'' Fa ho avy ny andro tsy hitsanganako
Fotoana izay tsy maintsy andehanako
Nisy anao nisahiranako dia tena ho fiadanako
Ianao zanako''
Hira nohirain'i Sedra farany teo ampamihinana ity sombin'ny ainy efa torotoron'alahelo sy ranomaso nijery azy. Andro mangidy tamin'i Miora tokoa io andro nanaovandreniny veloma farany azy io. Reny ilay natao hampitafy raha sendra hatsika, hampionona raha sendra alahelo, hamihina raha sendra irery no nantelin'ny rangolahy sahady.
''Tsy mety mifoha mihitsy neny'' hoy izy tamin'ity maso manganohano sy endrika malahelo
Tony, tovolahy bikana, na endrika na bika ananany avokoa. Zanak'olona manan-katao sy manana ny maha-izy azy Tony. Notsiriritin'ny tovovavy maro tamin'izany. Sedra rahavaviko anefa no niandrian'ny fony. Sedra, tovovavy tsara tarehy, tso-piaina ary tena tia fianarana. Na dia niaina tao anatin'ny fahantrana ary izahay tsy nataon'i Sedra sakana teo amin'ny fiainany izany. Fahantrana, fangiriiriana, kamboty, ray maditra... reo no isan'ny tena nandrisika azy mafy hivoatra ny fiainana. Teo ihany koa Tony nanohana azy hatrany tamin'izay rehetra nataony.
Fony mbola mpianatry ny lisea no efa nifankatia izy ireo. Nankatoavin'ireo ray amandrenin'i Tony tanteraka ny safidin'ity zanany lahitokana. Noraisin'izy ireo toy ny zanany mihitsy Sedra rahavaviko na dia mavomavo sy mahantra tsy mitovy farim-piainana tamin'izy ireo ary. Raha ny avy aty amin'i Sedra indray dia tena nety tanteraka tamin'ny dada ny fiarahan'izy ireo. Nofenoin'i Tony ny banga rehetra tao antranonay. Toy izy mihitsy no raimpianakaviana. Tsy mba hianay taratra tamin'i dada mantsy zany maha raimpianakaviana azy izany. Hamamoana, fijangajangana, filokana, ireo no mba fahafinaretan'i dada. Tabataba lava no niainanay tao antrano.
Tsy nampisitaka an'i Tony taminay anefa izany, vao maika hery lehibe ho azy mba hanampiana anay roa vavy. Ary nanaja tanteraka anay roa vavy izy. Eny, nanaja tanteraka ny fahadiovan'i Sedra olotiany nandritra ny fianaran'izy ireo
Vita avokoa ny fianaran'izy roa. Tony nivoaka ho mpitsara ary Sedra kosa nisafidy ny lalampiofanana fitantanana.
Herinandro taorian'ny lanonana famoahana an'i Sedra tamin'ny fianarany, indray andro, endrika falifaly sy mirana aok'izany no nidiran'i Sedra ny tranonay. Mbola tsy hitako faly toy zany izy hatrizay
-Misy inona? Hoy aho gaga nahita azy nandihindihy eraky ny trano
-Falibe akia aho eh. Tena faly. Hoy izy nanantona nipetraka teo akaikiko
-Raha zaraindry amiko ny hafaliandry dia mba miarampaly isika
-Hanambady aho. Tapak'evitra Tony fa haka ahy ho vady amin'izay. Efa vita ny fianarako ary efa miasa izy. Faly loatra aho Sariaka ah
-Izany?Vaovao mahafaly tokoa izany. Arabaina sahady indry. Hoy aho namihina mafy sy niarampaly taminjokiko
-Ny manahirana ahy anefa izao dia ho avy aty hono ireo ray amandreniny hiresaka amin'ny dada. Tsy tiako ho fantatr'ireo ray amandreniny hoe olona toy izao no raiko. Hoy izy nisento kely niondrika
-Aza iasaina loha ny amin'izany. Indry no hanambady an'i Tony ka tsy hitako izay hidiran'izany. Sady efa ela anie no fantatry Tony dada fa tsy nampiova ny fitiavany andry eh
-Ka Tony anie hafa mihity eh. Ireo ray amandreniny ihany koa haindry ihany
-Tsy hampiemotra azy ireo ny fahalalany an'i dada raha tena tia andry Tony. Ataoko ihany koa fa tsy misy homanina be ny firesaka amin'i dada ny amin'izany. Haindry tsara raha ny toetran'i dada
Nijery ahy Sedra, nitsiky ary namihina ahy mafy
Fotoana maro no nanomanana ny fanambadian'izy roa. Nanamparan'ireo ray amandrenin'i Tony ny fananany mihitsy ny fanambadian'ity zanany lahitokana.
