jeudi 1 octobre 2020

“DISO NATOKY NAMANA LOATRA”


Nanana namana ny zokiko vavy izay mpifanila vodirindra aminy ka matetika miditra ao antranony fona io vehivavy io,io vehivavy io moa dia tena mijaly ara tokatrano satria mamolava fona ny vadiny ary mandaroka!

Lasa mitsiriritra ny fiainany zokiko fona io namany io satria ny vadiny zoky moa sady tsy misotro no tsy mifoka ary tena manaja vady fa le namany kosa tena mijaly sad amzay ts miasa io vadiny io fa le vehivavy no miasa.

Nanan-janaka lahy kely 1 taona ny zokiko ary io zaza io tena ampihatainy zokiko be mints sad ts mba alefany milalao miarak am ankizy fa ao antrano fona

Nanomboka teo no lasa nialona ilay namany😣

Teneninio namany io fona zoky oe mba ataovy otran ankizy reetra io zaza io fa ho sahirana enao refa lebebe eo io,asaivo milalao eny am tany any ivelany izy fa ny zaza tsy maintsy mihosona vovoka vô lehibe.

Tena tia chocolot be io zaza io ka de hividianany zoky chocolot fona ary itanio namany io de kianina fona oe nendry koa de ampihataina be ny zaza de refa sendra tsy misy vola de omena inona izy?De mamaly moa zoky oe aleoko za tsy mihinankanina toy izay ny zanako no hiafy,de tena sorena moa le namany.

Ny zanakio namany zokiko io zazalahy kely 2 ary tena kapohiny lava sad hozoniny fona isanandro ra vo mba manao faute kely ireo zanany reo sad tenenany ratsy be refa tezitra izy dia tedaviny fa atao otran fitezainy ny zanany koa ny zanaky zokiko!

Nanomboka eto ny tena tantara

Nanomboka nitsiry ratsy ilay namany satria lasa notsiriritiny atram vadiny zokiko ary de sahiny mints miteny am zoky oe sambatra aki ndry manana vady manaja sy ts mba mamono,tena sambatra za ra otraniny ny vadiko

De otrzany fona no lazainy an zokiko isakin miditra ao antranony zokiko izy ka maita anle vadiny mikarakara sakafo sy mifankatia be zareo 2!

Nanomboka nitsiry ny toetra ratsinle namany ka de manomboka fosainy any ivelany ny fiainany zoky ao antrano ary aratsiana any i zoky

Tsy mino moa zoky fa lazainy fa olona te ampiady ka de tsy niova tamnio namany io mintsy zoky!

Taty aorina tena tsy zakany intsony ny maita ny tokatranony zoky milamina tsara ka dia namosaviany ilay zanaky zoky lahy kely tsy manantsiny

Nanomboka narary ilay zaza ny alatsinainy alina

Somary nafana be zay ilay zaza sady otran misy mangana ny faladiany

Tsy natory mints le zaza fa nikofokofoka nitomany fona ny alinio alatsinainy io😢😢😢

Maraina nifoha talata de tapakevitra fa hoentina any am docteur ilay zaza ary nanomboka nisy otran zavatra mivonto otran oe mofogasy zany eo am tratrany ary vo kitiana de mitomany be izy

Refa tonga tany am docteur dia nilaza ny doc fa nisy zavatra nohaninio zaza io lany daty ka zay no tsy zakany,de nomena fanafody zareo de nande nody

Tonga tany antrano ni verifiény zoky daholo ny zavatra nohaninio zaza io ary tadidiny daholo fa tsy misy lany daty na iray aza!

Nanomboka nijaly indray ilay zaza ny aliny talata ary tena nafana be sady nanomboka nivôka mangamangana be daolo ny vatany satria moa le zaza fotsy be de tonga de hita be daolo le mangana reetra mivoka am vatany

Tsy mety mihinana intsony izy sady mitomany fona ary tsy mety maita tory😢😢

Ndriii…..

Nanomboka lasa mangana daholo ny vatana reetra atram felantanany sy ny faladia ary le zavatra mivonto eo am tratrany vomay nihalebe

Lasa ts matsangana intsony le zaza ary na ny lohany aza lasa tsy zakany intsony fa tohanana

Ary izay sakafo hoaniny de avôkany fona

Tapakevitra fa hoentina eny hopitale des enfants eny tsaralalana ilay zaza

Refa tonga teny de tonga de kivy ilay docteur vo naita ny etat anle zaza sady nanontany izy oe inona no nohaninio zaza io?

