Telo volana izay no vita ny mariazinay sy
Kevin,mbola tao am tranon'i Papa sy i Maman izahay no nipetraka.Indray andro,iny Izaho irery iny no tao atrano,napetako ny écouteur, mihaino radio aho,tsikaritro anefa fa toa mahare feon'i Maeva (ilay kambana amiko)aho,mihika mafy sady mitomany.Noheveriko ho nofy ratsy ihany izany ka naleoko nivoaka teny andavarangana.Tampoka teo,nahatazana olona nianjera avy teo @ varavarankeliko aho,nidina nijery aho avy eo kanefa tsy nisy ninon'inona akory.De toa misy zavatra manaloalo ahy izany foana.
(Afaka 1 volana)Nitsingerina ny andro nahafatesan'i Maeva,nipaika ny t@12:30 atoandro,nangirifiry mafy ny tanako toy ireny misy mandidy @antsy ireny,ny rà aminio miraraka toy ireny rano mandeha ireny,ny aveo,nivoha tampoka ny varavarankely...iny i Maeva nipoitra sady mihosondrà be ny akanjony,ny masony amin'izay toa mivoaramena mampatahotra,dia ho sanatria ve?
_Ma....ma...
_Hahaha!
Hoy izy nihomehy valaka sady nanantona ahy
_Tsia a!fa inona ny mbola ataondry aty?
_Aza koditra ôtranio ndry e,haka andry ah fa mbola tsy zao,fa mandrapahatongan'ny fotoana hakako andry Alou d aleo ho tsapandry zany fijaliana niaretako izany
_Maeva a,aza elingelenina ky zah anh,ndana mandeha ndry
_Dry!?fa inona ty mahazo anao e?
Hoy i Kevin sady niditra n efitranonay mivady
_Kevin a!i...i...i Maeva
_Manin Maeva
_Tonga teo izy,haka ahy hono
_Aza mirediredy eo enao ry Meva a,diso reraka kou ngamba enao d lasa mamorona zavatra hafa ny sainao,ary matoria Alou rah reraka fa efa eto ah
_Aza miala eo enao Malala a.
_Eny ki anh,makà mitsy alou aina fa sôde hiakatra eo ny tension nao
Resitory teo aho,,hay ka efa niala teo akaikiko i Kevin,,io indray i Maeva fa eo anjorombaravarana.Nanaovany ilay akanjoko t@ mariazinay sy i Kevin.
_Maeva!fa ataondry inona iny akanjo mariaziko iny?
(Nifokofoko nitomany izy raha nahare ilay teniko)
_Akanjo mariazindry?tsia,Izaho no tokony hisalotra ity saingy nosembanindry ny hany fiadanako
_Eo moa ky an,ndehana any @ tontolo misy andry fa aza mankaty tsony....samy hafa ny tontolon'ny velona sy ny tontolon'ny maty.ka aza ampitahorina intsony aho
_Tsy misy an'izany ry kialakely ty anh,niaratonga teto ambonin'ny tany isika roa ka noho izany dia miaramiala eto ihany koa.Tsimaintsy alaiko ndry
_Inona anefa ny ratsy nataoko tamindry e?avelao aho
_Meva a!fa maninona ndray enao
Hoy indray i Kevin sady nankeo akaikiko
_Fa taiza enao?tonga teo ndray nge i Maeva e,nanaovany lay akanjoko t@mariazintsika
_Io ndray enao io a,aleo ary jereko zany....hitanao io?io mipirina tsara amin'ny toerany io le izy
_Anh?nefa tena nanaovany zao mihintsy io ka
_Ary sao ary de tena enao no namono azy de enjehin'ny eritreritrao e?
_De tsy mino anah zany enao?
_Tsiaiko,
Hoy izy sady nanondrika ny lohany.Izaho kosa nirintona nivoaka ny efitrano...
_Meva!fa inona ny mahatezitra anao amin'izany e?
