ireo indray no
tantaraiko amitsika androany.
Ety ampiandohana
dia tiko ny miteny @tsika sahady fa eto Madagasikara dia misy phénomène tsy
takatrin'ny sain'olombelona mpandinika scientifique (vazaha). Mbola maro ny
zavatra misitery eto amitsika ary mbola maro amitsika ihany koa no mbola tsy
mahafantatra ny fisiany.
Hoentiko any
antsimon'i Madagasikara isika. Any @ faritr'ihorombe.
T@ 2013 zah niaraka t@ Dadatoako tany @ toerana antsoina hoe Satrokala ,
any ambanivohitr'ihosy no misy azy io raha azavaina tsotsotra. Nisy carrière
volamena tany antoerana t@ io fotoana io, izaho rahateo moa sendra vacance dia
mba nanaraka azy tany antoerana sady mba nanao vacances no liana.
Tany no
nahitan'ny masoko an'izany olona manao ody bala sy ody vy izany .
Ry dadatoako sy
ny namany moa tany antoerana dia mamonjy Ombiasa (Mpimasy) isaky n alohan'ny
hiasana ary t@ izany no nahitako ny fandeanjavatra satria nisy naman'io
dadatoako io t@ izany no nampamboatra ody bala sy ody vy t@ io Ombiasa io.
Akory ny
hatairanay raha nahita azy natao test satria efa vita ilay Ody.
Noravahany ilay
Ody dia nochargen'ilay rangahy ny basy Baikal dia notifirina teo @ tratrany
izy. Hoy aho oe maty zay satria nianjera izy tratran'ny coup an'ilay bala ,
akory ny hatairako fa iny izy niarina tsimoramora avy tao ary nitsangana.
Rovitra ny tee shirt nanaovany noho ilay bala fa ny teo @ tratrany kosa namela
otran cicatrice ireny. Hoanay vao sambany nahita t@ izany dia gaga sy talanjona
avokoa.
Ny Test faharoa
indray dia t@ famaky.
Novelesina t@
famaky indray ranamana dia tsy naratra . Hoy aho oe mahay zavatra isika
Malagasy ary amiko manokana tsy hitako izay maharatsy azy.
Hoanareo izay
tsy mino dia manotania olona avy any @ iny faritra atsimo iny ianareo fa tena
misy ilay izy, ny tena rahateo nanatrimaso ny zava-misy .
Marihina moa fa
misy fadiny ilay ody ka raha vao ota ilay fadiny dia ts mandaitra avy hatrany
ilay ody.
Fa ny zavatra
nanitikitika ny saiko t@ izany fotsiny ary hadinoko ny nametraka ny fanotaniana
t@ izany dia ny hoe '' ilay izy ve misy partie voaaro sy tsy voaaron'ilay ody @
tenan'ilay olona ?" Satria ny hitako dia t@ vatany avokoa no notifirina sy
novelesina falaky. Raha @ lohany ve mety mahafaty azy sa tsia?