16 febroary 2008 : fotoana nosafidian'izy roa hanaovany voady ho mandrakizay. Fotoana tena manatantara tamin'izy roa. Kanto dia kanto Sedra tao anatin'ilay akanjo fotsy manjopiaka tsara dia tsara no lavabe nanaraka eraky ny fiangonana. Dada ihany koa tamin'io fotoana io dia niezaka nanaja tanteraka ny andro iray toa zaton'ity zanany vavy matoa. Nifampitoana teo ambony alitara izy roa. Nifanaiky ny hifankatia ho mandrakizay. Ndriiii.... rahoviana no ho tonga ihany koa ny anjarako? Amin'iza anefa? Tendry ilay tovolahy notiaviko hatrizay toa tsy miraika akory ny amiko. Tendry, tsy tsapany akory ny fitiavako azy mangina hatrizay. Hafaliana ho ahy ny miaraka mitsangatsangana tamin'i Tony sy Sedra satria fantatro fa tsy maintsy any ihany koa Tendry. Vita ny fanamasinana ny fanambadian'izy ireo, namonjy ny trano hanaovana ny lanonana. Trano re zao, fety re zao, fiara raitra isankarazany, olona mihaingo fatratra sy manankaja maro. Sambatra raha sambatra Sedra. Nifaly avokoa ny rehetra. Ny masoandro mody no nampalahelo.
Rehefa efa nadiva hariva iny ny andro, efa tapitra lasa avokoa ny ankamaroan'ny olona dia
-Vita ve? Nanaiky ve izy? Hoy feo iray avy ao aoriako.
Niherika aho nijery izany olona izany.
Akory ny hatairako Tendry mamo tampina no hitako tao aorinako. Avy hatrany dia niantsampy taty amiko
-Tendry, fa inona ity mahazo anao? Hoy aho nitantana azy moramora namonjy seza
-Nanaiky ve izy hoah?
-Iza? Ary nanaiky inona? Hoy aho no nanome rano ho azy. Sotroy aloha ity rano ity
-Sedra eh. Nanaiky an'i Tony v izy?
-Fa nahoana izy no tsy hanaiky? Niteny anao angaha izy hoe tsy hanaiky?
-Very aho eh..... Inona tsony ny amiko. Lasan'i Ratony i Sedra. Sedrako. Fa dia nahoana loatra re malala ah. Hoy izy no nigogogogo nitomany nitolefika teo amin'ilay latabatra ny lohany
Tsy nampoiziko ity fihetsiky Tendry. Malala hono, sedrany hono. Inona avokoa ny dikan'izany? Dia ho sanatria ve dia...
Nitraka izy nijery ahy tamin'ireto masony efa vonton'ny ranomaso
-Nahoana ianareo vehivavy no manao izao ry Sariaka? Hoy izy nandray moramora ny tanako
-Izao inona? Tsy azoko mihitsy anie izay lazainao eh
-Satria ve aho tsy mba manakarena toa an'i Tony? Tsy mba manampahaizana sy tsara asa toa azy? Tiako anie Sedra ry Sariaka eh. Tena tiako. Anefa indrisy, nolaviny foana ny fitiavako. Satria aho tsy mba toa an'i Tony. Tena tia azy toy ny fitiavako azy ve Tony?
