T@ 2015/14 teo angamba iny , nisy
trano izay vao namboarina tao Ampandrana tao , mifefy ilay izy ary 3 étages fa
be velarana be , dia mpanao baolina teo akaikin'io trano io mo izahay .
Nisy fotoana @ zay efa tokony ho
lokoina ngamba sisa ilay trano no tsy notihizana intsony fa nandeha ny feo hoe
nisy zavatra hafahafa hono .
Izahay mo be dia be mihintsy no
mpilalao baolina teo dia tsy niraharaha .... Ny baolina moa lasa matetika ao
antain'ilay fefy foana , nisy fotoana @ zay hariva ny andro ( efa maizimaizina
ihany ) , lasa tao ny baolina ary tsy maintsy misaoty fefy zany , dia bandy 2
moa no nakao naka azy ( tompon'ilay baolina sy ilay nandefa ) tafiditra tao
anaty fefy izy reo , dia zay mo normal samy tsy taitra ety ivelany satria efa
zatra , ela ela mbola tsy nivaoka ihany de gaga zay , nisiaka teo mo zay tsisy
namaly .... Niandry kely teo ihany zay ( nieritreritra mo zay hoe nisaoty fefy
avy any ambadika dia nitsaoka nody zareo satria mpanao fikana tompom'baolina
ilay topony ka vao misy tsy tiany kely dia taperiny foana ny lalao ) iny
tampoka zareo 2 avy any miverina iakatra fefy mivazavaza hoe ampio izahay lessy
eh ! Sady ny iray mitomany , dia hoe : " oadray le fa naninona lisany ,
nga misy alika ao sa ahoana ? " dia hoe feno olona fohy kely bdb zany hono
nisitona an'zareo hiditra tany anatin'ilay trano ( efa misy varavarana nefa
ilay izy fa tsy voaloko sy tsisy nipetraka fotsiny ) ...
Dia nanotnay mo zay dia aiza ilay
baolina taraiky any hozy zalah , jerena ny tanan'ny anakiray mandeha rah be ,
fa ahoana io ozy le bandy akama ray zay " voarangotr'izareo tao "
hozy izy . Dia bdb mo zay dia hoe ndao ranga hiditra ao daoly eh , sady
akan'ilay baolina no hijery an'izany , lasa nisaoty tao daholo , ilay
varavarana sady lasa mivoha tampoka no vaky ilay baolina eo ambaravarana eo ,
tsisy sahy niditra tanatin'ilay trano kosa anefa , notorahinay vato mo tao
anatiny tao fa tsy nisy na inona na inona , dia lasa izay niala daoly sady samy
nody .
Tao arinan'izay mo dia tsy nety
nilalao baolina tao intsony ilay tompon'ilay baolina dia nifindra tany
Betongolo fona indray de tsy hay intsony zay mety mbola zavatra nitranga tao .
Salama daholo isika, itantara ny
zava-nisy teo aminay ahy , ary i mamanay no nitrangan'ilay izy. Toy izao ary
ilay tantara:
Indray ariva sahabo amin'ny 6ora
ariva dia difika ny masony ary afaka fotoana fohy naha difika ny masony dia
nivilana ny vavany.
Gaga dahalo izahay tao an-trano
nahita vavany nivilana ka nihevitra izahay fa tension nahazo azy.
Naraina ny andro dia nandeha namonjy
docteur izy , ka rehefa nitsapain'ny docteur ny tensiony dia nahatratra 24 teo.
Dia gaga ilay docteur ary niteny hoe...tsy fanina anao ve ? Namaly mamanay hoe
...aaa tsy fanina ahy.
Ary niteny indray docteur hoe, aleo
rehefa afaka kelikely dia averina tsapaina ianao fa tsy tension normal tensionao
io.
Afaka kelikely dia nalaina indray
tension mamanay dia nihena 22 indray. Dia gaga b mihitsy le docteur niteny
tamin'ny mamanay hoe ...ô ry madame ,tsy fanina mihitsy anao? Namaly mamanay
hoe aaa docteur tsy fanina ahy fa saingy fotsiny tsy mahazo tory ahy amin'ny
alina .
Raha izany hoy docteur dia
ahenantsika ny tensionao io dia omeko fanafody mampatory ianao fa indraindray
ny tsy fahampin'ny torimaso dia anisan'ny mampiakatra ny tension. Dia nomeny
an'i mamanay ny fanafody tension sy mampatory.
