dia ho fantatrao . -Fa hisy inona hariva?? -anio no mety hiarahanao miasa aminay voalohany. -izany ve.... -ie. manana faharetana. Tapaka teo moa iny resaka iny fa nantsoin'i Robin hiditra izy roa. Lasa ny sain'i Sarah amin'ity asa hampanaovina azy. Inona loatra tokoa aza ity hampanaovina azy. Niditra tao amin'ny Robin izy roa. -mahazoa seza ianareo. hoy i Robin no sady mikitikitika ilay findainy -misaotra tompoko. namonjy seza, efa tsindrindaona be i sarah te halala izay anton'izao. -tsy dia misy inona loatra no nitadiavako anareo. Indrindra ianao Sarah... fa izao... manomboka anio hariva ianao no hiasa... hanaraka anay... ny teniko fotsiny dia izao ataovy izay hampanaoviko. Aza betsaka fanontaniana. Araho daholo ny toromarika omeko rehetra rehefa tonga any. -Eny tompoko hoy i Sarah no nivalona ny hodi-dohany. -izay fa mahazo mivoaka ianareo.... saika hadinoko. hisy olona hikarakara ny fomba fianjaikanao avieo... Nitodika kely fotsiny sisa i Sarah no nanatoka ny lohany dia lasa tany an'efitranony . Raha variana nijery fahitalavitra i Sarah no injany nisy nandondona. Nosokafany ka indro i Velomana miaraka amina tovovavy iray -manahoana ndry... -manahoana.... mandrosoa dia mipetrapetraha. Dia nipetraka ireto izy. -izy no Mino, ilay hikarakara anao ry Sarah a! -Hay! Faly mahalala anao -izaho koa akia ! -izay fa iala aho. Ataovy amin'ilay mampanary lamba mihitsy izy Mino a! hoy i Velomana no lasa nivoaka . -ianao koa. izaho koa ve dia hampanary lamba e hoy i Sarah -ao atomboka amin'izay akia. hoy i Mino -eo ary e.... -ny volon-dry aloha . Dia somokotra nanao ny asany i Mino, efa havanana tamin'io koa moa ny tovovavy. Adin'ny telo teo mihitsy no lanin'izy roa tao vao vita. Toa tsy nino i Sarah raha nijery fitaratra. -tena izaho ve akia io? hoy izy no misafosafo ny tarehy. -tena indry akia io a! fa ho iza indray? hoy i Mino -andray! tena tsy nampoiziko. hay afaka ho toy izao aho. -hihi... ndry koa akia... andao amin'izay hivoaka fa efa miandry antsika ao antokontany hono patron sy Velomana. Dia lasa izy mirahavavy... nivanaka fotsiny i Velomana raha nahita an'i Sarah... kanto izany raha zazavavy, nipararetra ny fony, tara sahady ny tovolahy. Variana be ny anao lahy nandinika izato anjely ka saika hadinony hatramin'ny namoha ny varavaran'ny fiara. -sokafy lesy ny varavarana a. f'inona ary mahazo an'lehity hoy i Robin nanaitra azy. Dia niditra tao aoriana izy roa vavy. -lasa isika izao... hoy i Robin... Samban'i Sarah no nivoka tato amin'ity trano nisy azy ity nandritra ny iray volana nahatongavany izay. Mbola vaovao amin'ny masony aza ny toerana tazany rehetra. Rehefa nahavita 8 kilaometatra teo ny fiara dia io misy 4*4 iray miandry azy ireo eo antsisin-dalana -mijanona eo aloha isika Velomana a! ry Doda be io hoy i Robin dia nampamonjena sisiny ny fiara. i Robin ihany moa no nivoaka nanatona.I Doda be dia ekipa mpiara miasa aminy, miaraka amin'ireo telo lahy namany, isan'ireo olona nitovy fomba fijery taminy ka tafara-dalana amin'izao asa izao. -Dia ahoana ra Doda a! hoy i Robin -oooh Robin... taraiky