Ty tantara ty de
tantara niainany mpivady vao kely i A... sy R.. i R mo le vevavy i A kosa le
lelahy. De mba ho mora ny hanazavako azy de hisolo ny toerany i R zah, ataoko
hoe zah zany i R de otriny hoe niainako le izy...
Nifakantia
nandritriny taona maro zahay sy i A, refa nitombo teny ny fitiavana de
tapak'evitra fa hiroso amn dingana matotra, hanao mariage hanao trano sns...
nividy tany ray somary mihataka keliny ville zahay roa, zay mo tena hafalina ny
nahazo satry somary ambany amn prix rehetra nojerenay le tany, de tonga de
raikitra... de nitohy teny natao ny trano afaka volana vitsivitsy.. Natao ny
mariage sady notokanana le trano, andro ray no nanaovana azy... Hipetraka ao
amn lay trano amizay zahay.. Tamn voalohany tena mafinaritra be, malalaka le
toerana, nandritriny herinandro tena mbola nafinaritra satry betsaka ko ny
vahiny tao aminay satry vao vita ny fety de ny havana lavitra mbola nijanona
tao daholo. Herinandro tao aoriny fety amizay, lasa dahol o ny vahiny, zaho ko
moa tsy mbola miasa, fa i A vadiko no miasa de refa lasa izy de zaho rery no
ato antrano. Ny andro voalohany nandehanany niasa, nanatitra azy teo amn
vavahady aho ary nanidy izany, de tazako avy eny antokotany fa nisy olona
niserana teo amn varavarakelinay fitaratra mo le izy, nahita olona niserana zah
nandalo vetivety kely le izy,ra ny fandinihako azy de nijanona teo izy nijery
anay roa de vao nierika aho de lasa izy. De gaga mo zah hoe iza iny,niditra
tany antrano nverifier hoe Sao misy olona ato, nojereko ny efitra rehetra aaa
tsy mahita na inona na inona aho
Refa avy nijery
ny efitra rehetra aho de tsy nahita na inona na inona, niezaka nandamintsaina
aho avy eo mety reraka lotra angamba de lasa mahita zavatra hafa. Nanadio trano
amizay aho tao amn efitray mivady no nanombohako azy, nosokafiko midanadana be
mo le varavarana de lalantsara ny tazana eo, manao zavatra eo zah de otrany
misy olona mijery zany ary otrany hoe tsy zaho rery ny ao fa misy olona hafa.
Hafahafa, tsy te hivaky loha amn lay izy aho de nalefako maf be ny radio,
zavatra tsy de fataoko anefa le mandefa radio mafy be, nalefako hira
mietsiketsika reny, de mba lasa adinodino teo fa varina tamn lay hira. Vita ny
tao aminay mivady handeh hanadio lakozia amizay aho, somary mifanalavitra kely
aminy efitray mivady mo le lakozia ka tsy de heno mafy be tsony lay radio,
nanasa vilia aho, miverina ndray le otrany misy olona mijery mandinika ahy nefa
tsy fatatra hoe aiza nierika tapoka amizay aho ny varavarana mo novohaiko
midanadana tsara de nierika tany aho, de nahita olona lasa niserana, teo aho
vao taitra napetrako le vilia sady niantso aho fa iza iny? Sady handeh
hanenjika azy aho, jereko anefa tsy misy olona tao amn lalatsara tsy misy inona
de gaga mo hoe fa ahona ary fa inona fona ary iny. De notohizako ihany ny
sasavilia... vita ihany aloha ny rarah, ariva ny andro tonga ny vadiko, tsy
nilaza na inona na inona taminy aho, izy rahateo ko mo mpivavaka be sady le
karazan'olona tsy minomino fona irony de nisafidy ny hangina aho. Tonga ny alina
nandeh nisakafo zahay de natory, nidiko tsara ny efitray. De natory, de nanofy
zah, nanofy le zavatra niserana tato antrano itako ny atoandro, nanofy hoe
itako amizay le izy de narahako.. taitra zah avy eo maraina ny andro, de lasa
saina mo zah hoe noho ny tahotro angamba de lasa noraisiko nofy mintsy le izy,
de niezaka nandamina ny saiko fona zah. Lasa ny vadiko niasa, zah rery ndray ny
ao antrano. Zavatra hafa ndray no niseo.
