mercredi 7 octobre 2020

 

Tantara kely mba tena hitako izy ty de tantaraiko eto sady mety ampiomehy . T@ mbola kely zay tia milalao eny Antanimbary , dia misy moa milalao baolina de manao biribiriky , misy maka tanalàhy sns... Rehefa lay kilalao fanao taloha ireny e , ndray andro zay zokinay lahy sy ny zanak'ilay olona niara-nipetraka taminay nilalao tany Antanimbary lalindalina tany , hoe hisambotra "sahona " dia lay ampijaliana e 🤣@ maha ankizy moa dia sahisahy zay.

Dia mandevina zahay tena hoe mandevina daholo ny kilonga eny Antanimbary aminio an .

Dia vita ny fandevenana an'ilay biby dia mitohy ndray ny lalao , manao famadihana aveo dia mandihy😁

Ariva ny andro dia Nantsoina fa mody amizay , zokinay lahy sy lay zanak'olona teto akaikinay ny tany @ farany fa hoe mbola nipipi .

Alina aniny zokinay feno zavatra be dia be ny vatany sady nangididy be tsy laitra fa mitsovaka zay hokôriny , dia hoe allergie ty zaza ty na tandimerina dia noentina dokotera ampitso . Tsy nisy fiovàna fa vao maika nitsovaka be ary , notohizana ny fanafody fa e e e! 3andro teo eo tena nivanditra be ny oditry zokinay , de nen'ilay bandy kely anakiray ny

masony sy ny vavany no nitsovatsovaka be . De nifanantona ny RAD de nifanontany hoe sao de mba nihinakinam-poana tany ampilalaovana tany ary reo?na nanao zavatra tany , de tsy niteny mihintsy izy roalahy e! Fa alina aniny ni-delire be zokinay no nafantarany neninay fa ni-pipi tany ananonanona tany reo ozizy fa ndao anontaniana de Eny , nipipizany zareo hono le dobo fanondrahan'olona anana sy salade . Sady misy trondro ao @ le izy de hoe tsy azo alaina le trondro

De le namonomono biby notantaraina daholo , Tsy andry zay haharaina ny andro nankanesana tany @ le dobo sy le fasana kely nataonay de nanaovana fomba lay izy satria nantsoina ny tompon'le tanimbary . De tantely sy akoholahy ary bonbon naterina tany de vola sy taoka gasy kely .

Afaka 1andro izy roa sitrana tsy naninona intsony na tache aza tsy nipetaka teo aminy ☺de zay iiiiiiiii 😊