Efa tamin'ny alina za nandefa an'ity
pub ity fa tsy nety lasa mihintsy in_5 nalefa fa eto izy hinoko fa ho lasa
amin'izay.
Toerana mo Ampandrana ety aminay.
Voalohany dia hiteny an'ireo zavatra henoko zah mahakasika ny lalana mankaty
aminay io ary manaraka miteny ny zavatra nahazo anah.
Betsaka ny vahiny mpakato aminay eny
fa na ny mpiray tanana aza no milaza fa mahita olona fohy kely izany indrindra
rehefa mandeha irery entre 12 ora atondro hatramin'ny 2 ora atondro na koa
rehefa alina na maizina.
Ny sary voalohany dia ny lalana
mankaty aminay raha avy amin'ny tsena Besarety. Aminio lalana io mo zany dia
feno mpanary pô taloha ary miaraka maro be zareo, ary indray andro za sendra
mba taraiky ariva andeha hody nifanena tamin'ireo mpanary maloto ireo
miazakazaka fa misy olona fohy kely zany. De za mo nihome sady namoha vavady no
niteny hoe zimbazimbao ihany e! Nefa de tsy aiko nahatonga anah niteny izany.
Indray andro ko nampaniraka olona
nanary fako ka ariva izy vao naka ny volany, ary noho ny ande hidy izy dia
nipotran'izany olona fohy kely zany teo akaikin'ny vavahady. Tonga izy ny
maraina ary niteny hoe : " za tsy andeha ho any aminareo intsony amin'ny
andro maizina" fa misy inona hoy izahay ? Dia nontantarainy fa saika tsy
hitany hatramin'ny vavahady ivoahana fa nahita olona fohy kely izy.
Tonga koa ny manaraka naman'ilay
voisine nay zay dia miteny fa nahita olona fohy kely lava volo zany. Dia zah mo
mbola nandalina tsara hoe inona ary mety antony izany?
Sary faharoa dia ao anatin'ny
vavahady nay, indray ariva za andeha hitsena an'i neninay teny amin'ny tsena
Besarety tsy nitondra phone tsy nitondra lampe dia nisy nikitika ny hatokako
dia everiko fa zavatra latsaka avy teny ambony fataka nefa tena otran'ny tanana
no nikasika anah, fa tohizako ihany lalako.
Tao anaty vavahady io ihany, marihina
mo fa vavahady voalohany ihany io, ny bandy akama voisin anay mifoka sigara dia
nivoka tany antokotany tokony 20h teo.
Nitazana tany amin'ny vavahady be
tany izy, ka tampoka honobdia nahita vehivavy tsara tarehy be manantina azy
sady manao ankajo fotsy, torak'izay izy dia nitsaoka niditra tany an_trano, ary
noho ny maraina dia nitantara taminay.
Teo mo zany za dia niteny hoe fa
maninona lety lisany foana no hipotrany a, za anefa mbola tsy nahita an'izany
teto mihintsy.
Eto amin'izay zavatra nahazo anah.
Indray Sabotsy za nandeha nanao maintenance ordi tany amin'ny bandy akama ary
hariva vao tafody. Zah mo zany rehefa tena poritra avy amin'izay alehako dia
tsy miandry tonga amin'ny W.C zany fa refa tafiditra ny vavahady voalohany dia
mi_pipy. Nipipy teo akaikin'ny vavahady za. Ny Lahady maraina dia nigoha fa lasa
nipipy lava, isakin'ny 5 secondes dia mamany. Tsy aritrako mo ka noteneniko
neninay hoe :" neny a! Za lasa mipiy foana nefa vao avy mipipy" . Tsy
nisalasala izy niteny hoe sao dia vohany #mamany_lava (angatra) dia namaly za hoe :" za ve tsy manao sipa ko
voan'izany" dia tsy niteny izy. Tonga saina za noho nipetraka hoe sao dia
za le nipiy teo amin'ny vavahady satria ny olona rehetra milaza fa nahita olona
fohy kely zany daholy. Dia tapaka ny hevitro fa andeha hoeny amin'ny vavahady.