_Ka enao aza tsy mba mino sy tsy mba mihaino ny teniko akory ko.Kivy ah
_Mialatsiny ary raha nampalahelo anao lay teniko teo e
Dia toy zany foana no niainako...gaga aho anefa taty aoriana kely fa tsy niseho tamiko indray i Maeva,i Kevin indray no isehoany...
_Meva,fa inona ny ataonao aty antokotany amin'izao andro mangatsiaka be izao?Ndao alou hiakatra any an'efitrano....ty ny akanjoko anaovy fa mangovitra be enao zany
_Hay efa tonga enao?
_Meva,fa awna zao??
_Toa taitra be enao,fa misy inona?
_Fa ahoana zao e?tsiazoko maintsy.Ary tonga eny sahady enao nefa tsika niaraniditra tato ihany
_Niaraniditra ahoana moa?hazavao
Dia nazavainy tamiko teo ny zavanitranga
_Loza!i Maeva no niseho taminao Kevin a.
_Marina hoe?dia tena izy tokoa vé
_Eny hoa
_Mba lalina kou zany.Aleo Alou ah hande hanao douche mihintsy fa toa miasa be kou zany saiko zany ka.
_Ndehana ary e,de mba haingana enao any a
Dia lasa tany @ douche i Kevin,Izaho etsy toa matahotahotra sao dia hiseho amiko indray ny avelon'i Maeva.iny Izaho teo ampiaritreretana iny dia nisy feo nanaitra ny sofiko
_Meva!tonga ah ô
_Fa iza zany miteny zany?
_Tsy fantatra sa hodiana mitapy?
_Maeva ve?
_Eny,saingy Tsy hampijaly andry alou zah androany fa hampilaza amindry fotsiny fa rehefa mipaika ny volana febroary dia alaiko amin'izay ndry.Zay fa miomà na tsara
Nanjavona izy avy eo.Nangovitrin'ny tahotra aho sady tsemboka daholo ny vatako manontolo.avy tany amin'nh douche i Kevin
_Fa marary angah ny malalako?
_Kevin a,,tonga teo indray izy....nampilaza tamiko fa alainy hanaraka azy hono aho rehefa mipaika ny volana febroary...matahotra aho cheri a
_Aza manahy fa rah mbola eto aho tsy avelako ho lasany zany enao.
_Ny herin'olombelona nge ry Kevin tsy hahatohitra ny herin'ny fanahy izany e,mila fanahy kou isika entina hiadiana aminy.
_Tsy mila izany isika,matokia ahy
Tonga ny febroary, toa efa tsinjoko sahady ny zavatra hahazo ahy.I kevin moa nangataka pose mandritra ny volana iray mba hahafahany miaro ahy hono...izy aloha hitako ho tsy matahotra mihitsy fa saingy mety tsy haharesy ny avelon'i Maeva.Ny alin'ny voalohan'ny volana febroary, samy tsy nahita tory izahay.Ny tsapako anefa dia nisy olona nitsotra be teo ampovoanay sy i Kevin.Ny jiro aminio maty ,notsapatsapaiko kanefa toa vehivavy ilay izy.tsy aritro intsony ka nanontany ah.
_Fa iza io Kevin
_Oadray,fa manofy ngah enao zany?
_Tsy manofy aho fa misy olona ato ampovoantsika ato.
_Aza mihanihany eo moa ky chéri anh,tsisy afatsy isika roa no eto.Ny varavarana koa efa nohidiko tsara
_Ka ampireheto ary aloha ny jiro fa tena misy olona hoa ato.
Andraso ary e..
Nitsangana nampirehitra ny jiro i Kevin no nisy nanakenda mafy ny tendako
_Zay fa mirehitra ny jiro...Meva,fa maninona enao.Meva hoa...toa miakatra be ny masony ,Marina ty raha tsy manary aina .aleo alou hiantso vonjy @ manodidina.Vonjeo e........