Vahotra tanteraka aho. Tsy nahaloabava intsony aho. Tsy nampoiziko. Izaho nitia mangina azy nandritra ny taona maro, Sedra rahavaviko anefa no nampitsiriritra azy hatrizay. Tsy zakako intsony. Niraraka moramora ny ranomasoko
-Malahelo ahy ve ianao? Aza alahelovana akory aho fa adala eh. Adala tsy mahalala tsy tiana. Feno loatra ny foko Sariaka ah. Mifona aho. Hoy izy namihina tampoka ahy
-Tsy nampoiziko nanampitiavana ny rahavaviko ianao ry tendry
-Nafeniko foana izany hatrizay. Toy ny rahalahy mantsy no nandraisako an'i Tony. Anefa moa inona ary no azoko atao eh? Izay ilay fitiavana. Rehefa taitra amin'ny torimasony izy tsy hay vonoina intsony. Tiako Sedra, tsy fanahiniako ny hitia azy, hampijaly ny tenako toy izao. Nangataka tamiko Tony ny mba hanaovako vavolombelona ny mariazin'izy ireo anefa ahoana no ahavitako an'izany? Tsy vitako izany
-Fantatrao tsara anefa ny fifankatiavan'izy oa dia mbola...
-Mbola nanantena hatramin'ny farany an'i Sedra aho. Nanantena aho ny handavany an'i Tony amin'ny ora farany anefa indrisy
-Aza malahelo amin'izany Tendry ah. Mbola any ilay anjaranao. Hoy aho namafa moramora ny ranomasony
-Anjarako? Tsy haiko raha mbola ahay hitia izany intsony ny foko. Nopotehin'i Sedra tanteraka ny foko syny fitiavako
Tsy zakako intsony izay tenin'i Tendry izay. Lasa aho nivoaka, naka saina kely
Taorian'ny mariazin'izy roa dia nisafidy ny nanao ny volatanteliny tany ampitandranomasina izy roa kely. Hita taratra teo amin'ireto mpivady vao ireto tokoa izany hasambarana. Izahay kosa dia niverina niaina ny fiainanay mahazatra teo ampiandrasana azy ireo.
Tsy adinon'i Tendry mihitsy ny mitsidika ahy isanandro. Mody ftsidihana sy fanalana fahanginana no entiny nanafenana ny faniriany te hitsikilo ny fiainan'i Tony sy Sedra. Tsy adinony mihitsy isanandro vao miditra ny varavarana no manontany vaovao momba azy roa. Zany tokoa ve ilay fitiavana? Raha mba fantany mantsy ny lelantsy manindrona ny foko raha vao maheno azy mitaraina noho i Sedra, mahita azy malahelo hono Sedra. Raha azoko natao ny naka ny toeran'i Sedra tao ampony dia nataoko izany. Indrisy anefa fa tsy mety miherika aty amiko mihitsy ny fitavany. Nataoko avokoa izay rehetra hijereny ahy anefa dia toy ny zandry vavy foana no nandraisany ahy hatrizay.
Tapabolana ihany dia nody ireto mpivady vao. Nisafidy ny hipetraka any amin'ny tranoben'i Tony sy ireo ray amandreniny izy roa kely.
Nandeha ny andro, nandeha ny volana
Indray andro, raha iny mbola variana nijery film tao antrano toy ny fanaonay iny izahay sy Tendry no injay nisy nandondona tao ambaravarana
-Miandry olona angaha indry? Hoy izy nijery ah
-Tsia. Sady tsy mbola ora fahatongavan'i dada ihany koa izao
-Aleo ary voahiko vetivety. Hoy izy no nandeha namonjy ny varavarava
-Surpriiiiiiseeee.... hoy ny hiakiaka mafy avy any ambaravarana
Feon'i Sedra izany. Po-tahak'izay no nisaotiako haingana nandeha namonjy ny varavarana
-Sedra... hoy aho faly aok'izany namihina mafy ity zokiko
-Sariaka kely. Zandriko malalako
-Ary angaha nody sahady?
-Nalahelo andry aho dia nody sahady. Inona no mahavariana anareo ato? Hoy izy no avy hatrany dia niditra
-Mijery film izahay. Hoy aho nisakambina taminy niaraniditra
Tendry kosa nanaraka moramora anay mirahavavy avy ato aoriana, toa endrika feno alahelo aizany no nitsenainy an'i Sedra
-Ary aiza ramose?