Rahampitso hoy izy tamin'ny mamanay
miverena aty ianao anaovana controle.
Ampitson'iny niverina tany mamanay
dia nitsapaina ny tensiony dia mbola 22 iany ary mbola tsy nahazo tory foana
mamanay. Gaga b docteur ary niteny izy hoe tohizo iany le fanafody tension ary
nampitombony 2 ny fanafody mampatory nomeny any mamanay. Dia niteny izy hoe
miverena aty ianao rahampitso hanaovana contrôle.
Ny ampitson'iny dia niverina tany
mamanay dia nitsapaina ny tensiony dia mbola 22 foana ary niteny mamanay taminy
hoe zah anie docteur tsy mety mahazo tory mihitsy e! Dia niteny docteur
tamin'ny mamanay hoe afaafa b aretinao ity madame , efa tsy sahiko ampitomboina
intsony dose'ny fanafodinao ireo . Teo vao niteny tamin'ny mamanay le docteur
hoe
raha tsy mivavaka ianao madame dia
mba manaova ireny zavatra ataonolona ireny ( manao fanafody gasy no tiny
tenenina) fa tsy aretina docteur ny aretina anao madame hoy izy. Misaotra
betsaka an'le docteur izahay .
Dia teo vao anomboka amin'izay ilay
tantara.
Izahay moa sady tsy mivavaka no sady
tsy manao gasy tamin'ny andro izany. Ka Tonga día nanapakevitra i mamanay fa
hanao gasy .
Dia nanantona mpitsabo gasy izahay
dia nitsaboina tany mamanay. Rehefa nitsabo tany izahay dia hita fa nisy tromba
i mamanay. Izaho moa tamin'izany fotoana izany dia teo amin'ny zaza 10 taona
teo ary ny zokiko lahy dia teo amin'ny zaza 12 taona teo.
Rehefa heno fa tromba nahazo an'ny
mamanay dia nitenenina tamin'ny papanay.
Tezitra papanay tamin'izany ary
niteny tamin'ny mamanay hoe zah tsy mahavita manompo an'izany ary ao anatin'ny
famille'ko tsy misy manompo an'izany ary raha anompo an'izany hoy papanay ianao
dia aleo isika misaraka.
Dia raikitra ny fifamaliana teo
amin'ny mamanay sy papanay.
Dia niteny mamanay hoe zah hoy izy
anompo satria ny famille'nay hoy izy misy an'ireo daholo ary raha isaraka ianao
dia tsy manino fa zah hanompo.
Dia lasa ny fotoana , nomanin'ny
mamanay ny zavatra ilaina amin'ny fomba fanompoana an'le izy.
Andro asabotsy ny fotoana ananganana
an'le trombo kanefa andro asabotsy andro fadindrazan'ny mamanay dia natsangana
andro asabotsy le izy satria andro tsaran'olo aty tamatave andro
asabotsy.izahay manko mipetraka aty tamatave.
Dia nanaiky mamanay fa atsangana
foana na andro fady satria nihevitra izy hoe matoa andro asabotsy no andro
nitenen'le mpimasy dia izay hitany fa mety.
Raikitra ny fandrombohana tamin'izany
nanomboka naraina fa i papanay tsy niatrika an'le izy fa zah sy zokiko ary ireo
olona taizan'ny mpimasy io no olona niaraka tao aminay tao ,nirombo.
Natao barisa ,nivoaka ny tromban'ny
mamanay, niteny le tromba iray razanay niteny hoe fa nanino no natao andro
asabotsy ity zavatra ity hoy izy tamin'le mpimasy? Día niteny le mpimasy hoe
...andro tsara hoy izy androany.
Namaly razanay io hoe tsy mety aminah
hoy izy .
Nanomboka
teo amin'izay tsy nety ny zavatra nataon'le mpimasy ary nanomboka teo nivoaka
le tromba ka hatramin'ny ariva.
Tonga
nirava niasa papanay día gaga fa mbola nivoahindromba foana i mamanay.
Niteny papanay
tamin'le mpimasy hoe f'aona izao?manino ny trombany tsy mety mijanona fa
mivoaka daholo? Tsy niteny le mpimasy fa otran'io
hono no ataonolona misy tromba.
Izahay moa tsy misy zavatra fantatra
fa día nijery Teo foana.