- Rehefa lasa niasa ndray ny vadiko ny ampitso de zah rery ndray ny tao
antrano. Eo akaikiny tranonay mo misy mpivarotra ppn kely zay, de nividy
zavatra teo zah, alohany nandiovako trano de lasa aloha zah nividy zavatra teo,
le toerana misy anay mo tsy de be tanana lotra, somary mifanalavidavitra kely
daholy, fa le mpivarotra kely no mba akaiky anay. Nividy zavatra teo zah de madame somary efa lebebe mo
no mivarotra eo. De nanontany ahy izy, nareo hoy izy no mipetraka ao aminio
trano vaovao io? Yeny hoy aho... tena tsara be kosa aloha lay tranonareo hoy
izy ny anareo zao no trano tsara ndrindra ety de nitsiky aho namaly azy
misaotra hoa madame, Ary tsy de mahita olona betsaka ao zah ozy 2andro zay fa
toa nareo sy le ramose kely mitondra moto iny sisa ny ao, de eny hoy aho,
vadiko izy de anay mivady io trano io le olona maro be tamn herinandro teo reny
vahiny nandalo fotsiny, de hay ve ozy tsika no mpiara-monina akaiky eto hoy izy
ra misy manahirana na zavatra ilaina de aza misalasala manatona eto amiko hoy
izy... eny ary oa tompoko... de vita le resaka de lasa aho nody. Tonga tao antrano,
handeh hapirina ny efitray mivady aho, tsy nisy zavatra hafahafa reko aloha
nitoditodika ihany aho fa tsy nahita, notohizako ny zavatra nataoko tampoka teo
misy zavatra mianjera any amn lakozia, lasa nihazakazaka aho nijery io vaky amn
le carreux ny vilia iray nefa de tena tsara toerana le izy tsy possible hoe
nianjera le izy de lasa saina teo mo aho, farany nodioviko sy norafiko le izy.
De lasa aho niverina napirina le efitray mivady, avy eo tao amn lakozia ndray
aho, nisy zavatra nianjery ndray tao amn sallon, lasa ndray zah nihazakazaka
nijery io ny sarinay mivady mipetaka tsara amn cadré tamn rindrina fa vaky amn
tany, de gaga sy lasa saina mo zaho hoe fa inona ary ty, de noraofiko ihany, de
lasa notohizako le sasavilia zao ndray misy zavatra mianjera ao amn douche lasa
nojereko le koveta tao de lasa notohizako le sasavilia,njao ndray fa misy
manatota ny koveta ao amn douche lasa nojereko,io le koveta fa tsy amn toerany
tsony Tezitra mafy aho ny farany, niodrika aho naka lay koveta sady niteny mafy
be, misy matoatoa ratsy toetra mintsy ato, mananjera zavatra ratsy vitana hoy
aho niondrika naka lay koveta iny nisy olona niserana nandalo sady nimeme
nitsaoka nakany amn sallon, lasa nenjehako jereko tsy misy inona ao amn sallon
teo aho vao tonga saina tena misy matoatoa ty trano ty, tena itako le olona
nandalo niserana tena henoko lay feo nimeme ary lelah mo le izy. Teo noho eo de
nalefako mafy be ny radio tao amn sallon nalefako ko ny radio tao amn efitray
mivady, sady nivavaka nandroka devoly teo aho. Avy nivavaka aho de notohizako
ny raraha nataoko sady mivavaka fona aho, mandrapahariva nandeha fona ny radio,
tonga ny vadiko gaga maheno lay radio fa nanomboka ovina ianao hoy izy no
mankafy anzany radio alefa mafy be zany? De tonga mo de notsoriko taminy ny
marina rehetra... toiny nanazava zavatra tamn vato aho nanazava ny zava-nisy
rehetra taminy fa tsy ninoany, tena tsy nino izy... ra mila namana enao de
afaka maka mpanampy tsika ozy fa trano vaovao be ty tsy hisy matoatoa anao zany
sady tsy misy zany fa ny sainao no mamorona hoy izy. Tsy niteny tsony mo aho fa
sady tezitra aho de nangina. Alina ny andro natory, taitra aho, reko mangatsika
be ny vatako nifoha aho hay ny lamba rakofanay latsaka amn tany. Nifoha aho
napiakatra lay lamba taitra ko ny vadiko nimenomen hoe mangatsika, sitominao be
le lamba hoy izy, tsy namaly aho mo fa namboariko lay lamba de niverina natory
aho. Samy mbola tsy nisy renoka teo zahay no nisy nisitona be avy aty amn côté
misy ahy le lamba... taitra be aho ary nitsangana napirehatra jiro, izy ko
nifoha sady tezitra be, fa manina hoy izy no sitominao le lamba?Sa tsy te hiray
lamba amiko ianao? De gaga be mo zah nijery azy, de avy eo z namaly tsy zah oa
no nisitona azy teo? Fa iza hoy izy sady vao maika niakatra ny hatezerany.
