Misy zavatra hotantaraiko aminareo izay mbola tsy afaka ato an-tsaiko hatramin'izao.
Tamin'izaho hanala BEPC no
niseho ilay tantara.
Nisy namako anakiray izay,
tamin'ny classe de 5ème izahay roa tena mpinamana be fa rehefa 4ème nisaraka
kilasy dia nisy elanelana be teo aminay.
Nitambatra fianarana indray
izahay refa 3ème saingy tsy toy ny taloha intsony ny finamananay fa juste
nifampiarahaba fotsiny refa mihaona. Nisy fotoana aho nanamboatra volo dia
tezitra be izy tamin'izay ka notabatabainy teo imason'ny ankizy rehetra aho hoe
volo efa boribory ho izy dia mbola amboarina ihany sady nakorontany ny voloko.
Menatra be aho tamin'izay satria izahay eo am-pilaharana ka tany aminay daholo
ny masony ankizy rehetra, tezitra aho dia lasa nifamaly izahay (izy koa somary
tia ady izay).
Tsy haiko izay nahazo ahy fa lasalasa ny vavako ka tafiteny hoe izaho ho
aho tsy hiresaka aminao intsony mandram-pahafatinao. Nanenina moa aho raha avy
niteny an'iny satria tsy tokony ho namoaka an'iny mihintsy aho fa tsy fantatro
izay nahazo ahy. Tsy nifampiteny tokoa izahay nanomboka teo, roa herinandro
taorian'iny narary tsy tonga nianatra izy ka gaga daholo izahay rehetra satria
izy tsy manapaka fianarana izany mihintsy. Farany nisy ankizy mpiara-mianatra
aminay mipetraka eny akaikin'izareo niteny hoe marary i ataoko hoe N izay no
tsy mampianatra azy.
Efa dila ihany ny iray herinandro mbola tsy nianatra foana izy, dia nisy
niteny moa hoe marary mafy hono izy. Nisy fotoana ary izaho handeha hianatra
maraina, misy lalana roa moa makany amin'ny sekolinay (ny iray goudron di ny
iray lalan-tany), izaho tsy mandalo amin'io lalan-tany io mihintsy raha handeha
hianatra fa mangina tsisy olona. Nefa tamin'ity indray mitoraka ity tsy haiko
ny antony fa nankany ny lalako, rehefa akaikin'ny fianarana aho dia nahita
mpiara-mianatra aminay vitsivitsy nivoaka ny vavahady, gaga moa aho nahita
an'izareo niverina kanefa efa ora fidirana. Commentaire ny tohiny tsy dia lava.
Nanontaniako ry zareo hoe handeha ho aiza ny andro
efa lera , namaly moa ry zareo hoe izahay hamangy an'i N fa marary mafy hono
izy dia andao hoy ry zareo hiaraka aminay amin'izay tsy bedy isika raha tara
fidirana fa i dadanao no mpampianatra ao. Nanaraka an-drizareo tsy
am-pisalasalana moa aho, rehefa tonga tany izahay dia hitanay matory eo
an-tokotan-drizareo i N. Faly moa izy nahita anay dia nandeha ny firariana
fahasalamana sy ny karazany dia tongava mianatra hoy ny sasany fa mangina be ny
lakilasy tsisy anao , eny hoy izy tsy maintsy tonga aho amin'ny herinandro.
Nisy fotoana amin'izay nifanojo ny masonay dia hitako eny amin'ny masony
hotrany miteny izy hoe tonga namangy ahy foana izy na nisy fifamaliana aza teo
aminay (Hotrany hoe tsy motazona alahelo amiko izany ny fijeriny, mbola
tadidiko hatramin'izao).
Lasa nianatra
moa izahay rehefa avy eo, voasazy ihany refa tonga tany am-pianarana.
Tonga nianatra
tokoa izy herinandro taorian'iny, teo no izahay rehetra no nahatsikaritra fa
mavo daholo ( ny masony, ny felatanany ary ny vatany iray manontolo ). Teo
amin'ny iray andro teo ihany izy no nianatra fa ny ampitson'iny tsy nianatra fa
nihamafy ny aretiny ary lasa tsy mahatsiaro tena .