Alina ny andro ,nody le mpimasy día i
mamanay tsy mijanona ivoahana tromba foana.
Rehefa misinda kely trombany dia
miteny mamanay hoe ...reraka be ahy.
Zah moa tamin'izany día nitomany
foana.
Ny ampitson'iny día nivoaka tromba
tamin'ny mamanay le razanay ka niteny hoe tsy nety hoy izy le fananganana an'le
tromba .
Io razanay io efa nitenenin'ny
mamanay taminay anaran'io razanay io ka tsy vahiny intsony izahay raha vao
naheno ny anarany.
Fony mamanay hanaraka an'ny papanay
aty tamatave día efa niteny tamin'ny mamanay io razanay io hoe raha misy
probleme manjo anao any dia antsoina foana ny anarako fa tsy avelako irery ny
taranako. Satria io razanay io manko tsy milevina aty an-tanety fa anaty rano
noho izy taloha nipetrahana tromba zazavavindrano. Ary io razanay io dia manao
tromba amin'ny zafiny aty afara
Nanomboka Teo día nivoahana tromba i
mamanay ary teo izahay nahafantatra tromba izany.
Nivoaka tromba razanay io dia niteny
taminay fa feno ahody ny tonkotany sy tranonay ary ny olona mifanila la cour
aminay ary bebeanay avy amin'ny papany no namosavy an'ny mamanay ary nanolaka
amin'ny tromba ratsy sy ambalavelona Ka itako izany hoy razanay io dia tonga
ahy hiaro ny zafiko ( mamanay izany teneniny zafiny izany).
Tsy tokony mbola ho Zao zah hoy
razanay io ipetraka amin'ny zafiko( mamanay) fa nohon'ny tolaka ireo dia
nangataka amin'ny andriamanitra hoy izy ipetraka amin'ny zafiko (mamanay)mba
hiaro azy amireo zavatra ireo.
Rehefa henonay izany día lasa le
tromba razanay io , día raikitra fifamaliana teo amin'ny papanay sy
mamanay.satria i papa tsy nino hoe día i mamany no amosavy ny vadiny.
Nifamaly b mamanay sy papanay ka ny
farahevitry papanay día nanantso an'i mamany mba ifanazava an'izany. Nantsoina
i bebeanay io día natao face-à-face ka Teo nitsotra le bebeanay fa nataony
tokoa le zavatra ary ny zanany día nasiany fanafody ratsy ary tsy afaka
mandrakehitriny izany zavatra izany.
Dia rehefa vita le face-à-face
tamin'ny mamany , papanay ary bebeanay Dia nivoaka tromba tamin'ny mamanay
indray razanay niteny hoe ...mangataha tso-drano amin'ny maman'ipapa ry zareo.
Día
natao le tso-drano día vita fa ny tromba ratsy sy ambalavelona día mbola tsy
afaka fa mbola tao amin'ny mamanay foana ary mivoaka foana.
Día
nitotototo maneran'ny tanan'ny tamatave izahay tamin'izany nitady mpimasy mahay
fa eee...mpikatramo no tena ankamaroany.
Namidy
tonkotany nitsaboana an'ny mamanay fa mbola tsy sitrana na día teo razanay io
miaro fa tena mafy ny ratsy nataonolo ireo azy.
Rehefa
elaela nitady mpimasy día nahita mpimasy iray ary izay no tena mpimasy nahay .
Tonga tany izahay dia niteny le
mpimasy fa tolaka nahazo any mamanay ary ambalavelona le izy.
Día niteny izy hoe misy tromba iray
hoy izy ity amin'ny mamanay io ary tromba tsara ary razany io ,tsy vita eto
tamatave io tromba io fa any amin'ny mamanao hoy izy niteny any mamanay
mahavita an'io tromba io. Tamin'izany ,bebeanay tamin'ny mamanay mbola velona
ary misy tromba iany koa bebeanay io ary razanay io iany nipetraka taminy.
Dia niteny iany koa le mpimasy hoe
raha mangataka antsy mamanareo día aza omena hoy izy niteny ahy.
Día eny hoy ahy namaly an'le mpimasy.
Día nomeny fanafody izahay dia lasa
nody.
Rehefa tonga tao an-trano izahay dia
nitenenina an'ny papanay ireo zavatra nilazain'le mpimasy , Dia samy naheno
daholo izahay fa tsy omeana antsy i mama.