-Efa any antrano izy. Izaho no tonga ati haka andry, hiarahisakafo kely isika rehetra anio mba ho fifampiarabantsika eh
-Hay, andao ary kou. Hiomana vetivety aho. Tendry koa tsy maintsy mandeha ianao ah. Hoy aho nijery azy
Ny mason'i Tendry amin'izany tsy mipika mihitsy mandinika an'i Sedra
-Mazava ho azy. Tsy maintsy mandeha ianao ka. Hoy Sedra nitsiky nijery azy
-Tsy sanatria hoe mandaha ny fanasana fa mialatsiny indrindra. Tsy te hanelingelina ny fivorianareo fianakaviana aho r'izy mirahavavy ah. Tsy isany aho mantsy
-Tsy misy an'izany. Malahelo be aho raha tsy mandeha ialahy.mba miangavy mou eh. Andao. Hoy aho nitalaho teo aminy
-Satriko dia satriko ny hanaraka andry any anefa efa izay lazaiko andry izay ny antony. Hoy izy nisafo ny lohako
-Tsy misy resaka fianakaviana ny any ry Tendry ah. Sady malahelo Tony raha sanatria lavinao ny fanasany. Toy ny rahalahy no nandraisany anao hatrizay. Sady tsy efa ho ela koa ve zao dia efa fianakavianay ianao? Hoy Sedra nitsiky nijery anay roa
Nitsiky ihany koa aho nijery an'i Tendry, niandry izay ho valiteniny
-Raha ny momba anay sy Sariaka io mody tsindrinao paingotra io dia malahelo aho milaza aminao fa tsy misy izay eritreretinao akory eo aminay sy Sariaka. Toy ny zandrikeliko no nandraisako azy. Tiako izy ary tena tiako fa tiako toy izay. Toy izany ihany koa no fandraisany ahy. Ary voadona mafy ny foko tsy aiko intsony raha mbola ahay hitia intsony izy
Nanohana tanteraka ny foko io tenin'i Tendry io. Tsy zakako intsony ny mbola hijery azy. Avy hatrany aho dia namonjy ny efitrano fatoriako niala haingana teo amin'izy ireo. Tsy tiako ho hitany akory ny alahelo mitambesatra ato anatiko
Roa volana izay no lasa. Roa volana sahady ihany koa no nahavitan'ny mariazin'i Tony sy Sedra. Roa volana tsy nahitako an'i Tendry intsony. Tsy nandalondalo namangivangy ahy toy ny fanaony intsony Tendry.
Fanaon'i Sedra ny mamangivangy ahy isanandro rehefa arivariva tsy misy atao iny izy.
Indray andro, sendra irery izahay roa vavy tao antrano no
-Mbola manao ny adalany toy taloha foana ve dada hatramin'izao? Hoy Sendra
-Tsy hiova intsony akia iny ah. Mamolava, teny ratsy, fofona tsy fofona. Kivy aho. Tsy te hanome tsiny an'Andriamanitra anefa aho fa dia manotany tena foana mila ho isanandro hoe nahoana re no lehilahy toy ireny no nataony dadatsika?
-Hatramin'ny nahafaty an'i neny anie no nampivarolavo azy toa an'iny eh. Amin'ny lafiny ilany mampalaelo izy. Tampoka loatra taminy ny nandaozan'ny neny antsika
-Tsy excuse hamotehina ny fiainanao izany ry Sedra ah. Maty neny tsy afaka ny hiverina intsony fa izy mbola manana antsika zanany. Jereo ireny aditsaindry ireny tamin'ny hanambady. Mahamenatra ny ray niteraka. Izaho moa miaramonina azy ato efa tsy mazaina intsony
-Kivy izany indry miaramipetraka aminy ato?