Tapak'hevitra
indray izahay fa handeha hijery azy vao rava mianatra , ny sasany ihany moa no
nandeha anisany aho. Tonga tao amin-dry zareo izahay tsy mahatsiaro tena
intsony izy saingy mihinana soaman-tsara hono izy hoy ny reniny raha omena
sakafo. Nisy fotoana hono niteny tamin'i mamany hoe te haka azy hono ny
nenitoany izay maty iray volana talohan'io.
Niteny tamin'i
mamany hono izy fa mahita ny nenitoany foana manome mofo azy saingy izy mandray
. Tsara ho marihina fa tamin'io nenitoany io mbola velona dia tsy nifanaraka
tamin-dry N hono fa niady ry zareo ,
Nahasahy nanao
vava hono io ramatoa io hoe raha maty aho dia alaiko ny ray aminareo raha
mandevina ahy. Talata rava mianatra maraina moa izahay tany amin-dry N iny,
tolakandroniny izahay niteny tamin'ny ankizy rehetra hoe tena gravy be ny
aretin'i N ka tsy maintsy mankany amin'izareo isika rapitso. Dia
tapaka moa fa ho any izahay ny ampitso.
Tsy haiko na ny
any aminareo koa fa ny aty aminay raha vao misy maty dia mampaneno lakilosy,
iny no nanaitra ahy ny maraina. Rehefa naheno an'iny aho dia hotrany mahimahina
hafahafa izany fa tsy nivakiako loha ilay izy fa mety lamesa maraina ho aho .
Tonga tany am-pianarana amin'izay aho hitako tomany daholo ny mpiara-mianatra,
nidoboka be ny foko dia nanontany aho hoe misy inona, maty hoy ry zareo i N.
Tsy tafihetsika teo amin'ny toerako mihintsy aho fa hotrany sary vongana sady
niraraka nanaraka ny tavako ny ranomaso. Izahay rehetra nitomany daholo
hatramin'ny mpampianatra satria i N no tena mampisy ambiance ao an-dakilasy
(mitantara blague sy ny tariny). Ny harivan'iny amin'izay aho nipetraka teo
an-tokotany izahay sy mamanay satria mafana ny andro, tsy haiko izay nahazo ahy
fa tonga dia nangorovitsika sy nitrangam-bolo tampoka aho ary tonga dia
nitomany be, hotrany nisy nitazona izany ny lohako sy ny tendako, manontany ahy
mamanay hoe fa naninona ianao, te hamaly azy aho fa tsy nahavoaka feo mihintsy.
Tena te hiresaka mafy aho fa tena tsy tafa,noentiny niditra ao an-trano aho dia
nomeny rano ary afaka kelikelin'iny izay vao nahazo aina. Ny ampitson'iny aho
narary be dia natao sérum mihintsy , tsy nahasahy ho irery aho fa tsy maintsy
misy olona foana ny eo akaikiko.
Sitrana ihany
moa aho taorian'iny , andro iray talohan'ny handevenana azy dia nintondra
famangiana tany izahay rehetra, ny mpianatra rehetra mihintsy.
Izahay tany iny
hono efa tsy ao anaty vata intsony izy fa ondry no nasolon-drizareo azy(izany
hoe nifoha tamin'ny maty, karazan'olona maty im-pito reny ry zareo ). Iny no
nalevina tany fa izy niafina tao amin-dry mamany ihany, efa maro hono ny olona
nahita azy, manadala ny sipany isak'alina hono izy. Nalefa lavitra moa no
niafarany satria izy efa nalaza erakin'ny tanana hoe mifoha. Izaho moa tsy
nahita ary isaorako An'Andriamanitra izany, satria izaho dia olona tena
saro-tahotra.
Hadinoko, nisy
mpiara-mianatra aminay iray nisehoan'i N ny alina nahafaty azy iny ary niteny
izy hoe enga anie mba ho afaka BEPC daholo ianareo fa izaho handeha.