Indray andro dia nivoaka tromba i
mamanay dia io razanay io nivoaka ary nangataka antsy izy fa misy ody ratsy hoy
izy ato. Día nitondroiny tao andoha farafaran'ny mamanay . Día izahay tsy nisy
nanome satria efa niteny le mpimasy fa tsy azo omena antsy izy satria tsy
fantatra le tromba mivoaka eo na razanay io na le tromba ratsy.
Rehefa alina andro día samy natory ,
eo eo tokony amin'ny 11 Ora alina nisy zavatra nanakenda i mamanay . Ny
tranonay tamin'izany étage dia samy matory tany daholo izahay satria i mamanay
tsy maintsy iambenana fa ra tsy izany dia vonoin'ireo tromba ratsy ireo.
Miteny mihitsy aza le tromba ratsy fa
vonoinay mamanareo amin'izao ora ....izao( miteny l'heure mihitsy le tromba
ratsy amin'izay) .
Día tsy maintsy iambenana mamanay
rehefa matory, zah matory 8 ka hatramin'ny 12ora alina día i papanay
miambin'azy , día amin'ny 12ora alina ka hatramin'ny 4 ora maraina dia zah
Indray miambina any mamanay matory.
Izany foana nataonay nandritran'ny 2
herinandro.
Indray mandeha samy reraka dia natory
daholo , fa teo amin'ny 11 Ora Dia nisy zavatra nanakenda i mamanay .tsy
tafiteny fa ny heriny Dia niantso ny anaran'ny razany aneritreritra ka iny
razany iny nivoaka tromba no namoahan'azy. Rehefa nifoha i mamanay no sady
nivoahana tromba ( razanay io) no niteny hoe miala ato an-trano ato ianareo hoy
izy fa mahery Lolo sy tsiny hoy izy ka tsy voatohatro fa zah rery hoy izy ka
tsy maharo NY zafiko.zao día izao hoy izy ianareo miala ato raha mifindra
an-tranonolo misy tromba fa raha tranonolo tsisy tromba hoy izy día tsy maharo
NY zafiko hoy izy .
Dia vao vita teniny dia tonga nilefa
izahay niala tao an-trano naman'ny mamanay misy tromba izay izahay. Io naman'io
mamanay dia olona eto an-tanana iany ary mahafantatra ny zavatra miseho teo
aminay. Dia nilefa tany izahay
rehefa tonga tany amin'ny
naman'ny mamanay io izahay dia zah sy zanaky le madame niambina an'ny mama fa i
papa nody niambintrano sady niteny i papa fa tsy misy Lolo an'inona ahy izany
ato. Día izy lasa nody nimbina ny tranonay.
Día zah sy le zanaky madame
tompontrano no niambina an'i mama no sady mivoaka tromba foana izy amin'izany.
Tromba ratsy
Maro be ny zava -niseho nandritran'ny
alina iny fa fitimpitiniko le tantara .
Naraina ny andro , niverina nody
izahay .
I papanay lasa niasa ,dia zah nandeha
nianatra fa mpanofa tranonay no naman'ny mamanay Teo an-tanana satria efa
fantatry mpanofa tranonay ny zava-misy.
Tantaran'ny mamanay tamiko rehefa
tonga avy nianatra ahy:
I mamanay sy le mpanofa tranonay nipetrapetraka
teo andavaranganay mitodika any amin'ny vavahady zareo no sady miresaka.
Nahatsiaro te hatory i mamanay ka
somary nanakipy maso ampitoerana iny ,no nahita vehivavy 2 vavy manao sambohady
mena miditra ny vavahady ary miteny hoe alainay ianao izao . No taitra mamany
ary niteny tamin'ny mpanofa tranonay hoe ...misy olona niditra Teo? Día namaly
mpanofa tranonay hoe...aaa tss an'izany teo.
Teo no eo no nivoaka tromba ny
mamanay ( razanay) no niteny tamin'ny mpanofa tranonay hoe teneno zafiko fa tsiny
hitany teo ireny andeha hamono azy ka asaivo miala eto izy izao día izao.
Rehefa lasa tromba ny mamanay día
nitenenin'ny mpanofa tranonay tamin'ny mamanay ny hafatra . Día lasa mamanay
nandeha tamin'ny namany le misy tromba , día tany izy tontolo andro fa ny ariva
izahay ( papa, mama,zah) niverina tany amin'le mpimasy día natory tany.