Nalaky namaly ny antso vonjin'i Kevin ihany ny olona saingy indrisy fa tsy tana intsony ny ain'i Meva.ary fantatra fa mitoejaza izy izao nindaosin'ny fahafatesana izao
Tony teny ihany ny sain'i Kevin na dia nalahelo fatratra aza,nikasa ny hanambady izy taty aoriana,dia i Fy izany. Tovovavy tsotra sy zanaka tambanivolo izy hany ka tsy mba nanda ny fangatahan'i Kevin azy ho vady ireo RADny izay sahirana @famelomana ireto zandriny 13.Dia nivady izy roakely.tapabolana nipetrahany tao aloha mba nilamina ihany fa vao dila izay dia manomboka ny tranga hafahafa tao antrano.
_Ary efa nampirimiko tao anaty fitoeran'entana anie ty sary ty e,nefa misy mametraka eto dia ny sarinay mivady ndray ny tsy eto.Sa i Kevin no nametraka anty?aleo aloha hanontaniana ka.Chéri anh
_Ahoana ky fy malalako?
_Enao ngah no nametraka anty sary ty teto?
_Dry!?ary toa lay sarinay sy Meva t@ mariazy.ary ngah mou tsy efa nampiriminao ty?
_Ye,nampirimiko tato.oay! Ny saritsika ndray no tô lasa mimpirina tsara ato amin'ity vata ity.Mba mahagaga kou zany.
_Aaa,aleo aloha zah hande hiasa fa ampirimo io de soloy anle saritsika fa tsy zany no ndeha hampiasa loha eo e.
_Ok letsy a,bonne journée malalako.muuuah
(Nony lasa i Kevin)nisy nandondona tao an'efitranon'izy mivady.vao nisokatra ny varavarana dia tovovavy mena maso be sady mitondra rojovy no manao akanjo midoroboka no tao
_Fa iza enao?
Tsy namaly izy fa tonga dia niditra sady namantana teo amin'ilay sary.Nosafoiny ny sarin'i Kevin avy eo izy dia tezitra be.I fy etsy anilany toa matahotra be ihany.
_Fa iza enao e?
Nanoratra teo @ rindrina ilay izy avy eo ,mivaky toy izao:"ahy i Kevin".Avy eo nivoaka mora izy nitarika ilay rojovy
Tsy nahahetsika teo i Fy fa nivandravandra be fotsiny NY masony.
_Azy hono Kevin,mba hafahafa kou iny vehivavy iny ka.Kanefa ahoana NY fomba nidirany tato antrano?ka tsy le vadin'i Kevin nolazainy fa efa maty ve iny?zay vao ho faty ndry ry Fykely marina a!
Tsy tapitapitr'izay dia indro indray niditra avy any tovovavy iray mihosondrà ny akanjony.
_Tongasoa ô!
_Fa...fa...
_Haha!toa torakovitra sahady r'itony e?vao fanombohany anie zao e.
_Iza enao?
_Aza mainka ny hahafantatra ahy aloha e,antanio an'i Kevin rehefa tonga eo izy.indro misy sary de antanio azy .Zay fa @ manaraka ho avy eo ah hanome ny anjaran'ikiala
_Anjarako!?ary lasa aiza tampoka teo kou le vehivavy iny,aleo Alou ty sary ty apetrako eto fa hande hanidy varavarana ah sao de miverina eo indray reny.
Dia nohidiny ny trano...
_Oay ô!tô kambana mirahavavy,zany hoe manana kambana aminy zany le tovovavy teo.Mahaliana ahy zany tantarany zany ka.efa tsiandriko zany ze hahatongavan'i Kevin.
Nony hariva,tonga tao antrano i Kevin,
_Fy!
Hoy izy sady niditra tao an'efitrano
_Ayiiii,Kevin kou zany de manaitra erÿ
_De taitra be mintsy ve?efa namananao ranomafana nga zah?
_Ye,fa mialoha an'izay Alou d misy zavatra saika hantaniko anao e.
_Inona zany?sôde mbola momba an'ilay sary iny ihany
_Sary le izy fa tsy le t@maraina ka
_Ka ento ary ny fanontanianao e
_iza ireto?
Sady nasehon'i Fy azy ilay sary
_Fa taiza no nahitanao an'io sary io?