Tonga teo amin'ny vavahady za dia niteny hoe tsy hipiy eto intsony intsony za,
de tampoka teo dia afaka ilay mamany lava. Nanomboka teo za dia tsy nanao maloto teo
intsony.
Nandeha
ny andro sy ny fotona dia manofy za hoe :" avy nirava nianatra dia
nifanena tamin'ilay vehivavy teoa amin'ny lalana mantaky aminay ary nanotaniko
ny anarany fa tsy niteny izy kanefa ny anarako tonga fantany. De ozy za
tamin'by hoe za mbola lava noho ianao, de hoy izy taranaky mihintsy no tsy dia
lava ka. Dia nanotaniko ndray hoe fa avy aiza ianao fa tsy hitako no nipotranao
teo, de hoy izy hoe tsy dia lavitra eto no misy anay. " de ozy mantsy anah hoe veloma fa mbola hiaona eto foana
isika"
Dia mbola azako nofy indray izy afaka
3jours nanofisako azy sady lasa mitovy halava amiko no tena manja dia teo
amin'io lalana io ihany. In_3 izy no azoko nofy amin'ny toerana tsy miova ary
dia tena miresaka izahay.
Tsy aritro intsony mo ka nitenybza
hoe tena misy lay olona lazainareo fa in_3 nanofy azy za tao anatin'ny 2
semaines . Dadanay ko mo ni_justifier hoe misy olona miompy kalanoro eto
amin'ny manofidina satria isakin'ny mandalo eo za dia mivoraka foana. Ny olona
mpanao art martiaux mantsy manana aura miavaka (raha tena mifototra) ka izany
no nitenenany an'izany.
Ety Ampandrana ety tena misy zavatra
hafa mihintsy, tapitra aloha ny tantarako fa tantara hafa mihintsy ity fa misy
hifandraisan'ilay toerana
Tsy tadidiko na 2004 na 2005 izy ity.
Nisy namanay izay nandendeha taty
Ampandrana tamin'izany lay makatanala ireny, izahay mo mbola nipetraka tany
Besarety tamin'izany. Nahazo tarondro io namanay io ary gaga zareo hoe tanala
ngeza be, satria maromaro zareo noho niaraka. Nandeha noentina tany Analakely
ilay biby hitedavana mpividy kanefa tsy nahita fa otran'ny hafahafa ilay biby.
Tsy nahita mpividy zalahy ka ilay bandy akama voisin niara nilalao taminay mo
mafimafy loha izay ka nalefany ilay biby ary teny ambony poteau no nitifiry
tamin'ny flèche ka nilatsaka tamin'ny tany ary mbola nitsahany ary naveriny
tamin'ny toerana nangalany azy. Hitan'ilay tompony aza ilay biby ary narary dia
narary ihany koa le bandy namono azy, ary nivadika tarondro tsikelikely ny
vatany ary tsy nahay niteny intsony lery, nataon'by ray aman_dreniny izay
nifanarahana tamin'ilay tompony ilay biby ka niteny ilay raneny be hoe tsy
miankina amiko io fa miankina amin'ny fahaveloman'ilay biby. Marihina fa
tarondro mpivady ilay ozy ary samy manao kavina satria teba navoaka tamin'ny
télé sy gazety io tranga io tamin'izany fotoana izany. Maty ilay tarondro dia
maty ihany koa lery. Mety betsaka mahafatatra io zava_nisy io fa teneniko ihany
satria betsaka ihany koa no tsy nahay ary izahay vavolombelona satria nahita
maso, ary izany no mahatonga ahy miteny foana amin'ny resaka biby indrindra fa
biby tsy fantatra io. Aza tia mamonomono biby izany. Vita tompoko.