Tonga tany amin'le mpimasy día natory
tany izahay.
Reraka b zah día tafandry ary le
mpimasy natory iany koa.
Rehefa naraina diva ratsy día
nifoahazin'ny papanay sy mamanay zah fa itady mpanotra .Día gaga ahy f'aona hoy
aho? Zah mbola te atory b satria reraka .
Día niteny zareo hoe .... tamin'ny
alina hoy zareo nanadary b NY zava -niseho hoy mamanay sy papanay tamiko.
Tamin'ny
alina día nisy tromba nivoaka tamin'ny mamanao hoy papanay ka rehefa nanonga le
tromba día noentin'le tromba ratsy io fanahin'ny mamanao hoy papanay.
Dia
rehefa elaela hoy papanay día nisy tromba nivoaka Indray ( razanay) hoy papanay
día niteny hoe lasa lavitra hoy izy fanahin'ny mamanay ka mila antsoina amin'ny
anarany ,atao mafy.
Día nasain'le tromba ( razanay)
miantso ny anaran'ny mamanay i papanay ,atao mafy be.
Rehefa vitan'ny papanay izany día
tafaverina ny fanahin'ny mamanay, kanefa kosa misy lalandrà nifandimbatra
tamin'ny lohan'ny mamanay.
Nahatsapahan'ny mamanay fa tsy
normale izy dia henony miaha mangatsiaka ny tongony sy tanany , ka rehefa
kosehiny ny tanany día maheno mafana sy mtempo tsara ny fony.
Día nivoaka tromba razanay ka niteny
tamin'ny mamanay sy papanay fa misy lalandrà nifandimbatra ao amin'ny lohan'ny
mamanay ka mila olona mahay manotra manarakozatra fa ra tsy izany día tsy
avotra mamanay.
Izany nahatonganay mamoha anao
maraina be io MBA hiteny amin'ny mpanotra hoe andraso mamanay fa anotra aminao.
Día lasa zah nandeha ,nihazakazaka
tany amin'le mpanotra
rehefa tonga tamin'ny mpanotra ahy
dia niteny hoe andraso mamanay fa ho avy hanotra aty aminao. Eny hoy mpanotra.
Afaka kelikely dia tonga i mamanay sy
papanay ary niteny i mamanay hoe zah ihotra andoha ka antongotra hoy mamanay.
Día natao le hotra ary niteny le mpanotra fa misy lalandrà mifandimbatra ao
andohan'ny mamanay. Nifampijery izahay 3 mianaka ,tsy nisy niteny.
Rehefa vita le hotra día niverina
tany amin'le mpimasy izahay.
Nanontany anay le mpimasy hoe avy
aiza vao naraina ianareo? Día namaly mamanay hoe avy niohatra .
Gaga b le mpimasy ary niteny hoe tsy
mahazo hiorina ny olona vaon'ny ambalavelona.
Natahotra izahay hoe inona izany ny
hanjo any mamanay afaka kelikely.
Kanefa tsy nanino i mamanay fa día
nitempo normale ny fony no sady normal iany koa ny hafanany.
Avy teo amin'izay , niteny le mpimasy
fa andeha aty an-tranonay izy andeha hanala fanafody ratsy fa misy fanafody
ratsy ao an tranonay sy antokotaninay .Dia niaraka izahay 4 (
mpimasy,mama,papa, zah) nijery taty an-tranonay
rehefa tonga taty an-tranonay izahay
dia niteny le mpimasy tamin'ny papanay hoe, ipoaho hoy izy ity fandriana ity.
Día
nipoahina le fandriana , día niteny le mpimasy hoe poteho eto( ciment) . Dia
nipotehina le ciment .Zany rehetra izany dia andohampandrina ny mamanay
mihitsy. Teo amin'le toerana nitondroin'ny razanay tamin'izy nangataka antsy fa
tsy nomenay iny.
Rehefa
potika le ciment Dia nangadihana , rehefa voahady tsy dia lalalina loatra . Iny
fa tavoahangy vy kely nipoitra teo.
Rehefa
itan'ny papanay le tavoahangy kely Dia saika nalain'ny papanay tamin'ny tanany.
Dia niteny le mpimasy...eee tsy azo
raisinao io.
Dia le mpimasy naka an'le izy.
