jeudi 1 octobre 2020

TANTARA MAPITAHOTRA MOMBA NY BEBEANAY

 


Efa alina moa ity ny andro ka dia hitantara ny niainako mbola mampatahotra anah atramin'izao amin'izay aho Tamin'ny 2009 namindra an'i bebeanay izahay (anirotra dia nafindra am-pasandrazana, tsy haiko tsara fa mitovitovy amin'ny famadihana fa tsy misy mandihy fotsiny). Nijanona telo andro tany ambanivoatra izahay de za sy zandrinay vavy farany no niaraka tamin'ny dadanay satria hiakatra any antananarivo hodidiana ihany aho (avy any fianaratsoa). Iray andro tao alohan'ny famadihana no niseho ilay izy. Niara-natory tamin'ny tsihy daholo moa tamin'izany. Efa natory iny no nikofokofoka zandrinay vavy teo akaiko dia tezitra aho. Nipetraka mintsy aho haka bahana hikapoka anazy mafy be de nahita an'i bebeanay ho hafindra io teny amin'ny rindrina teny ampita. Niverina nilombona otran'ny tsy teo ah de resi-tory tao. Maraina ny andro, nifoha maraina be daholo moa fa hanampy hanao rara satria mba efa 14 taona ny tena. Andro tamin'ny 6 maraina, tonga tao aminay ilay mpanandro nitady an'i dadabeanay. Izy moa mbola natory sady kizitina ihany dia tsy nisy sahy namoha anazy. Niteny ilay rangahy avy eo hoe afaro izy fa ilay zafikelinareo vavy matoa hono tsy mahazo alefa eny amin'ny fasàna (izaho io). Nangovitra be aho no sady tsy nasahy nitatara an'ilay izy tamin'ny olon-dehibe atramin'izao fa cousin cousine ihany no mahalala an'izany.