letie nareo. efa amin'ny 7 hariva ange izao e -mbola nisy nanahirana kely lesy e. misy tovovavy iray izao ao. hiara miasa amintsika koa. -kozy ve... sipa azo antoka ve izany sao hamadika? -azoko antoka ka... efa ela koa no nahalalako azy . Mino aho fa mahavita ny asa ilaivana azy. -milay izany e... ndao hiainga e. -andao e... dia lasa ny fiara, nifanao aloha sy afara. t@ 9 ora alina no nigadona taty Andohavolo izy ireo. Nivoaka ny fiara. -avia daholo aloha. Hanome ny toromarika farany aho. hoy Robin dia nifamorivory teo izy rehetra -Io trano alohantsika iry io no halehantsika anio . Efa ela no naniriako hanafay an'i Zoary Zoary iny. Mpanao tsinotsinona ny madinika loatra... hoy i Robin I Zoary dia lehilahy 40 taona eo , mpanefoefo ety Andohavolo, mpanao herisetra amin'ny tovovavy. farak'izay adalam-behivavy tokoa. Efa firy izay no nahita faisany taminy. Manam-bola moa ka afaka nanao izay tiana teo @ fiainana. -mitodika manonkana aminao aho Sarah ,henoy tsara ny fanazavako. Ianao no mandeha mialoha anay... hahita lehilahy lehibe ianao tsy iza fa Zoary, vao mahita anao izy dia hisary joro aminao ka aza manda izay hilainy.... Taitra i Sarah -Ah??? -aza tapahinao aloha ny fanazavako e. Ekeo daholo aloha izay resahiny , rehefa entiny any @ chambre-ny ... efa hainao izay tokony hatao e...fa raha vao mitady hanaisotra ny azy izy dia hitanao ity fitaovana toy ny sereinge ity , tsondromy any @ vatany. asitriho tsara aloha a... sao hitany. Raha vao vitanao izany dia halemy izy ary anjaranay ny sisa.... Rehefa nahavita ny fanazavany rehetra i Robin dia iny fa nijaikojaiko nisitaka niala teo anatrehan'ireo namany i Sarah. Ny fony amin'izany miazakazaka mafy , raharaha goavana hatrehany mantsy ity anio ity. Ahoana no mety hanjo azy ato? Efa manoloana ilay trano honenan'i Zoary indrindra ny tovovavy. Lehilahy iray no io miambina ny vavahady io. -ahoana ny anao izay? hoy ilehio - azafady fa mba mitady an'i Zoary aho tompoko. - andraso kely eo ary aloha. Dia niandry moa i Sarah . Afaka kelikely teo vao iny izy fa tamy miaraka amina lehilahy botabota matavy no bekibo. Nitsikitsika be avy hatrany izy raha nahatazana ny endrikin'i Sarah -ahoana ny an-dry izay ? hoy i Zoary efa maika hikitikitika izato anjely manoloana azy. -Marary tampoka tampoko ny reniko dia hila fanampiana ato aminao aho . hoy i Sarah namoron-dainga vetivety teo mba ahatafidirany amin'ity trano ity. -Marary ? fa aiza maman-dry? midira ary aloha e -ie . marary izy... Vony no anarako. Mody nisandoka anarana hafa i Sarah... Dia niditra izy roa... efa sakasakambin'ity lehilahy mpanaraotra ity sahady i Sarah mamakivaky iny tokontany somary malalaka iny. -midira ee. dia mipetrapetraha. Vony moa? -misaotra tompoko. ie... hoy i Sarah no namonjy fipetrahana. -Dia vola hoatrany ahoana moa no ilain-dry? -izay mba foinao ho ahy tompoko. Nisafo ny saokany i Zoary no nanakaiky an'ity tovovavy . -hmmm... ka izao , homeko izay ilain-dry ndry raha manome izay ilaiko koa. -inona no tianao ahatongavana? -ndry nge manja be e! dia hifanakalo zavatra kely