Ny zavatra tao anatin'le tavoahangy
kely : volo ariary 3 ( ariary sy ariary 2) ary volon'ny mamanay sy vorondamba
ny dadabeanay efa maty nifono tao.
Ity hoy le mpimasy zavatra mahazo ny
vadinao.
Vita izay día nivoaka ny tonkotany
indray izahay dia nananganana romasina (fijoroana) teo antokotaninay satria
Lolo sy hasintany teo amin'ny tonkotaninay no nitambazanolo dratsy ireo zavatra
MBA hamono an'ny mamanay.
Día rehefa vita izay día somary
nilamindamina kely izahay fa le tromba ratsy sy ambalavelona mbola teo foana.
Nody le mpimasy, nahazaka tranonay sy
tokontaninay amin'izay izahay.
Indray andro nivoaka tromba ny
mamanay ( razanay ) io nanoro fanafody ( laingon'angatra) anaran'le fanafody.
Maimbo izay io ravinkazo io.
Día izahay moa efa nahatoky an'le
razanay io tanteraka satria marina daholo izay zavatra teneniny ka día nalainay
tokoa io ravinkazo laingon'angatra io
nalainay le ravinkazo laingon'angatra
io , dia nikikisan'ny mamanay ny tahony .
Vita izay dia nisotroiny .
Ariva amin'izay eo eo amin'ny 7 ora
ariva , Eo ampinanambary izahay 4 mianaka . Ny loakanay (rô) tamin'izany andro
izany día tsaramaso (haricot) , nivoaka ny tromba ny mamanay ( nanonana anarana
le tromba ary tromba io mahay tsara mahay ratsy io tromba io ary mipetraka
amin'olo) Tadidiko anaran'le tromba fa tsy avokako eto ...
Niteny le tromba , ha! Tsaramaso
loakanareo ,tsy tiako hoy izy. Tsy nisy niteny izahay 3 mianaka ( papa ,zah
,zokiko) , nijery no tsy niteny fa tena natahotra hoe ihetsika indray.
Teo le trombo niteny hoe ... izaho no
ianarana alana ? Omena laingon'angatra ? Hoy izy niteny taminay . Izahay tsy
nisy teny fa nijery Teo fotsiny.
Ho itanareo hoy izy anaovako an'ny
...( Nitononiny anaran'ny mamanay).
Iny nanonga iny le tromba , noentiny
nanarak'azy ambiroahy ny mamanay. Teo mamanay otran'ny olona very saina Teo,
sagnagna teo...
Elaela niditra razanay día Tonga
niaraka tamin'ny ambiroahy ny mamanay.
Día ny teny razanay io hoe i tromba
iny mihitsy hoy izy no tiako alana hoy izy.
Tromba mahay NY tsara sy ratsy hoy
izy iny.
Avy teo lasa tromba razanay io día
niverina nisakafo izahay fa efa tsy azo afizany avy anefa le sakafo.
Alina amin'izay ny andro día atory ,
ka izahay efa nihevitra fa efa milamina amin'izay día MBA hankafy hatory satria
efa ELA tsy natory nilamina izany, kanefa indrisy
alina amin'izay dia samy nidaboka fa
reraka loatra . Natory amin'izay , afaka adiny 1 na 2 teo ,nisy zavatra
nanakenda indray mamanay . Día henon'ny papanay izy otran'ny olona tsy mahazo
fiainana ireny ny fahenoin'ny feo ny mamanay. Nifoaha papanay , nijereny
mamanay efa misanahaka ny vavan'ny mamanay ary ny tanany manondro hoe afafazo
fanafody ahy fa tsy mety mahitsy mihitsy ny fanondrony fa mivokona . Itan'ny
papanay iny ka día nifafazan'ny papanay fanafody mamanay Kay tsy fanafody le
azony fa rano mangatsiaka ka voamaika nikendain'ny zavatra io mafy ny tendan'ny
mamanay . Mbola nanondro hafa mamanay toa milaza hoe tsy izy iny azonao iny fa
hafa fa iry le tena fanafody. Ka tsikaritry papanay hoe fa tsy izy le nafafiny
teo iny ka naka hafa indray papanay ka nafafiny ary tena le fanafody le azony
ka lasa le zavatra nanakenda any mamanay . Vao lasa le zavatra ,niditra tromba
ny mamanay ( razanay) ary nifaritana tanindravo fanjohy ny place'ny mamanay ary
natory nilamina tsara izahay tao aoriany iny.
