mercredi 7 octobre 2020

FETIN NY ALAKAOSY

 


Raha VILANY no nampalaza azy de ny fetin ny MIMOZA kosa no festival anisany tena be mpakafia sy maresaka ao antoerana,ankoatran ireo anefa dia misy FETY BE tena ahitana ny lafivalon ny nosy tonga mihintsy ao rehefa volana AOGOSITRA

Misy avy any Diego,Fort-dauphin tonga manotrona rehefa tonga izay fotoana zay

31km miala ny renivohitr i VAKINAKARATRA raha miala avy any antsimon ny nosy ary 69km miala ny renivohitr i MADAGASIKARA no misy an AMBATOLAMPY(atao ngeza mihintsy sao misy manao mason a mpivaro bilany)

Tsy zoviana intsony izany tanànan Ambatolampy zany raha famokarana vilany izay tena mpamongady an i MADAGASIKARA ary hatrany ivelany mihintsy aza.Raha ny tantara dia efa misy karazana tany izay tsy hita raha tsy ao Ambatolampy ihany no fanefena irony vilany alluminium irony

Tsy zay ihany fa ao koa no misy ilay tendrombohitra faha 2 avo indrindra ankoatran i Andringitra dia i TSIAFAJAVONA Manjakatompo 27km miala eo Ambodifarihy Andafiatsimo

Fa ny tena zava misy sy maresaka ao dia ny fetin ny ALAKAOSY

Malaza ary fety be tsy hifankahitana rehefa tonga izay ny volana AOGOSITRA,feno fiara tena raitra sy hika farany reny no mameno ny tanàna,misy teratany vahiny mihintsy aza ary dia mampidibola ho anze manana tokotany malalaka,trano azo isitrihana

Mialoha ny fety moa dia fanao isaky ny fanokafana ny lanonana dia misy omby 1 ajoro eo ampovoan ny kianja ary dia mihodidina in 7 eo ity olobe (vehivavy lehibe) dia midaraboka ny omby

Mahavariana sady mahagaga raha mbola tsy nahita fa efa mahazatra kosa hoan ireo efa pahita anzan isan taona

Faritako mazava aloha fa tsy sanatria dokambarotra na soketa fa zavimisy ary tsy miafina le izy de tantaraina mba tsara ho fantatra fa misy ary mbola manana ny hasiny ny fombafomba malagasy na dia lazaina fa ody gasy sy famosaviana aza ho an sasany

Raha hanao ratsy sy hamotika fiainan ny olona koa no antondia any dia aleo mamboly coco no haingana.

Raha fintinina ny tantara dia fety be iarahan io olobe io sy ny taranany ny ALAKAOSY,fangataham pitahiana,fanomezana cadeaux faobe,fisakafoanam-be tsy lany laniana

Tantara tena nisy ary nitsapatsapa raha ny tena marina no azo hilazana azy

Nisy fiangonana lehibe iray no saika hifanolana amty olobe ty tao ka mba ni-test ny herin ny natiora