-Tena kivy. Raha alaindry miaramipetraka aminareo aho tena falibe
-Satriko dia satriko zandry malala anefa indrisy. Manahirana be amin'ny ray amandrenin'i Tony izany. Izahay mantsy ao mbola tsy tea tompotrano. Anefa mahita solution hafa aho. Hoy izy nijery nitsiky ahy
-Hoe ahoana? Da ataoko daholo raha mbola tratry ny heriko. Leo tanteraka aho ry Sedra ah
-Maninona indry raha manambady amin'izay anefa eh? Hipetraka fotsny ato atrano fotsiny dia haka aretipo amin'ny adalan'i dada ato
Nihomehy aho nandinika an'i Sedra
-Resaka marina anie zany ry Sariaka eh. Manambady indry dia afaka ato amin'ity fijaliana ity
-Toa maneso ahy izany ity indry. Iza ary no hanambady ahy eo? Tsy toa andry anie aho eh. Sady tsara tarehy no manampahaizana. Izay izaho ve? Tsy nampiherika na dia minitra vitsy akory ny fitiavany. Hoy aho no nisento lalina nahatsiaro an'i Tendry
-Aza manao izany indry. Iza no milaza amin'dry fa tsy tsara tarehy indry? Raha resaka fahaizana izany indray, tsy ny fahaizana no hovadiany ry kiala ah. Indry sy ny hatsarampanahindry. Indry koa ve moa dia tsy manana olotiana fa dia mampiesona fotsny
-Olotiana hoy indry? Manana tokoa aho saingy...
-Saingy ahoana? Iza? Fantatro ve? Mba lazao akia
-Saingy tsy taitra amiko mihitsy izy. Tsy tiany hono aho. Hoy aho no niraraka moramora ny ranomasoko
Nanantona ahy Sedra, namafa moramora ny ranomasoko no
-Aza malahelo any amin'izany akia. Mbola any ho any ilay tena anjarandry. Hoy izy namihina ahy
-Ka tsy dia tena izany anie no tena mampalaelo ahy ry Sedra eh.
-Fa inona akia?
-Indry hono no tiany. Tsy ahay hitia olokafa afa-tsy indry hono ny fony. Hoy aho no tsy tantiko intsony fa navoakako tamin'ny tomany ny alaheloko
-Tendry ve?
-Efa ela aho no nanampitiavana azy ry Sedra ah. Tiako izy. Maharary amiko loatra ny naheno fa tsy tia ahy izy fa indry izay rahavaviko no niandrian'ny fitiavany. Tsy ahay hitia olona ankoatra andry hono izy
-Fantany ve ny fitiavandry azy?
-Tsia. Tsy sahy hiteny azy an'izany akory aho. Menatra aho
-Aok'izay Sariaka ah. Raha izy no anjarandry dia hitandry fa hitodika amindry izy. Manana finoana ary miadia mafy ho an'ny fitiavandry
-Hiady mafy?
-Eny, miadia mafy. Aza avela ho resy izany ny fitiavandry raha tena tiandry izy
16 febroary 2010 : Roa taona katroka anio ny fanamasinana ny fanambadian'i Tony sy Sedra. Enimbolana ihany koa izay no nahafaty an'i dada. Maty nohon'ny hamamoany be loatra dada tamin'izany.
Lanonana be manetriketrika no nankalazan'i Tony sy Sedra ny eritaonan'ny mariazin'izy ireo. Tamin'ity kosa toa mangingina izany. Mety noho ilay fahoriana vao haingana angaha? Hitako nandona an'i Sedra ihany ny fahalasana tampoka an'i dada na dia miezaka ny manafina izany aza izy. Lasa tsy be teny intsony, lasalasa amborona lava, lasa malahelohelo lava. Tsy nampoziko handona azy toy izao izao izany. Izaho irery sisa no mipetraka ato amin'ity tranobongokelinay ity. Isak'alina aho dia mila tsy ahita tory mandinika ity fiainako.
Indray andro, efa nadivadiva ho alina ny andro. Fanaoko refa toy izao no makamaka tory amin'ny fijerevana fahitalavitra. Injay nisy nandona tao ambaravarana. Iza loatra? Toa dodona sy maika ery izy izato. Mandondona mafy no tsy ankijanona. Dia iza loatra no handondona ato amiko amin'izao andro efa alina izao? Sa dia sanatria ve olon-dratsy? Tora-kovitra aho. Nitsangana aho nanantona ny varavarana mila hianjera mihitsy amin'ilay dona mafy. Mangovitra avokoa ny lohaliko roa.