Rehefa naraina andro , día niteny
razanay io fa ra tsy Tonga any amin'ny mamany ao anatin'ny 2 herinandro i
mamanay día tsy voaharony intsony hoy izy ka miala tsiny hoy izy .
Rehefa naheno an'iny papanay día
nitady vola ka tsy nandeha izahay 2 mianaka ( mama sy zah).
Frais itan'ny papanay tamin'izany dia
juste frais aller fotsiny ka tsy maintsy natao izay ahatongavana any amin'ny
maman'ny mamanay.
Alohan'ny handeha izahay día naka
fanafody fiaro mamanay satria ny tromba ratsy sy ambalavelona mivoaboaka
imasonolo ka naka fiaro i mamanay mba tsy ivoahan'ireo zavatra ireo anaty
tomobile.
Azo le fanafody fiaro kanefa indry
vaky le tavoahangy nasina an'le izy . Voadakako tao anaty tomobile ka latsaka
tamin'ny goudron .
Niasa loha izahay 2 hoe inona ny
zavatra hiseho andalana
rehefa voadakako le tavoahangy dia
tsy misy intsony le fanafody fa teo nangataka tamin'ny razanay mamanay .
Taona 2002, izany dianay izany.
Mbola nalaza ny saikamainty
tamin'izany.
Roso ny
día , niditra ny moramanga.
Vao niala kely ny moramanga día vaky
pneu ny tomobile . Izahay sy mama efa Samy tsy niteny. Miandry izay zavatra
miseho no sisa . NY olona niaraka taminay tao anatin'le tomobile efa nisy
nimenomeno . Nisoloina
pneu de secour le pneu vaky.
Mbola
tsy tafiditra amboasary vaky koa le pneu de secour teo amin'ny 2 atoandro toe
izahay. Toerana ankodahoda be le nahavaky le pneu de secour.
Tezitra
ny olona rehetra , nimenomeno hoe tena tsy ary nanao voyage otran'ity mihitsy
ahy e, tena misy olona tsy te andeha mihitsy angambany ato anaty tomobile ity.
Zah sy mamako tsy miteny fa fantatray fa zava-dratsy amin'ny mamanay io
mahatonga an'izany rehetra izany.
Izahay
amin'ny frais aller juste ny volanay. Sakafo masaka noetinay
avy taty Tamatave no nentinay fa tsy amanambola ividianana sakafo izahay.
Rehefa vaky le pneu Dia lasa daholo
ny olona rehetra nandeha nisakafo tany amboasary fa zah sy mama ary chauffeur
no tao anaty tomobile . Fa ny aide-chauffer no nitondra an'le pneu namboarina
tany amboasary.
Teo foana izahay , ariva ny andro
niverina ny ireo olona ireo .
Nijanona tao anaty tomobile ary
natory tao izahay rehetra . Alina b , iny misy mpampandry tany 2 lahy (
saikamainty) avy . Nijanona Teo aminay .
Tamin'ny taona 2002 izany rehetra
izany, vao barrage nisokatra iny.
Niteny ireo mpampandry tany ireo
tamin'ny chauffeur'nay , F'aona anareo? Día namaly chauffeur'nay hoe vaky pneu izahay.
Dia niteny zareo hoe f'angah tsy misy
pneu de secour? Namaly chauffeur'nay hoe nisy fa vaky.
Oayyyy...Ary nareo izany tavela
amin'ny ankodahoda hoy zareo niteny any chauffeur'nay. Eto anie mamay b amin'ny
resaka nenitoa e ( Teo nahafantarako kay NY iantsoana ny mpamosavy día nenitoa
iany koa ) .
Izany ve hoy chauffeur'nay?! Eny hoy
zareo... Natahotra amin'izay rehetra tao anaty tomobile
Dia teo namanay Teo naharitraritra
teo zareo mpampandry tany. Ela ela día lasa ry zareo , izahay sisa teo. Mangina b fa
mazava volana.
Teo
tokony tamin'ny 2 maraina amin'izay nimenomeno tamin'ny chauffeur' ny voyageur
.avereno volanay andinanay tomobile hafa hoy ny olona . Namaly le chauffeur hoe
ts misy vola aty amiko fa any amin'ny guichet any tamatave hoy izy vola fa
juste volantsakafo sy gas oil fotsiny hoy izy aty amiko.