isika... ny volako ho azon-dry... dia vatan-dry koa mba ho azoko... sa.... nanatoka ny lohany fotsiny moa i Sarah ho marika fa manaiky... efa mandefa hafatra fohy any @ Robin izy amin'izany...hoe " raikitra" Vao hitan'i Robin izany hafatra miafina izany dia nanatona ny vavahady izy ireo... hitany tsara fa io misy mpiambina. -ialahy Velomana mody misary adala aminy eo fa izahay hihoatra tamboho. Lasa namadi-doha an'ity gardien teo @ vavahady i Velomana raha ry Robin sy ireo namany kosa nihoatra tamboho taty ambadika avaratra taty. Tsy sarotra tamin'ny jalahy izany fa efa mahazatra azy. Vao tazan'i Velomana fa tafiditra ireo namany dia namonjy ny fiara izy niandry teny. Manana mpiambina ny tanany @ alina moa i Zoary, lehilahy vitsivitsy eo... fa na izany aza lehilahy nahavita raharaha miaramila irony ka vaventy no sady havanana @ fitazomana basy. i Radobe sy ireo namany telo lahy no nifanandriny taminy taty ivelany taty fa i Robin kosa efa tafiditra taty an-trano . Tazany tsara i Sarah sy Zoary io mifanafosafo eo ambony fandriana io. Tampoka eo iny fa naka ilay zavatra nentiny i Sarah ka nanindrona izany amin'ity lehilahy maka fahafinaretana amin'ny vatany. Nalemy avy hatrany ilehio vao voan'izany na dia mahatsiaro tena ihany aza. Niditra i Robin no manambana basy an'i Zoary. Mody taitra kosa i Sarah .... nikoropaka nampiditra ny akanjo nisalorany. - ahoana izao ra Zoary a? kobon'ialahy amin'izay angamba izaho a? tsy iza fa i Robin lesy e... Tsy nahateny ity nanontaniany fa nivanaka fotsiny. Tadidiny tsara mantsy fa efa nisy fotoana no nanao vava ratsy tsy ambina tamin'i Robin izy. Daka mandrivorivory no niantehitra teny @ vatan'i Zoary. Saika torana tery. Nobetain'i Robin teo....notaritiny t@ tanana ho eny ampandriana. -ny tena tsy reveko lesy dia ny fanimbazimban'ialahy ny zo maha olona ny tovovavy a... anio kosa dia havaliko amin'ialahy izany fangirifiriana ataon'ialahy azy izany a. Nobatain'i Robin ho eny ampandriana . Zoary amin'izany malemy hatrany tsy afa mihetsiky firy. -esory tany lesy ity short an'ialahy ity a... Nositomin'i Robin hiala daholo ny fitafiany... naka ilay hazo lavalava no sady ngezangeza tany anaty kitapo nentiny izy.... naletrany hiditra tany anatin'ny v*din'i Zoary izany... toy ireny miray ireny mihitsy... i Robin anefa mbola mitokakakaka mihomehy . i Zoary kosa nikonaina maharary mafy -mifona lesy e, mifona lesy eeee.... aza atao an'izao aho fa maharary... tsy hanao intsony aho... hoy i Zoary nibabababa nitomany sy nifona -sahaza an'ialahy lesy izao... hoy hatrany i Robin no nitokaka. Nivoaka ra vao navelan'i Robin, torana tsy nahatsiaro tena nony farany.... Nivoaka mora izy rehefa hitany fa fay tsara izay... Io i Dodabe efa miandry eo ivelany io -nanahoana lehity? nilamina ve? hoy i Doda vao nahatazana azy. -eoa. nilamina ka... ary ny taty? -somary mafimafy ihany aloha. io nofatoranay io ry lerony. - andao ary hiala amin'izay e.... -ngah tsy haka ato isika... hiverina tanam-polo kosa ve? -andana lehisany raha haka e. -andraso fa tena haka mihitsy izahay... MBOLA HITOHY...