tokony miala tsy
mamaky tsony le miteny hoe nandeha tamn radio accem oe
aty aminay aza tsy misy radio accem anao zany
ko refa feno 100 réaction le Tohiny3 de hanoy ny
4 am zay zah.
- de vao maika
tezitra be moa le vadiko tonga de tsy namaly tsony aho,rehefa itany fa tsy
namaly aho de nanambitamby ahy izy de niverina natory zahay. Maraina ny
andro,tonga de nalefako mafy be ny radio vao lasa ny vadiko, vita ny rarah
rehetra lasa aho nandeh nividy zavatra teo amn madame akaikinay, de nanontany
ahy izy hoe: fa manao fety angah nareo no To mandefa radio mafy be fona? Tsia
oa tsy zakako le fahanginana ao antrano oa de alefako fona ny radio, de tsy
marary ve ny lohanao miheno anzany hoy izy, aaa tsy maninona hoa. Alina ndray
ny andro, tonga ny vadiko, zah mo de tsy niteny betsaka tsony satry tsy te
hifanazava aminy betsaka zaho. Avy nisakafo handeh hidouche aho, tsy nidiko mo
le douche, zaho varina misasa tsara iny no nisy olona nandalo niserana, niantso
ani A zaho ianao ve iny?Tsy namaly izy, tapoka teo nisy nanakatona mafy be le
varavarana, teo vao taitra aho noraisiko ny serviette lasa aho hamoha anle
varavarana misy manohana be le varavarana, i A voahy ty aza manao sangy ratsy,
nivazavaza be aho Oh ry A... Niantso azy aho
i A voay oa ty varavarana ty, sangy ratsinao e, iny nisy olona mandeh
miazakazaka sady mimeme avy eo, feo mimeme mitovy tateraka amn le feo mimeme
reko ndray mandeh iny, feony lay matotoa mimeme, nangovitra tsy nahateny aho,
ny hany farany sisa nataoko de nikikika be, tamy niazakazaka be avy any i A fa
misy inona fa maninona ndry?hoy izy nitomany aho ary nanazava ny zava-nisy,
nofihiny aho ary noetiny tany amn efitray, ao fa rapitso hoy izy atsoina i
Neninao ho namanao mijanona ato, tonga neny ny
maraina, niresaka tao amn sallon izy sy i A, haiko mo fa tsy mino mintsy i A de
nandresy lahatra any neny ko izy tsy hino, lasa izy niasa, nitomany be aho
notantaraiko tamn neny daholy ny zava-nisy rehetra, niezaka napitony ahy moa i
neny, aleo hoy izy hitadiavantsika solution zany zavatra zany, eny ary oa. Zah
mo nalemy tateraka teto ambony fandrina ny androniny, neny kosa nanadio trano
nanao ny rarah tato antrano, ra varina nanasa lovia i neny de zah rery ny tao
amn efitray, iny ndray le zavatra manaloka, tsy niteny aho fa nandefasako msg
neny, ny telephoneny mo manaraka azy eny fona de itany le msg nangina aho,
manaloka eo amn varavarana lay zavatra, zaho mjery tsara sokafiko ny masoko
sady tsy miteny aho, manaloka manatona ahy efa teo akaiky tonga tapoka neny tsy
ita tapoka le aloka manaloka refa tonga neny, zaho mo tsy niteny nifapijery zay
sy neny, tapoka teo amaso-amaso zay sy neny,nisy zavatra namelaka ny tarehako
mafy de mafy, nihika aho ,neny tonga de nandraoka dévoly, nivavaka zay mianaka,
vita ny vavaka , nijery ahy neny nojereny ny takolako tena mivara-mena be izy
zany hoy izy, ndao tsika hiala tato zao de zao hoy izy, noetiny aho ary lasa
zahay teo ivelany vavahady teo amn vavahady ivelany zay sy neny, aleo hoy
neny resahantsika ty ramatoa mpivarotra akaiky eto ty hanontanina ny momba io
tany novidinareo io, de lasa zay niresaka teny refa niresaka teo mo de
notantarainay taminy daholo ny zavatra nisy rehetra tao, de gaga mo le ramatoa
hoe tena mba zavatra hafa ndray zay hoy izy ary tsy mbola nisy olona nonina