-Iza oh... hoy aho tamin'ny feo torakovitra
-Izaho ihany ry Sariaka ah
Feom-behivavy sady mitolokoloko mitomany. Tsy olondratsy aloha. Azoko kely aloha ny aiko
-Izaho iza?
-Sedra akia. Voahy haingana akia fa sady mangatsiaka aho no matahotra mafy ah. Hoy izy mbola reko mifokofoko mitomany
Po-tahak'izay no namoahiko ilay varavarana. Io Sedra efa tena reraka, ny endrika mivoaramena. Ny maso bongo. Ny tena reraka dia reraka
-Sedra. Fa misy inona? Hoy aho nampandroso azy no nijery izay olona mety nanaraka azy.
-Afaka matory ato amin'dry ve aho anio alina? Hoy izy avy hatrany dia namonjy ny fandrianako
Tsy nisy nanaraka izy. Nidiko ny trano ary lasa aho nanantona azy moramora
-Fa misy inona Sedra? Ary aiza Tony?
-Mijaly aho ry Sariaka ah. Tsy te hiverina any intsony aho
-Fa misy inona? Hoy aho no lasa naka rano mangatsiaka nomeko an'ity zokiko mamoifo tanteraka
-Mijaly aho ry Sariaka ah. Nahoana re aho no maikamaika ny hanambady sahady eh. Izao fiainako izao ve no fiainana notsiriritin'ny tovovavy maro? Raha fantatro fa toy izao no hiafarako dia...
-Fa nisy inona hoah. Tantarao. Tsy azoko mihitsy anie eh.
-Noroahin'ny renin'i Tony aho ry Sariaka ah. Tsy mendrika ho vadin-janany hono.
-Fa tsy mendrika ahoana? Tsy azoko. Moa ve tsy izy mihitsy no nankasitraka tanteraka nanampy be andry tamin'ny raharahanareo koa nahoana ankehitriny no hoe tsy mendrika ny ho vadin-janany indry?
-Tamin'ireny mbola tsy hainy fa vato kiboribory aho. Disadisa lava no iainanay ao antrano hono izaho tsy mbola mety mitoe-jaza amin'izao. Tsy zakako intsony ny fanesohesoana sy fandrabirabiana atao ahy.
-Inona moa no tokony hidirany amin'ny tokatranonareo sy Tony? Anareo io dia safidinareo io.
-Mila zafikely hon izy handimby ny anarandray
-Zay no mahavoa an'ireny manakarena sy miseo milay reny izay. Fa nisy nitsipaka ny safidiny angaha raha anao an'i Tony ho lahitokana? Aza mivaky loha amin'izany indry ry Sedra ah. Rehefa tia sy manaja andry ny vadindry dia izay no zava-dehibe
-Ka ny loza anie akia dia efa tonga atrany amin'ny fikorotanan'ny tokatranonay ilay izy eh. Leobe ny adinay mianaka mila ho isanandro hono Tony. Matetika izy no mody alina. Tsy vitan'izany fa mamo tampina tsy mahatsiaro tena. Ary ny tena tsy zakako ka nahatonga ahy hisitaka dia tsy tahotra intsony tsy henatra ramatoabe mitondra fatimbehivavy izay ao antranonay. Lazainy fa vinantovaviny vaovao hono. Tsy zakako intsony ry Sariaka ah
-Andray kosa. Fa efa mivika ve ilay antibavy iny sa ahoana eh? Tsy rariny ntsony kosa izany ka. Ahoana hoy Tony amin'izany?
-Ka Tony anie hatramin'izao mbola tsy tonga foana eh. Leoa aho
-Tsy maninona. Mijanona indry aty. Tsy hampijaliana akory no nakan'izy ireo andry tato. Aleo aloha hatory. Rahampitso mandinika izay tokony atao