Nanomboka notsaboina izy ny alakamisy ary tena efa kivy be ny docteur reetra fa tsy te anakivy an zoky mivady fotsiny oe mosavy no mahazo io zaza io!

Ny zoma tena efa osana sy reraka tanteraka ilay zaza ary efa tsy mahetsika firy intsony tao am hopital😢😢

Refa nipaika ny zoma ariva de nanomboka nikofokofoka ilay zaza sady mampiakatra ny tanany ambony sady me miakatra ambony koa ny masony ka noraisiny zoky izy de mikolepalepaka fotsny ny lohany satria tsy zakany intsony

Nanombk nitabataba be zoky niantso docteur otran reny olona adala ireny,

Niditra ny docteur ary nifamonjena teo ilay zaza fa ny famille moa tsy mahazo miditra intsony fa miandry ety ivelany!

Nivôka ilay docteur sad nijery an zoky izy no nampahery fa lasa le zaza😭😭

Tsy tana intsony ny ainy fa tsy zakany intsony ny irifiry nozakainy tanaty 5 jours noho ny etraketrakiny sasany

Refa maty izy de tena nikarenkona be ny molony sad lasa mainty be mints

Ny anaty vavany reetra mangana daolo

Ny vatany reetra mangana atram tarehiny

Tena oe maina be ny vavany

Le namany moa namangy teo fona tamnio ary mbola tsy fantatra oe izy no nanao azy fa za no efa mailomailo satria vo mijoro eo akaikiko io vevavy io de tena otran ts mahazo aina za fa misy hery hafa2 zan fona tsy mampamandry ny saiko!

Refa andeha andevina de niray tobil tamko sy zandriko le vevavy ary dadafara

Olona 4 zay no niray tomobil ary dadafara no chauffeur

Ry zoky moa anaty tomobil hafa!

Nanomboka nitantara tamnay ny fomba fitazainy zokiko ny zanany io namany io ary kiakianiny be amnay 3 le zokiko nefa izahay amnio andalana andeha andevina anlay zaza

Tena tsy mitsahatra miteny ny vavany fa omeny tsiny be aty aminay ilay zokiko maty anaka😓

Variana izahay anaty tomobil mihaino azy sad gaga oe inona ary no ao antsainity vehivavy ity!

Vita ny fandevenana de samy nody daholo

Za ande aka ny entako any antranony zoky no niditra tampoka io vevavy io sad diniany tsara za!

Za mo gaga satria maty ny jiro tamzay de ny phone ako no manazava anle chambre akako ny entako satria tsy atory ao izahay fa any am dadafara!

Izy variana mandinika ana eo io no misy mibitsika ny fanahiko oe io vehivavy io no namono anlay zaza!

Azoko moa ny entako de nantaniany za oe tsy atory aty nga nareo?aaa wa sad nivoka za de nidiko ny trano de izy lasa!

Tena nifindra tsy nipetraka tao intsony moa ry zoky refa maty ilay zaza

Taty aorina henony zoky oe tena lasa nisarabady ilay vehivavy namany taloha ary lasa adaladala ilay rangahy

Lasa tena nitsipozipozy ny fiainanle vehivavy ary lasa nitsoka moa ry zareo satria anan'olona trosa bedebe!

NY hafatra tiko ampitaina de oe aza mba matoky olona ry reto na namana fa aleo mailo fona2 satria mety io namanao tena tsy fohinao io iany no mety amono anao sy animba ny fiainanao aty aorina!

De hafatra hoanle olona tia mialona namana tafita sy miadana ao antokatrano oe ny tody tsy misy fa ny atao mo miverina,tsarovy fa ny ratsy atao amnol de mivaly amle nanao fona na ho aiza na ho aiza satria Andriamanitra irery iany no tompony aina fa tsy isika olombelona

Miezaha eo am fiainana mba hitovy amle olona hialonana fa aza faly hamingana ny hafa fona😢😢

Efa maty moa le zaza vo 1 taona monja sad tsy hiverina intsony izy fa ny hafa no tandremana😊

Vita tompoko