Nimenomeno ny olona ,zah sy mamako
tsy niteny satria izahay tsy misy vola fa tsy miandry ity tomobile ity vita.
Tamin'izany nisy Gendarme sy vadiny
niaraka tomobile taminay. Io Gendarme io naka permission ary tokony hiditra
hiasa rapitso io Gendarme io ka vadiny miasa loha amin'izany.
Dia nitsiry ny hevitry ny sasany fa
hanaka tomobile hafa itondra . Día tapaka hevitr'izareo fa andeha tomobile hafa
fa izahay tsy misy vola Dia tsy afaka andeha.
Rehefa niresaka amin'izay vadin'le
gendarme tamin'ny mamako hoe andao anakana tomobile hafa hoy izy tamin'ny
mamako. Día namaly mamako hoe zahay hoy mamako tsy misy vola intsony ka tsy
maintsy miandry an'ity tomobile ity mandeha.
Tezitra le vadin'le gendarme ka
nihoalahoalany mamanay hoe ianao vehivavy tsy misaina , io zanakao kely io
tianao ijanona aty ankodahoda tsy misy hanina aty! Maro b vavan'le vadin'le
gendarme.
Día namaly mamanay hoe tsy fidiny
anay ny hijanona eto fa izahay tsy misy vola . Fa ianao misy vola mandiana faty
any.
Dia avy teo lasa daholo ny olona
rehetra, nanakanan'ny chauffeur'nay tomobile hafa daholo ny voyageur. Fa izahay
nijanona niaraka tamin'ny chauffeur teo.
Rehefa lasa ry zareo día niresaka ny
probleme'nay tamin'ny chauffeur'nay i mamanay
rehefa niresaka ny probleme'nay
tamin'ny chauffeur'nay i mamanay dia andraso hoy chauffeur'nay fa anakanako
tomobile foana ianareo.
Iny nisy camion nitondra siramamy avy
tany , nisakanan'ny chauffeur'nay, Dia nijanona . Dia
nifampiresaka tao ry zareo.
Dia
nanaiky le chauffeur camion fa itondra anay.
Dia niakatra tao anaty camion zah sy
mama, niaraka tamin'le siramamy amin'ny gony ao aoriana ao.
Roso ny dia , izahay niala Taty
tamatave alakamisy ary asabotsy ariva amin'ny 4 teo eo tonga tany amin'le
toerana.
Vary noentina masiso, noana tsy misy
sakafo hoanina teny andalana.
Rehefa Tonga izahay , dia nomen'ny
mama vola 5 000 ariary le chauffeur ka ny 3 000 ariary no nalainy ary niteny
izy tamin'ny mamako hoe toa endrika f'avy itako hoy izy ny endrikao.
Faly
ahy fa tonga na día mbola misy día tongatra kely aza atao.
Nividianana
mofo gasy le vola fameriny nomen'ny chauffeur camion.
Asabotsy
izahay Tonga ary tsy mbola mahazo miditra tanana satria andro fady ka niandry
maty masoandro vao niditra tanana.
Tonga an trano izahay , nisakafo fa
tena nirofarofa be zah nisakafo satria noana loatra .
Dia niteny mamanay tamin'ny bebeanay
hoe mama marary anie zah e.
Día hoy bebeanay hoe efa itako
mihitsy izy. Itako hoy izy ianao efa miaraka amin'ny vady amanjanakao fa efa
itako miaraka amin'ny olona maro be hoy izy.
Rehefa avy nisakafo nivoaka tromba ny
bebeanay dia nijery zavatra tokony atao amin'ny mamanay.
Ambalavelona
sy tromba ratsy nataonolo hoy le tromba . Día nanoro fanafody izy...
Ampitson'iny
, mievoka insanandro i mamanay, mivoaka amin'izay ireo zavatra ireo no sady
manona anaranolona fantatray.
Isanandro
mamoaka tromba ratsy sy ambalavelona amin'ny mamanay i bebeanay. Izany tena asa
be fa hoe izany hoe mamy ny zanaka ka tsy natao isanandro ny fanafody. Tena
ahitana karazanjavatra samy hafa.
Farany,
dia nadio ary salama tsara mamanay fa izy lasa nisy tromba razanay.
Ialako
tsiny raha nahampiasa compte Fake ahy satria ny olona misy tromba amintsika
Malagasy dia rabirabin'ny olona sy lazaina fa manompo devoly.