tety ka tratra tranga otrizany raha tsy tao amn nareo rery, de teo mo nandinika
ela ela teo izy saaaa ve ozy, tena efa ela be ozy no nisy ty tantara ty teo amn
io tany novidinareo io, efa tany amn taona 95 tany, nisy lelah zany hony vahiny
teto de namono tena tamn zany, de nalevina teo amn io tany io, de ny taona 2000
tany ny fianakaviny no tonga naka azy teo, de teo io tany io tsy nietsika fa
zao nareo lasa nividy azy zao,nefa le razana efa tsy ao tsony efa nalainy
havany hoy izy, taitra aho ra nahare izany.. aleo mintsy miresaka amn le olona
novidianana lay tany hoy neny de nandeh tany amn le topony lay tany voloany
zahay sy neny ary lay ramatoa mpivarotra, de toizany ko ny valiteny azo tany
hoe efa ela be no nisy lelah vahiny teo amn lay tanana namono tena no nalevina
teo fa saingy efa tsy eo tsony fa nalainy havany. De teo mo zahay samy vaky
loha hoe inona zany no ho atao, de neny nandroso hevitra hoe aleo hangalana
mpiandry pasteur hanala devoly sns sns... ny natsoina mo le mpiandry de nanaiky
zareo hoe hiaraka hatory aminay ny alina. Tonga ny vadiko ny hariva, nazavaina
taminy daholo ny zava-nisy rehetra, zah mo tsy niteny tsony fa i neny no
niresaka taminy, de mbola tsy nino fona mo izy fa kosa nanaiky izy hoe hanalana
dévoly le trano ny Alina. Tonga ny pasteur mpiandry sns... zay mivady tao amn
efitray fona de tao no nanombohana azy, natao ny vavaka sy ny fanalana devoly
rehetra. Tsy nisy inona mintsy, tonga ny tamn 7:30 mbola samy teo zahay
niresaka tsara zahay rehetra, iny le aloka niserana fa itako, iny hoy aho. Iny
hoy aho, tonga de nanaraka lay aloka zareo ary nanala devoly hatrany, zaho mo
tsy nisy tahotro tsony na ny kely ary,ny vadiko kosa de varina, aiza hoy izy fa
zaho tsy mahita inona? De nandalo teo oa le izy, iny zahay varina mivavaka tao
amn efitra iny no lasa le izy nanakorotana tany amn lakozia, nakorotany daholy
ny etana tao lasa zahay rehetra nakao amn lakozia reo ny etana rehetra efa
mikorotana tsy amn toerany tsony, de tao ndray no nanaovana délivrance teo ho
eo amn adiny 1 teo,tena varina mo le vadiko nijery sady nimenomenona hoe fa iza
no niditra nanakorotana tato hoy izy, de zah mo tsy namaly azy, tapoka teo ao
amn sallon ndray no manakorotana etana le izy, vao nanomboka le izy, de iny le
vadiko lasa nihazakazaka be nijery azy, izy no tafiditra tao voalohany zahay
nanaraka avy aty aorina, tonga tao zay tsy nahetsika ny vadiko mitazona ny
takolany;fa maninona ianao hoy aho mantsy azy,nahita aloka zah hoy izy itako le
izy nibata io canapé io de vao nahita ahy izy de tonga de nanatona de
nofelahany zah, teo zah tsy nahateny nitohy fona mo ny délivrance, nanomboka
teo lay vadiko vao nino, ary tsy de nahateny firy tsony izy avy eo.. iny zahay
mbola manao délivrance tao amn sallon iny ndray le izy fa ao amn douche no
nanakorotana, de toizany fona no nataony, noteteziny daholy hatrany
an-tokotany... zay nalehany rehetra mo de narahanay hatrany.. vita ny
délivrance hatrany antokotany lasa zahay natory, tsy nisy inon tsony ny alina
avy eo... De zay no natao, nandritriny herinandro teo zareo no nanao délivrance
tato fona de lasa tateraka mo le matoatoa avy eo. Amizao fotoana efa tsy misy
tsony. le razana ray tao zany no nanagatra tamn lay tany na de efa nasorina tao
ary izy.