_Ny tompony no nanome an'io tamiko teo.Fa ahoana?
_Tena ny iray t@izy mirahavavy ireo mihitsy ve no nanatitra azy taminao?
_Eny wa,fa ny mahavaka ny saiko fotsiny de toa mihosondrà ny akanjo nanaovany teo
_Loza marina!
_Fa loza ahoana fa tsy azoko.
_Ka efa maty daholo anie ireo @ sary ireo e.
_Anh!?
_ye,vadiko ny iray.aleo fa hotantaraiko anao ny tantaran'izy mirahavavy ireo........
_Hay va re e!?izany hoe manangatra zany izy roa reo,fa zah kou nge nahita tranganjavatra hafahafa tato e
Dia notantarainy t@Kevin teo ny zavaniseho tao atrano
_Manahy ah Fy sao de hovonoin'izy mirahavavy ireo enao a.toy Izao kou manko ny zavatra nahazo an'i Meva talohan'ny nahafaty azy.Tsy te hanimba ny fiainanao ah fa aleo enao tsofiko rano.Mety Tsy mankasitraka ny fiarahantsika izy ireo.
_Tsia a,tsy hanaiky ho resiny ah Kevin a,hiady hatr@farany ah ary tsy hilavolefona zany.Tsy handao anao zany ah.
_Tena marina vé!?
_Eny,foiko ny aiko satria tiko enao.Tsy tantiko ny hisaraka aminao sy hifamofo amin'olonkafa indray
_Misaotra ky vadiko anh,tsapako Izaho fa tena tia ahy enao.
Ny ampitso......
_hay efa maraina sahady zany andro zany.aleo alou hitsangana eto de hande hanokona ny sakafo maraina ...ary hoatran'ny efa misy olona anie ato zany e...de ho iza anefa!?i Kevin ve?aaaa,tsisy olona akory kay ato kanefa tena henoko nisy nikitrakitra zavatra mihitsy tato teo a.Ary efa misy vary sosoa sy kitoza masaka kay ato ko.Aleo aloha tonga de aroso any @ hevitra fisakafoanana ty de hande hiantso an'i Kevin @zay ah.Kevin ô!
_Ahoana ky?
_Andao amzay hisakafo.
_Ho avy ky anh,ndao ary e
_Ao @efitrano fisakafoanana ao ny sakafo,tonga de mihinà na fa zah haka rano.
_Tsiazoko,aiza kou ze sakafo eo?vilia tsy misy ninon'inona akory ary no eto ambony latabatra eto.Aleo Alou miandry azy mihitsy ka
_Oay!f'angah laninao sahady le sakafo teo?
_Fa enao ve lasa adala e?teo ary tsy nisy ninon'inona akory fa vilia sy sotro fotsiny KO.
_Zany ve?kanefa de vilia nisy vary sy laoka no nentiko niditra teo nge.
_Aaaa,mainka hiasa ah fa aleo any ah misakafo ka,enao kou ty de ilaozana mananihany ahy eo fotsiny.Zay fa lasa ah.
_Fa ahoana kou Ary zany?tena nisy vary sy laoka izao mihitsy anefa ny vilia nentiko teo.Hafahafa mihitsy ty zavatra iainako ty ka.Ary hoatran'ny misy olona mitaritarika rojo anie any ambany any zany e.aleo alou harangaranina eto @ varavarana eto:tô le tovovavy omaly ty!?ary tena efa akaiky,sady manitsy aty amin'ny efitra fihinanana.Aleo rangah ho avy eo a,hampahafantariko azy eto fa tsy matahotra azy ah.Ary ahy i Kevin fa tsy azy.Io heny fa mijaridina be eo ambaravana.
Mivonòna ndry ry Fy fa hisy ady eto anio a.
Ary toa tsy nataony inona akory ah fa nanoratra t@rindrina indray izy.sarina ankohonana kely iray ny nataony ary nomeny anarana tsirairay avy:Kevin,Meva,Lafatra.Avy eo lasa nitarika ilay rojovy indray izy
(MBOLA HITOHY...)
